Iza no manana fahefana hanapa-kevitra amin'izay tokony na tsy tokony hivoaka amin'ny aterineto? Satria ny tontolom-bahoaka dia lasa sehatra an'olona tsotra na tsy miankina (privé), iza no hijery ny mpijery?
Ao amin'ity resadresaka [mg] nifanaovana tamin’Ivan Sigal, tale mpanatanteraka ny Global Voices izay nalefa mivantana anjotra tamin'ny 10 febroary 2021 ity, ny mpanoratra sady mpikatroka Jillian C. York niresaka momba ireo fanontaniana etsy ambony, miaraka amin'ireo olana sy lohahevitra hafa maro amin'izao fotoana resahany ao amin'ny bokiny hoavy, “Silicon Values: The Future of Free Speech Under Surveillance Capitalism,” [Soatoavin'i Silicon: Ny hoavin'ny fahalalaham-pitenenana ambany fanarahamason'ny kapitalisma] izay hahazo ny talantalan'ny fivarotam-boky amin'ny 23 marsa 2021.
Manafara mialoha ny kopianao amin'ny “Silicon Values” amin'ny alalan’ity rohy ity ary ampio ny fanohanana ny Global Voices!