Iran : Hafatry ny Taombaovao avy amin’i Barack Obama

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
norouz

Nanomboka tamina hafatra nahagaga avy tamin’ny filoha Amerikana Barack Obama ny taom-baovao Iraniana tamin’ity taona ity (2009), niresaka ho an’ireo vahoaka Iraniana izy ary vao voalohany ho an’ireo mpitondra ao amin’ny Repoblika Islamika, izay niantsoany ho amin'ny fanombohana vaovao amin’ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta. Maro no naneho ny heviny ireo bilaogera tamin’ity hafatra ity, izay nahitan’ny sasany ny fanokafana ny vanim-potoana iray vaovao nihoatra ny 30 taona lasa nisian’ny fifandonana sy ny fifandirana teo amin’ireo firenena roa tonta.

https://youtube.com/watch?v=0ee0wrjVtkk

Nahita ny hafatry ny Filoha Obama ho manan-danja ny filoha-lefitra Iraniana teo aloha,  Mohammad Ali Abtahi ary hoy izy :

[ce message est différent et important en ce qu'il] utilise la dénomination de république islamique d'Iran, et félicite la nation et les dirigeants iraniens. C'est indubitablement une opportunité historique. Nous ne pouvons ignorer l'importance des USA dans la situation actuelle de l'Iran. Sans aucun doute, nous ne pouvons ignorer l'empreinte des dirigeants des Etats-Unis dans tous les dossiers de l'Iran ne serait-ce que sous l'aspect économique avec les embargos qui ont été imposés à la nation iranienne. L'envoi d'un message de félicitations peut se révéler une opportunité des plus importantes sur les plans politique, économique et historique, aujourd'hui et après le changement de gouvernement aux Etats-Unis. De même, ignorer cela peut créer pour nous une situation plus dangereuse que le mandat de Bush parce qu’ Obama peut mobiliser les leaders politiques et l'opinion publique contre l'Iran.

[hafa sady manan-danja ity hafatra ity] satria mampiasaina ny anarana Repoblika Islamika ao Iran, ary nankasitraka ny firenena sy ireo mpitondra Iraniana. Tsy isalasalana fa manan-tantara izany. Tsy azontsika atao tsinontsinona ny maha-zava-dehibe an’i Etazonia amin’ny toe-java-misy ankehitriny ao Iran. Mazava ho azy fa tsy azontsika atao ny tsy hiraharaha ny fandalovan'ireo mpitondra ao Etazonia, tao amin’ireo dosie mikasika an’i Iran rehetra, na dia amin’ny lafiny ara-toekarena fotsiny ihany aza tamin’ireo fahirano izay napetraka tamin’ny firenena Iraniana. Mety ho tombontsoa eo amin'ny sehatra ara-politika, ara-toekarena ary ara-tantara manan-danja ankehitriny sy aorian’ny fiovan’ny governemanta any Etazonia ny fandefasana ilay hafatra fankasitrahana. Toy izany koa, mety hametraka toe-javatra sarotra ho antsika noho ny tamin’ny fitondran’i Bush ny tsy firaharahiana izany  satria afaka manetsika ireo mpitondra politika sy ny hevitry ny vahoaka hanohitra an’i Iran i Obama .

Nanoratra lahatsoratra iray ary nanazava ny antony tsy nandefasan’ny fahitalavi-pirenena Iraniana ny hafatry ny filoha Obama ny bilaogera sady mpanao gazety vavy Masih Alinejad. Nanampy izy hoe :

Si Obama avait tenu le même langage que Bush et avait traité l'Iran de menace, la télévision nationale iranienne l'aurait diffusé à plusieurs reprises. La blogueuse rappelle que le célèbre discours de Bush traitant l'Iran de membre de l'axe du mal a été diffusé plusieurs fois par la télévision nationale iranienne.

Raha niteny tahaka an’i Bush i Obama ary nilaza an’i Iran ho fandrahonana dia nandefa izany imbetsaka ny fahitalavi-pirenena Iraniana. Nampatsiahy ny kabary malaza nataon’i Bush izay nilaza an’i Iran ho mpikambana ao amin’ny andaniny ratsy ilay bilaogera ary nalefa imbetsaka tamin’ny fahitalavi-pirenena Iraniana izany .

Nofaritan’i Zandegieh Sagi fa tena tsara sy mendrika ho an’ny vahoaka Iraniana ny hafatr’i Barack Obama. Nanoratra ilay bilaogera fa ny fampiasana ny fiteny mety ara-politika no zavatra voalohany tokony hataon’ny governemanta Iraniana.

Afaka mamaky isika ao amin'ny In View from Iran :

Il y a de nombreuses mesures que peut prendre le gouvernement américain pour construire la confiance. Elles ne dépendent pas toutes de la bonne volonté du gouvernement iranien à engager le dialogue avec les Etats-Unis. Le message de Nouvel An d'Obama m'apparaît comme positif, mais il nous faut plus que cela.

Maro ireo fitsipika azon’ny governemanta Amerikana raisina mba hananganana fitokisana. Tsy miankina amin’ny sitrapon’ny governemanta Iraniana hiditra amin’ny fifanakalozan-kevitra amin’i Etazonia izany rehetra izany. Hitako miabo ny hafatry ny Taombaovao avy amin’i Obama, saingy mila mihoatra lavitra noho izany isika.

Nanoratra i Mmoeeni fa raha tsy nandefa ny vaovao momba ny hafatr'i Obama ny fahitalavitra Iraniana, dia afaka nanevateva ireo mpitondra Amerikana tany Etazonia ny filoha Iraniana. Nanampy niaraka tamin’ny fanesoana ilay bilaogera fa nilaza i Ahmadinejad fa misy ny fahalalahana tanteraka ao Iran.

Ireo fetin’ny Taombaovao

Nankalaza ny Nowruz ny Iraniana tamin’ny andro voalohan’ny lohataona, izay manamarika ny Taombaovao Iraniana nentim-paharazana. Manipy voninkazo eo amin’ny fasan’i Cyrus le Grand ny Iraniana sasany amin’io fotoana io, ilay mpanorina ny Fanjakana Persianina voalohany tany Pasargades  ( sary etsy ambony). Nilaza ny tranonkala Save Pasargad fa tsy nisy ny fanamboaran'ny manampahefanan’ny Repoblika Islamika an’ity toerana manan-tantara ity ho an’ny mpitsidika kanefa maro ireo olona tonga nankalaza ny Taombaovao tao Pasargad, tato anatin’ny taona maro lasa izay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.