Miteraka Fihenjanana any Amerika Latina ireo Milina Failandey sy Espaniola Mpamokatra Taratasy

(Fanamarihana: lahatsoratra Anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2006 ity lahatsoratra ity)

Lahatsoratra nosoratan'i Javier avy ao Gualeguaychú (Arzantina) tamin'ny teny Espaniola ity manaraka ity.

Nahitàna fitomboan'ny fihenjanana teo amin'i Arzantina sy Orogoay tanatin'ireo volana vitsy lasa noho ny fananganana orinasa mpamokatra taratasy, ny malotony izay hirotsaka anatinà renirano iray iombonana.

Ny Ence (Espaniola) sy ny Botnia (Failandey) ireo orinasa voaresaka ireo; orinasa maro rantsana niteraka loza teo amin'ny tontolo iainana tahaka ny nitranga tany Pontevedra, Espaina.

Niteraka izay azo eritreretina rehetra miainga amin'ny ompa eo amin'ireo teknisiana ka hatrany amin'ny fanakanana ny fandalovan'ireo olompirenena Arzantina eo amin'ny sisintany izany fifandirana izany. Ary tsy nahita fomba hampifandanjàna ny filàna tontolo iainana madio sy ny filàna fampiasam-bola sy asa ireo mpanao pôlitika – angamba noho ny tsy fahaizana na ny tsy firaharahiana.

Niteraka feo miaro ny andaniny na ny ankilany ity resaka ity any amin'ireo firenena roa tonta. Ary mazava ho azy fa mandray anjara anatin'ny adihevitra ihany koa ny bilaogy.

Misy mihitsy aza ireo bilaogy noforonina hiresahana momba io fifandirana io fotsiny, izay hifantohan'ny lahatsorany rehetra. Ireto misy ohatra vitsy:

Ary an-jatony ihany koa ireo bilaogy namoaka lahatsoratra mahaliana momba io resaka io:

Tsy vitan'ny hoe nisy fitateram-baovao nivalapatra fotsiny nataon'ny media tranainy sy ireo bilaogy, fa tonga hatramin'ny sehatry ny kanto ihany koa izany. Nampiakatra hira mihoatra ny 30 izay miaro ny andaniny na ny ankilany i Fernanda Rubio avy ao amin'ny bilaogy El Mirador (ES) ao amin'ny lahatsorany “Hira Mifandóna” (rohy maty) (ES).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.