Miatrika fanoherana ny fananganana ny tempoly Haindò voalohany ao Islamabad

Umarkot Shiv Mandir ao Umarkot, Sindh, Pakistan. Sary tao amin'ny WIkipedia avy amin'i Harish Chander, CC BY-SA 4.0.
Tamin'ny 24 Jona, nanatrika ny lanonana fanokafana ny fananganana ny tempoly Haindò voalohany tao Islamabad ny sekretera parlemantera Pakistaney misahana ny Zon'olombelona Lal Chand Malhi. Saingy, noravan'ny Islamista izany raha vantany vao nanomboka ny fananganana ny rindrina ary nisy ny fanangona-tsonia nataon'ny vondrona mpitondra fivavahana hanoherana ilay tempoly.
Fanamelohana ataon'ny vondrona mpitondra fivavahana
Amin'ireo mponina tombanana ho miisa 221 tapitrisa monina ao Pakistan, maherin'ny 96% no Silamo ary manodidina ny 1.85% no Haindò – na dia nilaza aza ny Filankevitra Haindò Pakistaney fa ambony kokoa ny isa farany.
Raha ny filazan'ny Evacuee Trust Property Board, sampan-draharahan'ny Governemanta Pakistaney dia manodidina ny 1.300 ny tempoly ao amin'ny firenena ary 30 ihany no heverina fa miasa ankehitriny. Natao hanomezana toerana ny mpikambana miisa 3.000 ao amin'ny vondrom-piarahamonina Haindò any Islamabad hanaovan'izy ireo lanonana ara-pivavahana, mariazy, fombafomba farany sy ny fandoroana faty ny fananganana an'io tempoly vaovao io.
Tamin'ny faran'ny volana Jona, nanaiky ny fanomezana vola mitentina 100 tapitrisa ropia (598.000 dolara amerikana) hananganana ny tempoly Shri Krishna Mandir ny Praiminisitra Pakistaney Imran Khan. Nahazo tsikera maro ilay fanapaha-kevitra hanangana tempoly tao Islamabad. Nanohitra ilay fanapaha-kevitra ny mpitondratenin'ny antenimiera ao Punjab , Chaudhry Pervaiz Elahi na dia mpikambana ao amin'ny fiaraha-mitantan'ny governemanta aza izy. Namoaka fanambarana ny Jamia Ashrafia, toeram-piofanana ara-pinoana malaza any Lahore fa tsy araka ny finoana Islamika ny fananganana ary namoaka fatwa (didim-pivavahana) hanoherana izany izy ireo. Nanampy ny Mufti Muhammad Taqi Usmani, manam-pahaizana manokana momba ny lalàna Islamika fa tsy ny fananganana ilay trano no olana fa ny olona nanome ny vola hanaovana izany.
Nanakana ny fanamboarana tamin'ny 4 Jolay 2020 ny Manampahefana misahana ny Fampandrosoana ao an-dRenivohitra (CDA) any Islamabad noho ny antony araka ny filazany fa tokony ho ankatoavina ho drafi-pananganana izany. Nandritra izany fotoana izany, nisy vondrona fatra-pandala ny finoana Islamika nandrava ny rindrin'ny tempoly, nihirahira ny teny filamatra ara-pinoana ary nanonona ny Azan (antso hanao vavaka) teo an-tokotanin'ny tempoly.
The boundary wall of the Temple was destroyed and now a man is saying the Azan on the site.
This has nothing to do with the excuses of taxes, etc. This is bigotry towards Hindus.Give others what you ask for yourself!
Islam preaches tolerance.#AreHindusLesserPakistani pic.twitter.com/FNnUlXw2Nx
— Shamila Ghyas (@ShamilaGhyas) July 7, 2020
Noravana ny rindrin'ny Tempoly ary misy lehilahy miteny ny Azan eo amin'ilay toerana ankehitriny.
Tsy misy ifandraisany amin'ny fialan-tsiny amin'ny hetra, sns. Fijerena ratsy atao amin'ny Haindò izao.Omeo ny hafa izay angatahinao ho anao!
Mitory fandeferana ny Islamo.
Nandà ny fangatahana nataon'ny vondrona mpitondra fivavahana Miozolomana ny Fitsarana Avo ao Islamabad ary nametraka ny raharaha tany amin'ny Filankevitry ny Fotokevitra Islamika (CII), rafitra ara-dalampanorenana iray natsangana tamin'ny taona 1962 mba hitarika ny fanjakana amin'ny fomba fitantanana ny firenena mifanaraka amin'ny baikon'ny Korany Masina sy ny Sharia. Manontany ny hevitry ny CII ny Fanjakana rehefa mila torohevitra araka ny lalàna momba ny raharaha Islamika.
Nangataka ny torohevitry ny CII ihany koa ny Ministeran'ny Raharaham-pivavahana (MORA) momba ny famatsiam-bola avy amin'ny volan'ny mpandoa hetra Miozolomana, hananganana ny tempoly. Naharay ny taratasin'ny minisitera ny filohan'ny CII Qibla Ayaz ary nandefa izany tany amin'ny vaomieran'ny sampam-pikarohana mba hilazan'izy ireo ny heviny. Tsy afaka manomboka ny fananganana ny tempoly raha tsy manaiky ny fanapahan-kevitra ny CII.
Fanohanana ny fananganana ny tempoly
Nisioka ho fanohanana ny fananganana ny tempoly i Noor ul Haq Qadri avy ao amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-pivavahana sy ny Firindran'ny Fampiraisam-pinoana:
اسلامی تاریخ ، تعلیمات اور پاکستان کا آئین تمام اقلیتوں کی مذھیبی آزادی اور عبادت گا ھوں کی حفاظت کےضامن ھیں !عمران خان کی حکومت اپنی اقلیتوں کے ساتھ ھر گز ھندوستاں جیسا سلوک نہیں کرے گا ! پاکستان بین المذاھب ھم اھنگی کیلۓ اقدامات جاری رکھے گا ! 50 لاکھ ھندوآبادی بھی پاکستانی ھیں
— pir noorulhaq qadri (@NoorulhaqPir) June 28, 2020
Fandikan-teny: Afaka mivavaka malalaka ny vitsy an'isa rehetra araka ny tantara sy ny fanabeazana ary ny lalàm-panorenana Islamika ao Pakistan ary hiaro azy ireo ny fanjakana. Tsy hitondra azy ireo tahaka ny fanaon'i India amin'ny vitsy an'isa ny PM Imran Khan.
Nilaza ny fihetsem-pony toy izao i Lal Chand Malhi, mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena izay nitarika ny lanonana fametrahana fototra ny tempoly, tamin'ny resadresaka an-telefaonina:
According to the constitution of Pakistan and the law of the land nothing can stop us from constructing the temple. The only issue at the moment is if it can be made from public money or not for which an application has been sent to CII. But if the response is in negative we will still construct it after collecting funds.
Tsy misy mahasakana antsika amin'ny fananganana ny tempoly raha araka ny lalàm-panorenana ao Pakistan sy ny lalànan'ny firenena. Ny hany olana amin'izao fotoana izao dia ny hoe azo atao ve ny manao izany amin'ny volam-bahoaka sa tsia izay nandefasana fangatahana tany amin'ny CII. Fa raha tsia ny valiny dia mbola hatsangantsika izany aorian'ny fanangonana vola.
Raha ny filazan'ilay manam-pahaizana momba ny fivavahana Javed Ahmed Ghamidi, mandoa hetra avokoa ny Pakistaney rehetra ary manangana moskea amin'ny alàlan'ny volam-bahoaka ny fanjakana ka tokony afaka hampiasa volam-bahoaka ihany koa ny governemanta hananganana toeram-pivavahana ho an'ny fivavahana hafa.
Javed Ahmed Ghamdi on the construction of Hindu Temple in Islamabad. Here, he recognizes the secular principle of secular nation-states, instead of advocating for an Islamic Republic. https://t.co/QayA20Evou
— Haroon Riaz (@HaroonRiaz) July 2, 2020
Javed Ahmed Ghamdi momba ny fananganana ny Tempoly Haindò any Islamabad. Mankatoa ny fototra mametraka ny firenena laika izy eto, fa tsy miaro ny Repoblika Islamika.
Nanamafy tao amin'ny Antenimieram-pirenena amin'ny voalazan'ny lalàm-panorenana ao Pakistan i Khawaja Asif, mpikambana ao amin'ny antoko mpanohitra Ligy Miozolomana Nawaz (PML-N) ao Pakistan, indrindra fa ny fampiharana ny zo mitovy ho an'ny “olom-pirenena rehetra na inona na inona saranga, foto-pinoany ary ny fivavahany.”
Nitsikera ireo izay nanasarotra ny raharaha ny Filankevitra Ulema ao Pakistan ary nanohana ny fananganana ny tempoly satria mazava ny Lalàm-panorenan'i Pakistan momba ny zon'ny Miozolomana sy ny tsy Miozolomana monina ao amin'ny firenena.
Fanehoan-kevitra tao amin'ny tambajotra sosialy
Resabe ny tao amin'ny tambajotra sosialy hatramin'ny andro nankatoavan'ny Praiminisitra ny fananganana ny tempoly. Nidera ny fanapaha-kevitra ny olona sasany raha toa kosa nanohitra izany ny antokom-pivavahana ary nisy mihitsy aza nandrahona ny hamono olona ao amin'ny vondrom-piarahamonina Haindò. Nalaza be ny tenirohy #MandirTauBanega (Hatsangana ny Tempoly).
The construction of the first Hindu temple in Islamabad is a welcome and laudable step by our Government. Pakistan belongs in equal measure to each and every citizen irrespective of his/her caste, creed, ethnicity or faith. #islamabadtemple
— Umar Khayyam (@utggondal) June 24, 2020
Tongasoa ny fananganana ny tempoly Haindò voalohany ao Islamabad ary mendri-piderana ny dingana avy amin'ny Governemanta. Mitovy ny olom-pirenena tsirairay na inona na inona sarangany, fivavahany, foko niaviany na finoany i Pakistan .
Nanao fampielezan-kevitra nanohitra ny fananganana ny tempoly ny fantsom-baovao tsy miankina iray ary namoaka lahatsoratra izy ireo nilaza fa mirehareha amin'ny fandreseny rehefa nijanona ny fananganana.
This is disgusting and shameful that @92newschannel is terming it their victory as CDA has stopped construction of a #Hindu #temple in #Islamabad. Simply, #ShameOn92News for siding with and promoting bigotry. This is Jinnah's Pakistan, not mullah's Pakistan. #MandirTauBanega pic.twitter.com/uvkPHwUcis
— Kapil Dev (@KDSindhi) July 3, 2020
Maharikoriko sy mahamenatra ny filazan'ny @92newschannel izany ho fandreseny rehefa najanon'ny CDA fananganana tempoly Haindò ao Islamabad. Tsotra, satria miandany sy mampiroborobo fijerena vilana fanavakavahana ny Henatrahoanny92News. Izany no Pakistan an'i Jinnah fa tsy Pakistan an'i mullah.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...