Mpanazava: Ahoana no hahafahan'ny Lalàna Amerikana momba ny zon'olombelona sy ny demokrasia hiaro ny fahalalahana ao Hong Kong

Maniry ireo mpanao fihetsiketsehana ao Hong Kong ny mba hankatoavan'ny governemanta Amerikana ny Zon'olombelona sy ny Lalàna momba ny Demokrasia sy ny Zon'Olombelona ao Hong Kong, matetika no hita ao amin'ireo toerana anaovana fanoherana manodidina an'i Hong Kong ireo saina Amerikana. Sary avy amin'i Stand News.
Ny 20 novambra 2019, nandany lalàna iray mitsinjo ny fiarovana ny Sata fizakantena ananan'i Hong Kong sy ireo zo sivilin'ireo mponina ao aminy ny antenimieram-doholona ao Etazonia
Novolavolaina tamin'ny taona 2014 ary naseho indray teo amin'ny Kaomisionan'ny Antenimiera Amerikàna tamin'ny 13 jona 2019 — taoriana kelin'ny fipoahan'ireo fihetsiketsehana fanoherana ny fanolorana olomeloka – ny Lalàna ao Hong Kong momba ny Zon'olombelona sy ny Hetsika Demokratika dia manome antoka fa isantaona ny Departemanta Amerikàna dia hanao tatitra amin'ny Kaongresy mikasika ny fizakantenan'i Hong Kong sy ny sata mikasika ny Zon'olombelona, mba hamaritana raha toa tokony hanohy ny fifandraisana manokana misy eo amin'ny tany roa tonta i Etazonia, na tsia. Ireo mpiasam-panjakana ao Hong Kong izay fantatra fa tomponantoka tamin'ny fanafoanana an'ireo fahafahana dia ho helohina amin'ny alàlan'ireo fandraràna fahazoana mivahiny sy ny fanagiazana fananana.
Koa satria ny Tranoben'ireo Solontena ao Amerika nandatsa-bato tamin'ny 21 novambra mba handaniana ilay Lalàna avy amin'ny Loholona, ny dingana farany dia mitondra mankany amin'ny sonia ataon'ny filoham-pirenena Amerikàna, Donald Trump, ato anatin'ny andro vitsy hoavy.
Tezitra mafy i Beijing tamin'ny fihetsiky ny Loholona nandany ilay Lalàna i Beijing. Ny mpitondrateniny ao amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny, Geng Shuang, niampanga an'io ho toy ny fitsabahan'ny vahiny ary nandrahona fa mety hisy ” vokadratsy”.
Ho an'ireo rehetra izay tsy maharaka ny tantaran'ny fanjanahana an'i Hong Kong sy ny firafitra ara-politikan'ilay tanàna, dia mety hitranga mihitsy ho sahala amin'ny fitsabahan'ny avy any ivelany ity lalàna Amerikana mikasika an'i Hong Kong ity. Kanefa, hatramin'ny nanolorana an'i Hong Kong tamin'i Shina tamin'ny taona 1997, fifanarahana iraisampirenena no niantoka ny sata fizakàntenan'ilay tanàna – ny Fanambaràna iombonana Shina-Britanika tamin'ny taona 1984 – izay mametraka ny fotokevitra hoe “firenena iray, rafitra roa“. Izy io no mamaritra ny lalàna fehizoron'ny lalàm-panorenana kely ho an'ilay tanàna, ny Lalàna Fototra , sady miantoka fa i Hong Kong dia ho anisan'ireo mpanao sonia an'ireo Fifanekena marobe ao amin'i Firenena Mikambana, anisan'izany ny Fifanekena mikasika ny zon'olombelona.
Taorian'ny fandripahana tao amin'ny Kianjan'i Tiananmen tao Shina tamin'ny 1989, nankatoavin'ny governemanta amerikàna ny Lalàna Politika Hong Kong tamin'ny 1992, mba hiantohana ny sata fizakantenàn'i Hong Kong ho toy ny fepetra savaranonando amin'ny fitantanana ara-toekarena manokana an'i Hong Kong amin'ny maha-faritra fadintseranana sy fandraharahana ara-barotra miavaka. Ity lalàna ity dia ahafahan'i Hong Kong manana fifandraisana mifamaly mahomby ao anatin'ireo sehatry ny varotra sy ny toekarena, ny ara-bola, ny resaka sidina an'habakabaka, fitaterana an-dranomasina ary ny teknolojia.
Fa hatramin'ny 2014, taona izay nanolorana voalohany indrindra ilay lalàna mikasika ny zon'olombelona sy ny demokrasia ao Hong Kong, vetivety dia levona ny vetivety ny fizakantenan'i Hong Kong, fiovàna nohafainganin'ny fandikan'i Beijing indray ny Lalàna Fototra. Ny 31 aogositra 2014, ho ampahany amin'ny fanavaozana ny fifidianana dia napetrak'i Shina ny rafitra fanivanana tamin'ny fifidianana izay ho filoha mpanatanteraka any Hong Kong. Tamin'ny 2016, nisy ny fakàna an-keriny an'ireo mpivarotra boky ary, herintaona taty aoriana, ny tsy fahafahan'ireo mpanao lalàna nanao ny asany intsony noho ny fianianana tsy hivadika nataon-dry zareo .
Mandritra io fotoana io, tsy nanana fitaovana ara-dalàna mihitsy ny governemanta Amerikana mba hiatrehana ny zavamisy, tsy nahitana fomba fiasa nahafahana nijerena indray ny sata fizakantenan'i Hong Kong ny Lalàna Politika Hong Kong tamin'ny taona 1992. Naseho tamin'ny taona 2017 teo anatrehan'ny Kaongresy Amerikana noho izany ny volavolan-dalàna iray mikasika ny zon'olombelona sy ny Demokrasia any Hong Kong, saingy nahilika ny fanitsiana ilay lalàna lany andro tamin'ny taona 1992 natao tamin'ilay Lalàna Politka Hong Kong mandra-pipaokan'ny Jona 2019 nipoahan'ireo fihetsiketsehana manohitra ny fanolorana olomeloka.
Ilay lalàna vaovao dia ahitana rafitra fanarahamaso sy sazy hiantohana fa hoe ny “sata fizakantenan'ny tanàna” dia mifanaraka amin'ny fanambaràna iombonana Shina-Britanika ary ireo Fifanekena zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana. Ny dika farany amin'ilay lalàna nataon'ny Loholona Amerikana dia manitrikitrika ny sata iraisam-pirenena ananan'i Hong Kong amin'ny alalan'ny fanipihana fa ny governemanta Amerikana dia “tokony handrindra ireo mpiara-dia aminy, anisan'izany ny Royaume-Uni, Aostralia, Kanadà, Japàna, ary ny Repoblikan'i Korea” mba hampiroboroboana ny demokrasia sy ny zon'olombelona ao Hong Kong”.
Manome tombana amin'ny antsipirihany momba ireo zon'ny olona ao anati'ireto sehatra manaraka ireto ilay Lalàna: ny fanabeazana, ny fahafahana maneho hevitra (anisan'izany ny Aterineto), ary ireo asan'ny polisy sy ny fiarovana ny filaminana – resahana any anatin'ireo tatitra mahazatra. Omeny ny governemanta Amerikana ihany koa ny fahefana hanakana ireo mpanao gazety miasa ho an'ireo fikambanana media mifandray amin'ny Antoko Kaominista Shinoa ao Hong Kong tsy ho afaka ho any Etazonia, sy misakana ny fitaovana rehetra momba ny fanarahamaso sy fifehezana ny daholobe, izay mety ho ampiasaina amin'ny fomba tsy araka ny tokony ho izy any Hong Kong.
Tamin'ny alàlan'ny kaonty Twitter an'ny Radio Free Asia i Rebel Pepper, mpanao sariitatra politika, no nanoritsoritra ireo fiantraikan'ilay Lalàna vaovao momba an'i Hong Kong:
China has condemned a U.S. law that protects human rights in Hong Kong. The Hong Kong Human Rights and Democracy Act sanctions Chinese officials linked to rights abuses in the city. Beijing has threatened retaliation if President Trump signs the bill into law. pic.twitter.com/Qec2kMM1XK
— Radio Free Asia (@RadioFreeAsia) November 21, 2019
Melohin'i Shina ny lalàna Amerikana iray miaro ny zon'olombelona ao Hong Kong. Ny Lalàna momba ny Zon'olombelona sy ny Hetsika Demokratika ao Hong Kong dia manasazy an'ireo mpiasam-panjakana voarohirohy tamin'ny fanararaotana ny zo tao an-tanàna. Nandrahona hanao valifaty i Beijing raha nanao sonia mamadika ilay volavolan-dalàna ho lasa lalàna ny filoham-pirenena Trump.
Toa an'i Rebel Pepper, ny ankabeazan'ireo olona mpandàla demokrasia ao Hong Kong dia mino fa ho tsindrinentana amin'ny fanitsakitsahan'i Shina an'i Hong Kong ilay Lalàna, indrindra indrindra fa ny sata fizakantena amin'ny resaka fadintseranana sy ara-barotr'ilay tanàna, eken'ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena, no fanalahidin'ny fahombiazana ara-bola erantany.
Miankina amin'i Hong Kong i Shina mba hisarihana an'ireo renivola sy ireo famatsiambola avy any ivelany. Tamin'ny 2018, tamin'ireo 64,2 lavitrisa dolara azon'ireo orinasa shinoa erantany avy amin'ireo fanohanana ara-bola nataon'ny fanjakàna tany am-boalohany, maherin'ny 50% – tetibidy 35 lavitrisa dolara – no avy amin'ny tsenam-bola tao Hong Kong. Tsy nitondra afa-tsy 19,7 lavitrisa dolara monja ireo firaketana avy amin'ireo tanàna Shinoa.
Satria mihahenjana hatrany ny ady ara-toekarena nifanaovan'i Shina sy Etazonia, ny Kitapom-bolan'i Hong Kong kosa efa tany am-boalohany no natokana hividianana ny Tsena Fanakalozam-bolan'i Londona (LSE) mba hananganana fantsona bebe kokoa ho an'ireo orinasa shinoa hisarihana an'ireo renivola avy any ivelany eo amin'ny tsenam-bola erantany, saingy taorian'ny nandàvan'ny mpitantana ny LSE tsy hanaiky an'ity lalao ity tamin'ny Oktobra, dia mbola nijanona ho i Hong Kong no loharanom-bola vahiny voalohany ho an'i Shina.
Ao ambadik'izany anefa, i Etazonia ihany koa dia manana tombontsoa goavana ara-toekarena ao Hong Kong. Tamin'ny 2018, ny tombony ara-toekarena lehibe indrindra azon'i Etazonia tamin'ny fifanakalozana ifanaovana amin'ny any ivelany – 31,1 miliara dolara Amerikana – dia niarahana tamin'i Hong Kong. Ny fanafoanana ny sata maha-faritra fadintseranana miavaka sy ara-barotra an'i Hong Kong dia hanimba ireo tombontsoa ara-toekarena Amerikana.
Raha toa tsy azo eritreretina ny hamahàn'i Shina ny vahohony ao Hong Kong, dia mety mila mandinika tsara i Beijing amin'ny firotsahany an-tsehatra maherihery setra manimba ny fizakantena politika sy araka ny lalàna sitrahan'ny tanàna io. Ny fahamarinan-toeran'i Hong Kong dia mety ho tombony ho an'ireo ankolafy rehetra, sahala amin'ny mety haharatsy fotsiny izao ny fanafoanana ny fizakantenan'ilay tanàna ho an'ireo ankolafy rehetra voakasika.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...