Ny Lokan'ny Famahanana Bilaogy Boukary Konaté voalohany tao Mali

Ireo olona miisa telo nahazo ny Loka Boukary Konaté voalohany, tao Bamako, Mali. Sary: Doniblog, nahazoana alalana

Fahatairana sy fahaverezana goavana ho an'ny vondrom-piarahamonina GV ny fahalasanan'ny namana Maliana Boukary Konaté tamin'ny taona 2017. Fahaverezana goavana ho an'ny bilaogera Afrikana, sy ireo namany ary mpanjohy azy ao Mali ihany koa izany. Fantatry ny maro amin'ny maha ‘rain'ny famahanana bilaogy’ azy any amin'ny firenena niaviany i Boukary ary nankasitrahana, notiavina ary tsaroana ao an-toerana ny toetrany mahafinaritra sy malala-tanana, ny fitiavany hitandroana ny kolontsaina Afrikana sy ny fiteny an-tserasera .

Nanapa-kevitra ny hamorona ny Loka Boukary Konaté mba hanomezam-boninahitra ny fahatsiarovana azy ny namany ao amin'ny Doni Blog Mali, fikambanan'ny bilaogera Maliana izay nampiany tamin'ny fananganana azy.

Ny 27 Desambra 2018, nomena nandritra ny hetsika ara-tsosialy tao Bamako, niaraka tamin'ny fanohanan'i Philip Paoletta, Tuwindi, AGETIC, WoManager ireo Loka Boukary Konaté voalohany .

I Moussa Mallé Sissoko no nahazo ny loka voalohany tamin'ny fanehoana ny sarin'ilay mpiangaly mozika Maliana iray jamba. Ho an'i Randane Ould Barka ny loka faharoa, noho ny fandraisany anjara tao amin'ny tanàndehibe rotiky ny ady tao Timbuktu, ary ny fahatelo, ho an'i Alhousseini Dicko, noho ny lahatsorany momba ny vakoka ara-kolotsaina tsy manan-tsahala dia ireo sora-tanana tranainy tany Timbuktu. Navoaka tamin'ny tranokalam-baovaon'olompirenena Maliana, Bembere ireo bilaogera telo .

Nanokana ampahany tamin'ny vaovao amin'ny hariva ho an'ny fifaninanana sy ny fahatsiarovana ilay olo-malaza Maliana tsy afaka ao am-po (lahatsary amin'ny teny Frantsay) ny TM2, fantsom-pahitalavi-pirenena ao Mali.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.