Tantara tamin'ny 22 Janoary 2019
Tantara 7-n'ny Global Voices Nanakoako Tamin'ireo Mpamaky Ny Taona 2017
Niresaka lohahevitra toy ny memes, tombokavatsa, ary ny tsy rariny izy ireo, sady nifantoka taminà firenena isankarazany toa an'i Siria, Brezila, ary Makedonia.
Efa afa-mampiasa ny Google Translate ianao ankehitriny handikana ny lahatsoratra ao amin'ny Wikipedia
Afa-mampiasa milina fandikan-teny maro hahazakàna fandikan-dahatsoratra voalohany ny mpanitsy ny Wikipedia, iray amin'ireo azo isafidianana ny Google Translate.
Ny Lokan'ny Famahanana Bilaogy Boukary Konaté voalohany tao Mali
Efa misy ankehitriny ny loka famahanana bilaogy ho fanomezam-boninahitra ny fahatsiarovana ilay namana Boukary Konaté.
Ejypta: Bilaogera 2 Navotsotra ary iray hafa mbola tsy hita (podcast)
Navotsotra ny roa tamin'ireo bilaogera telo nosamborina tamin'ny 22 Jolay 2009. Navotsotra i Abdel Rahman Ayyash sy Magdy Saad rehefa notazonina nandritra ny enina andro tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Cairo, ary avy eo nalefa tany amin'ny foiben'ny Sampan-draharaham-panjakana misahana ny Fitsikilovana (SSI) ao amin'ny Kianjan'i Lazoghly, (Cairo).
FreeAccess Plus!: Miasa manoloana ny fibahanana Web 2.0
Namoaka ny "FreeAccess Plus!" ny developera Iraniana iray hafa, MohammadR, fanitarana mamadika ny Firefox ho ao amin'ny proxy izay manala ny sivana ao amin'ny tranonkala malaza toy ny YouTube, del.icio.us, Flickr, Technorati.com, FriendSter.com, livejournal.com, MySpace, Hi5 ary ny hafa. Maro amin'ireo vohikala ireo no voaràra ao Iran.
Maraoka : Nenjehina noho ny fanalàm-baraka ilay bilaogera Hassan Barhoum
(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nosamborina ny 25 Febroary 2009 noho ny fanambarany ny raharahan-kolikoly nahavoarohirohy an’Atoa Mohamed Masmouki, izay Lehiben’ny Fampanoavan’ny Mpanjaka ao...
Tantsaha Birmana nampangaina tamin'ny lalàna elektronika
Notorian'ny Tafika Birmana ireo tantsaha nametraka fitarainana niaraka tamin'ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny asa (OIT) tamin'ny nandraofan'ny Foiben'ny fitoeram-pitaovam-piadiana tany mirefy 2000 hekitara mahery tamin'ny 3 aogositra 2008. Nampangain'ny kapiteny Phyo Wei Lin, mpitondratenin'ny tafika, ireo voampanga ho nandefa vaovao sy zavamisy any amin'ny haino aman-jery vahiny", hoy ny Mizzima News.
Nosakanan'i Indonezia ny YouTube noho ilay sarimihetsika “Fitna”
(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2008 no nivoaka voalohany lahatsoratra) fanavaozam-baovao: Nesorin'Indonezia ny fandraràna ny Youtube.com ny 11 Aprily 2008. Ny pejy izay misy ny sarimihetsika nataon'i Geert Wilders sisa no...
Ejypta: Bilaogera nanjavona taorian'ny famotsorana azy
Na dia navotsotry ny Mpampanoa lalàna aza ilay bilaogera Ejipsiana Abdel Rahman Fares (25 taona), dia mbola tsy fantatra izay misy azy. Nosamborina tamin'ny 5 Aprily i Fares izay mibilaogy ao amin'ny Lesani Howa Qalami.
Tonizia : Fisamborana ilay mpikatroka fanta-daza iray tamin’ny famoahana tatitra an-dahatsary an-tserasera momba ny tontolo iainana
(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nosamborina noho ny famoahana tatitra an-dahatsary tao amin’ny aterineto momba ny fahalotoan’ny tontolo iainana ao Nabeul (Dar Chaabane EI...