
Manolotra fika mora arahina amin'ny fomba fampiasàna ireo bilaogy ho isan'ny hetsipanentanana enti-manohitra ny tsy rariny io torolàlana io ary manasongadina ohatra mahomby amin'ireo bilaogy fiarovana manerana izao tontolo izao. Ahitàna fizaràna dimy izy io:
- Fanontaniana matetika mipetraka momba ny atao hoe Fiarovana amin'ny alàlan'ny Bilaogy
- Singa 5 lehibe indrindra hampahomby ny bilaogy fiarovana iray
- Dingana efatra famoronana bilaogy fiarovana
- Ahoana no hamadihana ny bilaoginao ho vondrompiarahamoninà mpirotsaka antsitrapo mavitrika
- Fika hanampiana ireo mpikatroka mafana fo mampiasa bilaogy hieren-doza anaty aterineto.
Afaka trohana amin'ny endrika failo PDF ny Blog Por Una Causa!. Mety hila hametraka ny Adobe Acrobat Reader maimaimpoana ao anaty solosainao ianao hijerena izany.
Miangavy anao hisintona ny Blog Por Una Causa! ary hanampy anay handika ny torolàlana amin'ny teninao.
Raha mila fanazavàna fanampiny, miangavy anao hifandray amin'i Mary ao amin'ny MaryCJoyce [ at ] gmail [ dot ] com na amin'ny Mpandrindra ny Global Voices Advocacy, Sami Ben Gharbia, ao amin'ny advocacy [ at ] globalvoicesonline [ dot ] org.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...