Shina: Misondrotra Saingy Mahatsiaro Ho Mihiboka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2011)

Iray volana sahady izay hatramin'ny nanoratan'ilay Sekreteram-Panjakana Amerikàna Hillary Clinton hoe efa ifantohan'ny politika ivelany ara-diplaomatika, ara-toekarena ary ara-stratejikan'ny fireneny i Azia ankehitriny, izay sady midika fahamarinantoerana sy tsy fihozongozonana ho an'ilay faritra, miankina indrindra amin'ny fomba fivoaran'ny fifandraisana eo amin'i Shina sy Etazonia raha toa ka samy mianatra mizara ny sehatra jeopolitika mitovy ireo firenena roa ireo.

Any shina, mbola maneno be toy ny tetidratsy famefena izany, zavatra noresahin'i Zheng Yongnian, lehiben'ny Ivontoeran'i Azia Atsinanana ao amin'ny Oniversite Naisonalin'i Singapaoro, tao amin'ity lahatsoratra am-blaogy [zh] tamin'ny herinandro lasa teo ity, izay ahitana sombiny tamin'ny bokiny farany [zh], tokony hivoaka amin'ity volana ity, mitondra ny lohateny hoe ‘‘Ny Lalana Mankany Amin'ny Fahefana Goavana: I Shina sy ny Fanavaozana Ny Rafitra Manerantany,” (通往大国之路:中国与世界秩序的重塑):

中国的地缘政治非常特殊。中国周边有21个国家(与中国陆地相邻的国家有15个,同中国隔海相望的国家有6个)。从上往下,有朝鲜、日本,接下来是东南亚国家,再下来是印度、缅甸。中国是世界上唯一被核武器包围的国家。中国有安全感吗?如果墨西哥、加拿大要发展核武器,美国拼了老命也不会让它们发展。

Ao anatina toerana jeopolitika tena miavaka amin'ny maro mihitsy i Shina, voahodidina firenena 21 (15 an-tanety, 6 an-dranomasina). Avy any ambony ka hatrany ambany, i Korea Avaratra, Japana, izay arahin'ireo firenen'i Azia Atsinanana, avy eo India sy i Myanmar. I Shina irery no firenena tokana manerana ny tany izay voahodidina fitaovam-piadiana nokleary. Tokony hahatsiaro milamina ve i Shina? Raha toa ka nanapa-kevitra ny hanamboatra fitaovam-piadiana nokleary i Meksika na i Kanada, hanao izay vitany mba hanakanana azy ireo i Etazonia.
Maritime claims in the South China Sea. Image available on Wikipedia

Maritime claims in the South China Sea. Image available on Wikipedia

中国没有国际空间,拿海权来说,中国有海权吗?没有。往东,走不出去,有美、日、澳大利亚、新西兰等国挡着,往印度洋,有印度。印度的唯一假想敌是中国。现在唯一剩下的是南海,但美国等国都对南海感兴趣,如果那里被堵住,中国一点出海口都没有。中国连航空母舰都没有,怎么去投送兵力?怎么去履行国际责任?更不用说国际领导权。

Tsy manana toerana iraisam-pirenena ihany koa i Shina. Manana tanjaka an-dranomasina ve i Shina? Tsia, tsy manana. Any Atsinanana, tsy misy azon'i Shina aleha, voasakan'i Etazonia, Japana, Aostralia, Nouvelle Zélande sy ireo firenena hafa sasany. Mitodika any amin'ny Ranomasimbe Indiana, misy an'i India. I Shina no fahavalo tokana hitan'i India. Tsy misy afa-tsy ny Ranomasimbe Atsimon'i Shina sisa, izay mahaliana an'i Etazonia sy ireo firenena maro hafa. Mahatonga azy tsy hanana na toerana iray hivoahana an-dranomasina aza ny fanakanana an'i Shina ao. Tsy manana sambo mpitondra fiaramanidina akory aza i Shina, noho izany ahoana no ahafahana mieritreritra fa handefa tafika i Shina? Noho izany, ahoana ary no tokony hamitan'i Shina ny adidiny iraisam-pirenena, na hahazo toerana maha-mpitarika ny fianakaviambe iraisam-pirenena?

Ary koa, nanampy teboka lehibe iray tamin'ny lahatsoratro teo aloha i Sara K. , manoratra fa:

Raha tena tian'i Shina ny hanakana ny fitohitohizana maharitr'ilay  ”Teorian'ny Shina Loza Mitatao ”, tokony ajanony ny fanatodihana bala afomanga marobe mankany Taiwan – ary raha afaka niditra tao Taiwan ny PLA, mety ho moramora kokoa ho azy ireo ny hanafika an'i Japana. Raha manambana olona amin'ny fitaovam-piadiana  ianao, ho toy ny loza mitatao no fijery anao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.