
Pikantsary iray nalaina avy amin'ny lahatsary YouTube mampiseho an'i Thema Williams, Mpanao zimnastika, miatrika ny “gymnastique au sol” nataony nandritra ireo Fifaninanana Erantany mikasika ny Zimnastika Artistika 2015.
Rehefa miresaka fanatanjahantena ao Trinidad sy Tobago ny olona, dia ny lalao baolina kitra na ny ‘cricket’ no tena mibahana ao anaty fifanakalozan-kevitra amin'ny ankapobeny – saingy ny volana Febroary 2016, afaka niresaka zimnastika avokoa ny olona rehetra. Niha nanatona ny Lalao Olaimpika Rio 2016, ary i Thema Williams, 20 taona, no noheverina ho fanantenana tsara indrindra ho an'ny firenena tamin'ity fanatanjahantena ity – mandra-pirodanan'ny zavatra rehetra.
Raha teo ampiomanana ho amin'ny fifanintsanana farany amin'ireo Lalao Olaimpika i Williams, sary iray tsy mitafy tapaka ny amboniny niviaka tao amin'ny instagram’ efa ho herintaona mahery no nisarika ny sain'ny Federasion'ny Zimnastika ao Trinidad sy Tobago (TTGF) – Ary tampoka teo, Marisa Dick, mpanao zimnastika iray teraka tao Kanadà ary Trinidadiàna ny reniny, no mpifaninana hitondra ny faneva ho an'ny Mpanao Zimnastika Vehivavy olon-tokana ho an'ilay firenena Karaibiàna amin'ny Lalao Olaimpika any Rio, fa tsy i Williams.
Nony farany, notsoahan‘ny TTGF tsy ho mpisolotena ny firenena i Williams, tamin'ny fitanisàna ireo zavabitany nandritra ny fiofanana ho ambany tsy mifanaraka amin'ireo fenitra ilaina.
Nisy fivadibadihanana sy fihodikondinan-javatra mihoatra lavitra noho ny zimnastika fanao mahazatra ny antambo rehetra, saingy nihevitra ny rehetra fa tsy ara-dalàna ny fanalàna ankeriny an'i Williams ary niady mafy ireo mpisolovava azy hatramin'izay mba hahazoany rariny.
Ny 26 Novambra 2018, nitory i Williams ary nandresy tamin'ny raharaha nitoriany ny TTGF. Notombanan'ilay Mpitsara Avo, Franck Seepersad, ho “nitanila” ary “lasa aloha loatra” tsy narahana fanamarinana ilay fanapahan-kevitry ny TTGF handefa mpisolo an'i Williams tsy hiatrika ny fifaninanana fifantenana ho amin'ny olaimpika, sy nilazàna azy hoe naratra.
Na izany aza, ambany lavitra noho izay nangatahan'i Williams ny valisoa ara-bola azony, nanambara ny mpitsara fa tsy misy porofo azo aroso anehoana ny fahaverezan'ireo firoboroboana tsara tokony ho aznyo sy ireo vatsim-pianarana mety ho nentin'ireo fisehoana olaimpika nataon'i Williams. Nahazo fanampiana 150.000 dolara Trinidad sy Tobago i Williams (manodidina ny 22.250 dolara an'i Etazonia) ho onitra fakan-tahaka noho ny fahaverezan'ny fahafahany nisolo tena ny firenena tamin'ireo Lalao Olaimpika, ary koa noho ny fikorontanantsaina naterak'ilay resabe.
Zavatra mahaliana, na dia efa nolazain'ny mpitsara aza fa ny filoha mpitarika taloha ny TTGF, David Marquez, ny filoha lefiny, Akil Wattley, ary ireo mpikambana tamin'ny Filankevim-pitantanana, Ricardo sy Donna Lue Shue, dia nanao mizaàna tsindrian'ila nanohitra an'i Williams, tsy notazoniny ho tomponandraikitra amin'ny tenany manokana izy ireo, noho ny porofo tsy ampy hilazana ho nisy tsikombakomba.
Raha toa faly ireo sasantsasany mpampiasa ny media sosialy fa nandresy teo amin'ny fitsarana i Williams, ireo hafa kosa, toa an'i Janelle Barker, mpampiasa Facebook nahatsapa fa tena adaladala mampihomehy loatra ilay fehinkevitra.
Mampiseho ny tsy fahaizan'ireo lazaina fa mpisolovava goavana io didy io [sic]. Noho izany, tsy fantatr'izy ireo akory fa tokony hanamarina ny onitra izay takian'izy ireo ry zareo… sandan'ny ora lanin'ireo mpisolovava fotsiny no asehon'io vola io, fandaniam-potoana an'ilay zazavavy fotsiny. Tokony ho nanenjika ara-pitsarana ny federasiona misahana ny fanatanjahantena ny vahoaka noho izy tsy nandefa ny olona mendrika indrindra hisolo tena antsika… Tena tezitra mafy aho.
Nanaiky i Marcia Tinto, tamin'ny fanampiana tao anaty lahatsoratra ho an'ny rehetra hoe:
[…] ho ela ela ny fotoana ilaina hahasitrana ny dona ara-tsaina naterak'io tsy rariny io. Misalasala aho hiarahaba anareo, saingy alefako marimarina ho azy ireo firariantsoa hanana fandriampahalemana sy fahombiazana, satria manohy manao tsara sy mamiratra hatrany izy amin'ny maha mpanao zimnastika T&T mendrika indrindra azy.
Fa i Keith Scotland, ilay iray tamin'ireo mpisolovava an'i Williams, nahatsapa ho nahazo rariny, nanamarika fa “tsy resa-bola mihitsy no anton'ilay fitoriana… nikasika mandrakarva ny dingana sy ny foto-kevitra ilay izy”.
Somary manesoeso, nampiseho tsy firaharahiana mikasika ny dingana sy ny foto-kevitra ny TTGF rehefa injay ireo ofisialy voatondro tao anatin'ny raharaham-pitsarana Williams ka niezaka ny hametraka hoe tokony handoa a ra-dalàna ny faktioran-dry zareo ilay mpanao zimnastika. Ny 3 desambra, nolavin'ny mpitsara Seepersad teo noho eo ny fangatahan'izy ireo.
Vokatr'io, tena voatsikera ny TTGF teo amin'ireo vovonana tanatin'ny tambajotra, nampiako ilay fanambaràn'ny mpitsara avokoa ireo mpampiasa Facebook marobe.
Ireo mpiaro faharoa ka hatramin'ny fahadimy no nanam-bintana kokoa afaka tamin'ny maha tomponandraikitra manokana azy, indrindra indrindra satria ry zareo nirotsaka ho mpikambana tamim-pahatsorana tao anatin'ireo mpiaro voalohany. Na izany aza, tsy azo ekena ny fitondrantenan'izy ireo ary tokony ho narahan'ny fahatsiarovantena ho afa-baraka.