Serbia: Maneho hevitra Mikasika Ny Fisamborana An'i Radovan Karadzic Ireo Blaogera Serba

(Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny Jolay 2008.)

Voasambotra i Radovan Karadzic, Filoham-pirenen'ny Repoblika Serba ao Bosnia, andro vitsivitsy taorian'ny tsingerintaona faha-13n’ilay fandripahana olona tao Srebrenica , izay nitarika fahafatesan'olona 7 000, ka sivily miozolomana ny ankamaroan'izy ireo tamin'izany.

Ny alin'ny 21 hifoha 22 jolay 2008 no nivoaka ny fampitambaovao namboraka ilay fisamborana, tamin'ny alalan'ireo media goavana marobe erantany sady efa ho ny ankabeazan'ny fampahalalam-baovao Serba koa.

Nahataitra blaogera marobe tao amin'ny tontolombolongana Serba ilay vaovao. Ireto ny fanehoankevitra voalohany indrindra avy tamin'ny sasantsasany tamin'izy ireo.

Teo amin'ny blaoginy, SLIKE I DOGADJAJI [teny anglisy], nanoratra (teny serba) i CO manao hoe:

Teo ampanomanana indrindra ny diako ho any Polona aho raha naharay ny vaovao mikasika ny nahasamborana an'i Radovan Karadzic. Tsy nino mihitsy aho, nefa nalaza be tamin'ireo vohikala rehetra ny vaovao.

[…] Hugh Griffiths, blaogera iray an'ny vovonana B92, no nanoratra an'ity tamin'ny teny anglisy:

Tsy nisy nino ny fahatongavan'io andro io avokoa ny ankabeazanay rehetra, hoe ny triniten-devolin'ny polisy miafina, ireo mpanao heloka bevava ary ireo pretra izay niaro anao no hanome antoka anao hanana fahalalahana “maharitra” hatramin'ny fara fofonainao. Saingy vintana kely ho anay, diso hatramin'ireo tsy mba mpanantena zavatra tsara, fara faharatsiny, indraindray. […]

Tamin'ny filazàna ny fisamborana an'i Radovan Karadzic, naneho ny fahafahampony (teny serba) ny blaogera, Dynhysbys d’ A K U L T U R A :

[…] Faly aho satria vonona ity governemanta ity ary manana eritreritra hiatrika ireo olana izay nampilentika indray an'i Serbia ho any anatin'ny helon'ireo taona 90. […]

Misha, mpanoratra ny blaogy Doctor [teny anglisy] mitsikera (rohy tapaka) ny Tribonaly Iraisam-pirenena natao ho an'i Yogoslavia taloha (TPIY), saingy manoratra izy fa na dia tsy inoany aza ilay fitsaràna, tiany kokoa i Serbia noho i Radovan Karadzic.

[…] Na toa inona na toa inona laza ratsin'ny Tribonaly Iraisam-pirenena ao La Haye izay namotsotra ireo mpamono olona toa an-dry Ramus Haradinaji sy Naser Oric, ary na toa inona na toa inona tsy fananantsinin'i Radovan (Hanampy azy ve Andriamanitra hanaporofo izany?), amiko, ho lohalaharana hatrany i Serbia. […]

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.