Venezoelà: Volavolandalàna manasazy ny fanoherana an-tambajotra

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Desambra 2014)

A police officer watches protesters in Maracaibo, Venezuela 2014. Photo by María Alejandra Mora via Wikimedia (CC BY-SA 3.0)

Polisy manara-maso ireo mpanao fihetsiketsahana any Maracaibo, Venezoelà 2014. Sary nalain'i Maria Elejandra Mora, tao amin'ny Wikimedia (CC BY-SA 3.0)

(Raha tsy misy filazàna hafa, amin'ny teny Espaniola avokoa ireo rohy rehetra.)

Tamin'ny herinandro lasa, natolotry ny antoko sôsialista ny fanavaozana ny Lalàna mikasika ny Heloka Bevava nomanina. Volavolandalàna hamaritra ny “fampihorohoroana amin'ny Aterineto” ho toy ny heloka bevava any Venezoela. Manohitra izany tetikasa izany, ny solombavambahoaka Eduardo Gómez Sigala dia manohana fa mety hampiasaina izy io mba “hampitahorana sy hisorohana ny fanehoan'ireo olontsotra hevitra amin'ny alalan'ny tambajotra sosialy”.

Natolotra tamin'ny 13 Novambra ilay volavolandalàna, saingy nahemotra ny adihevitra mikasika ny fanitsiana azy.

Nanazava tamin'ny haino aman-jery i Gómez Sigala fa, araka ny voalazan'ity volavolandalàna ity, mety hahazo sazy famonjàna herintaona hatramin'ny dimy taona ireo olona mampiasa ny tambajotra sosialy na fitaovana elektronika hafa mba “hampiroboroboana na hanafihana ny rindra napetraky ny lalàm-panorenana” na koa “hanakorontana na ny filaminam-bahoaka”.

Tamin'ny volana Febroary farany teo, tonga tamin'ny faran-tampony ireo fihetsiketsehana ary niitatra nanerana ny firenena, natosiky ny  fiakaran'ny vidim-piainana, ny herisetra ary ny kolikoly. Ilay lalàna dia tonga fotoana fohy taorian'ny fitomboan'ny fitazonana ireo olom-pirenena nampiasa ny tambajotra sosialy mba hikarakarana diabe fanoherana sy hitsikerana ny asan'ny governemanta.

Milaza ny Toko faha-72 amin'ilay lalàna hoe :

Attempt against public disorder [sic].
Whoever by use of mass media, electronic, telephone, social networking, advertising [or] audiovisual material originates, disseminates, promotes or exalts individual behaviors or activities of structured groups seeking to undermine constitutional order or seriously disturb public peace or the security and defense of the nation, or [to attempt] one or more terrorist acts, shall be punished with imprisonment of one to five years.

Fikasàna hanakorontana ny vahoaka
Toko faha 72. Na iza na iza, amin'ny alalan'ny fampiasana fitaovana fifaneraserana, elektronika, finday, tambajotra sosialy, dokambarotra amin'ny haino aman-jery na materialy, ka mamorona, manaparitaka na mampivoatra fitondrantena ho an'ny isambatan'olona na hetsika ho anà vondrona voarafitra izay mihambo hikasika ny rindra napetraky ny lalàm-panorenana na manelingelina be ny filaminam-bahoaka na ny fiarovana ny Firenena, na mikasa ny hanao asa fampihorohoroana iray na maromaro, dia hosaziana an-tranomaizina mandritra ny 1 ka hatramin'ny 5 taona.

Ny ampitson'iny tao amin'ny Twitter, nampiasain-dry zareo Venezoeliàna ny tenifototra #ciberterrorismo (#fampihorohoroana amin'ny Aterineto) mba hanangonana vaovao sy hanehoana ireo heviny manoloana ilay fanavaozana. Navoakan'i Christopher Di Marco, mpanabe sy manampahaizana momba ny informatika, fa :

Les Droits, c'était bon de les avoir eu. Jusqu'à preuve du contraire, nous sommes tous des ennemis de l'État. / Ireo zo, tsara be ny nahazoana azy ireo. Mandra-panaporofo ny mifanohitra amin'izany, fahavalon'ny Fanjakana daholo isika rehetra.

— Christopher Di Marco (@ChristophDM) 20 Novambra 2014

Hamafisin'ny sary, izay ahitàna lahatsoratra iray tanisain'i Di Marco momba ilay tetikasa fanitsiana ny lalàna, ny “fanapaingorana mba ho fisorohana”.

Namerina nanontany mikasika ireo teny tsy mazava ao amin'ilay tetikasa ihany koa ireo mpampiasa Aterineto, indrindra ny “fandriampahaleman'ny vahoaka” izay mety ho antonà fandikàna maro hataon'ireo manampahefana. Maneho hevitra ilay mpanao gazety sady mpikatroka an-tambajotra, Luis Carlos Díaz :

Tsy namorona ilay helokàna #fampihorohoroanaamin'nyaterineto tamin'ny alalan'ny tambajotra sosialy fotsiny ihany ilay volavolan-dalàna. Namorona ny “fandriampahalemanan'ny vahoaka” ihany koa izy

Miaraka amin'ny fehinkevitra momba ny “fanapaingorana mba ho fisorohana”, mampiditra foto-kevitra toy ny “fisavana mba ho fisorohana”, “fisamborana mba ho fisorohana” ary “fitsongoana dia mba ho fisorohana” ihany koa ilat tetikasa ; toy ny hoe ananan'ny fitsaràna ny fahefana rehetra hanome ireo baiko ireo tsy misy fanirahana hamita iraka.

Tsy fantatsika tsara marina hoe oviana ilay tetikasa no hodinihan'ny Antenimieram-pirenena. Saingy miaraka amin'ny fanohanan'ny antoko sosialista, izay manana seza 99 amin'ny 151, azo antoka ny ho fanekena azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.