Manao fihetsiketsehana ho amin'ny fahalalahan'ny oniversite ny mpianatra taorian'ny fandroahana ny Oniversite Eoropeana Afovoany ao Hongria

Mpianatra ao Budapest manao hetsi-panoherana miaraka amin'ny sorabaventy misy ny anarana fanafohezan-tenin'ireo toeram-pampianarana rahonana any Hongria “Free Corvinus, ELTE, MTA, CEU.” Sary: Anna Vörös. Nahazoana alalana.

FANAMARIHANA: Ny mpanoratra an'ity lahatsoratra ity dia mpianatra nahazo diplaoma tao amin'ny Oniversite Eoropeana Afovoany (CEU). Ny Global Voices dia nahazo vatsy avy amin'ny Fikambanana Open Society, izay vatsian'i George Soros ara-bola.

Ity herinandro ity dia manamarika ny antso farany ho an'ny Central European University (CEU), oniversite tsy miankina natsangan'ilay mpikirakira vola sady mpanao asa soa George Soros tamin'ny taona 1991 mba hijanona ao Hongria. Ao anatin'ny olana ara-pitsarana nanomboka tamin'ny volana Aprily 2017 ny toeram-pampianarana, izay miorina ao Budapest efa nanomboka tamin'ny taona 1993 raha nankatoavin'ny governemanta ny fanitsiana mampiadi-hevitra momba ny lalàna mifehy ny fampianarana ambony any Hongria.

Nikarakara hetsi-panoherana ny mpianatra tamin'ny asabotsy 24 novambra, ary nibodo ny kianja lehibe teo anoloan'ny Parlemanta tany Budapest mba hiarovana ny fahalalahana akademika ao amin'ny firenena.

Tamin'ny faran'ny volana Oktobra, nanambara i Michael Ingatieff, filohan'ny CEU sady sojabe fa tsy hiandry ny governemanta hatramin'ny 1 Janoary 2019 hanasonia ny antontan-taratasy izay mety hankatoa ny toeran'ny oniversite ho toy ny toerana akademika Hongroà-Amerikana ao Hongria ny toeram-pianarana. Fa nanome fe-potoana vaovao farany amin'ny 1 Desambra 2018 ho an'ny governemanta hongroà ny CEU, ary nanomboka nanangana toeram-pianarana ao an-drenivohitr'i Aotrisy, any Vienne izay hamindràna ireo mpianatra taona voalohany ho an'ny taom-pianarana ambony 2019.

Miomana hifindra any amin'ny firenena hafa ny oniversite. Izany hoe, ny “Oniversite” amin'ity tranga ity dia midika hoe ny olona rehetra voakasiky ny fifindrana, anisan'izany ireo mpianatra, mpianatra PhD, mpikaroka, profesora ary mpiasa, izay niasa tao amin'ny CEU ao Budapest nandritra ny folo taona mahery ny sasany amin'izy ireo.

Ao anatin'ny faribolam-pampianarana Hongroà, nanjakan'ny lohahevitra momba ny fahalalahana akademika ny resadresaka nandritra ny herinandro vitsy lasa teo. Miatrika fanavaozana izay handamina ny hetsika ao amin'ny anjerimanontolo araka ny rafitra tsy mitady tombontsoa ara-bola ny Oniversite Corvinus ao Budapest, ary hampihena be ny isan'ny mpianatra tohanan'ny fanjakana. Mandritra izany fotoana izany ihany, dia nanao fitokonana ihany koa ny Sampana Siansa Sosialy ao amin'ny Oniversiten'i ELTE ary niteraka adihevitra momba ny Fianarana momba ny Lahy/Vavy izay vokatry ny fanakatonana ny programa. Ankoatra izany, manohitra ny fampihenana ny teti-bola nambaran'ny governemanta Hongroà ny Akademia Hongroà momba ny Siansa.

Mpianatra, mpikaroka, mpampianatra ary mpiara-dia amin'izy ireo no nanao fihetsiketsehana tamin'ny Asabotsy mba hisarika ny saina amin'ny tolona ho fahalalahana akademika any Hongria. Araka ny tatitry ny media, nahasarika olona an'arivony ny fihetsiketsehana, ary nahitana ny solontenan'ny ny ELTE, Corvinus, CEU ary ny Akademian'ny siansa Hongroà ireo mpandahateny nandritra ny hetsika.

Mpanao hetsi-panoherana mandeha manerana an'i #Budapest ho fanohanana ny #CEU, oniversite vatsian'i Soros ara-bola, izay nanaapahan'i Orban hevitra ny handroaka azy hiala ao Hongria

Niresaka momba ny fahalalahana akademika sy ny lalàna 2017 izay manery ny CEU ho sesitany ary niantso ihany koa ho amin'ny firaisankina amin'ireo mpiasa ireo mpandahateny hatramin'ny nanambarana ny herinandro lasa teo ny amin'ny lalàna vaovao izay ahitana ny fanararaotana ireo mpiasa amin'ny fampiasana azy mandritra ny ora fanampiny. Toa tsy misy fiafarana any Hongria ny lisitr'ireo fitsipi-dalàna miteraka olana, ary nanakiana ny fanitsiana ny Lalàna Fototra (Lalàmpanorenana) izay mametraka ho heloka bavava ny tsy fananana fialofana ao amin'ny firenena ihany koa ireo mpandahateny, izay mpahay siansa sosialy ny ankamaroany.

Tsy nanadino ny fahafahana nitsikera ny Praiminisitra Hongroa Viktor Orbán ihany koa ireo mpandray fitenenana sy mpanao fihetsiketsehana noho ny fanomezana fialokalofana ho an'ny praiminisitra Makedoniana teo aloha Nikola Gruevski, gadra nandositra ny lalàna izay voasazy roa taona an-tranomaizina ao amin'ny fireneny noho ny fiampangana azy tamin'ny kolikoly.

“Governemanta Mafia mandroaka ny CEU, kanefa mampiantrano ireo mpanao politika mpanao heloka bevava!” Sary: Anna Vörös. Nahazoana alalana 

Tamin'ny famaranana ny diabe tamin'ny Asabotsy, nibodo ny kianja Kossuth teo anoloan'ny Parlemanta tamin'ny alalan'ny sora-baventy “Oniversite Afaka” ny hetsiky ny mpianatra  Students4CEU. Mankalaza ny fahalalahana akademika amin'ny alàlan'ny famelabelarana mivelatra sy fandefasana an'efijery mandritra ny herinandro ny mpianatra.

Mangatsiaka ny andro. Avy ny orana. Saingy tsy miala izahay mandra-pijanonan'ny governemanta Hongroa ny fanafihana ny fahalalahana akademika. Miaraha aminay manomboka rahampitso amin'ny 11 amin'ny famelabelaran-kevitra, fandefasana horonantsary & adihevitra ao amin'ny #SzabadEgyetem (oniversite afaka)

Hifarana amin'ny 1 Desambra ny fibodoana ny kianja Kossuth. Mba hijanonan'ny Oniversite Eoropeana Afovoany ao Budapest, ity no antso farany…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.