Rosia: Mitady fialokalofana any Géorgie ilay [zazavao] voantso ho miaramila 

(Lahatsoratra nivoaka ny volana Janoary 2009)

Nangataka fialokalofana any amin'ny Repoblikan'i Géorgie mba handosirana ireo “fepetra tsy zaka” ao amin'ny tafika Rosiana i Aleksandr Glukhov, tanora Rosiana 21 taona voantso ho miaramila. Tao amin'ny toerana fisakafoana McDonald's any Tbilisi no iray tamin'ireo fisehoan'i Glukhov tamin'ny fampitam-baovao. Nambaran'ny tompon'andraikitra Rosiana fa nosamborin'ny tafika Zeorziana tany Ossetia atsimo i Glukhov, toerana izay tsy maintsy nanatanterahany ny raharaha miaramilany, ary nentina tany an-drenivohitra Zeorziana izy. Vitsy ny olona any Russia no toa mihevitra an'i Glukhov ho “mpamadika”. Ireto ambany ireto ny sasany tamin'ireo fanehoan-kevitra avy amin'ny tontolon'ny bilaogy mpiteny rosiana.

Mpisera LJ shurigin:

[…] The defense ministry is currently [trying to figure out how all this could have happened]. To begin with, it turns out that this soldier is a conscript. How he got to South Ossetia, despite the order to staff military units with contract soldiers – no one can answer this question coherently.

[Miezaka mamantatra ny fomba mety nitrangan'izany rehetra izany] ankehitriny ny minisiteran'ny fiarovam-pirenena […] . Hanombohana azy, hita fa zazavao io miaramila io. Ahoana no nahatongavany tany Ossetia atsimo, na teo aza ny baiko azon'ny vondro-tafika miaramila amin'ny miaramila manana fifanekena asa – tsy misy mahavaly araka ny tokony ho izy an'io fanontaniana io.

Mpisera LJ introvertoff:

I was on the way home late at night yesterday. On a [bus], in addition to me, there was a bus driver, a couple of men and a couple of women, aged 50 to 60. The radio was playing the news:

“And, finally, metropolitan Kirill becomes the finalist of the “choose the patriarch” game,” – the radio was saying something like this, only in a more formal style. […] The bus filled with happy noise – women and men started a joyful discussion about how they worried, how they hoped, how they prayed. They are happy that the Church will now turn to the right path, etc.

And suddenly! They started talking about the news of the deserter Sergeant Glukhov on the radio. And the happy noise was replaced with angry cries – “How could he!”, “A dirty deserter!”, “He's exchanged his motherland for junk food!”, “And he was under oath!”, “Impale him, the dog, impale him!” Orthodox Christians, who were [wiping tears of joy] a minute ago, turned into bloodthirsty fanatics demanding punishment for a traitor! […]

Tratra alina an-dalana nody aho omaly. Tao anaty [bisy], ankoatra ahy, ny mpamily, lehilahy roa sy vehivavy roa, eo amin'ny 50 ka hatramin'ny 60 taona eo. Nandefa ny vaovao ny onjam-peo:

“Ary farany, tafakatra dingana famaranana ilay Eveka Kirill tamin'ny lalao “safidio ilay patriarka”, toy izany ny filazan'ny onjam-peo, tamin'ny fomba ofisialy kokoa. […] Nihoraky ny hafaliana ny tao anaty bisy – nanomboka nifanakalo hevitra tamim-pifaliana ny vehivavy sy ny lehilahy momba ny ahiahiny, ny fanantenan'izy ireo ary ny fomba nivavahany. Faly izy ireo fa hiova amin'ny làlana tsara ny Eglizy, sns.

Ary tampoka teo ! Nanomboka niresaka momba ny vaovaon'ilay Sergent Glukhov mpitsoaka an-daharana izy ireo tamin'ny onjam-peo. Ary niova hiaka feno hatezerana ilay feo nahafaly teo- “Ahoana no nahavitany izany !”, “Mpitsoaka an-daharana maloto!”, “Natakalony sakafo tsy manjary ny tanindrazany!”, “Anefa nanao fianianana izy!”, “Homboy izy, ilay alika, homboy izy! ” Ny Kristiana orthodoksa, izay [latsa-dranomasom-pifaliana] iray minitra lasa izay dia nivadika ho lian-drà nitaky sazy ho an'ilay mpamadika! […]

Mpisera LJ drugoi:

[…] He's not a traitor, of course. Just a fool, immature, a boy. He doesn't belong in the army, he should be making sand pies in a sandbox still.

[…] Tsy mpamadika izy, mazava ho azy. Adala fotsiny, tsy matotra, mbola kely. Tsy an'ny tafika izy fa tokony mbola milalao fasika anaty boatinà fasika.

Mpisera LJ mike67:

Maybe Glukhov deserves condemnation, but how to do it when you are weeping with laughter? […]

When it turns out that a soldier has defected to the enemy because his unit didn't have a bath and the commander was cursing when orders weren't carried out… No one believes this. They are looking for politics, suspect pressure from the Georgian side. What pressure? Wake up: it's the same people who interpret a request to take out the garbage as an attempt on their human dignity. This is a free generation, […], and they sure know about honor and dignity a lot more than we do.

[…]

No one is getting it: it's not politics, it's an infantile generation, raised on […] an opportunity to take a loan for a plasma-panel display – or even a car – right after high school. […] The idea that every person deserves the best […] is spreading around the world like a virus. […]

Angamba mendrika fanamelohana i Glukhov, kanefa ahoana no hanaovana izany raha matin'ny fihomehezana ? […]

Rehefa hita fa mitsoaka ny fahavalo ny miaramila satria tsy misy fandroana ao amin'ny vondron-tafika nisy azy ary nanozona ny komandà rehefa tsy notanterahina ny baikony… Tsy misy mino izany. Mitady politika ry zareo, tsindry mampiahiahy avy amin'ny ankolafy Zeorziana. Tsindry inona? Mifohaza: ireo ihany no olona izay mandika ny fangatahana azy ireo hamoaka ny fakony ho fanitsakitsahana ny maha-olona azy. Izany no taranaka malalaka, […], ary inoana fa mahafantatra kokoa izy ireo noho isika momba ny voninahitra sy ny haja.

[…]

Tsy misy olona mahazo izany: tsy politika izany, fa tarana-jaza, miha lehibe […] amin'ny fotoana ahafahana mindram-bola mba hividianana efijery plasma na fiara mihitsy aza rehefa vita ny fianarana. […] Miparitaka erak'izao tontolo izao toy ny virosy ny fiheverana fa mendrika ny tsara indrindra  ny olona tsirairay […] .

[…]

Fanamarihana momba ny toe-javatra iainana ao amin'ny tafika Rosiana, avy amin'ny mpisera LJ shabolovka38 , ho fanehoan-kevitra tamin'ny lahatsoratry ny mpisera LJ grazy-gunner:

[…] And one woman there says: Yes, the conditions are bad. They live in tents, heated by stoves.

And where are soldiers supposed to live? In a cottage?

[…] Ary nisy vehivavy iray nilaza hoe: Eny, ratsy ny toe-javatra iainana. Monina an-day izy ireo, hafanaina amin'ny fatana.

Fa aiza no tokony honenan'ireo miaramila? Any amin'ny trano tsara tarehy ?

Budimirmpisera LJ :

Aleksandr Glukhov: «I'm loving it!».

McDonald's has launched a creative […] advertisement: a Russian soldier, unable to bear the hardships of service in South Ossetia, where they didn't feed him properly, deserts to the Georgian side and finds happiness there […].

Aleksandr Glukhov: «Tiako izany!».

Namoaka doka hafa kely […] ny McDonald's : Miaramila rosiana iray, tsy mahazaka ny zava-tsarotra iainana amin'ny asa fanompoana miaramila tany Ossetia Atsimo, izay tsy nanomezany azy sakafo ara-dalàna, nitsoaka an-daharana nankany amin'ny Zeorziana ary nahita fahasambarana tany […].

Mpisera LJ merjageko:

I wonder if Russia is going to send tanks to Georgia, to save Sergeant Glukhov? Because he's being tortured with McDonald's there…

Manontany tena aho raha handefa tanky any Georgie i Rosia, hamonjy an'i Sergent Glukhov. Satria ampijalian'i McDonald izy any…

Nanontany ilay mpisera neznaika-nalune hoe:

Tell me, is an out-of-the-way McDonald's with peeling walls a new symbol of the “famed Georgian hospitality” and the “famous Georgian cuisine?”

Lazao amiko, moa ve ny McDonald any ivelany izay misy rindrina miepakepaka no marika vaovao amin'ny “fitiavana mandray vahiny Zeorziana malaza” sy ny “sakafo Zeorziana malaza?”

Namaly ny mpisera LJ taganay :

This kind of hospitality befits this kind of a defector.

Ity karazana fitiavana mandray vahiny ity dia mendrika an'ity karazana mpitsoaka an-daharana ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.