Tamin'ny 2017, nihoatra ny 1.600 ireo tantara tamin'ny teny Anglisy navoakan'ireo mpanoratra teto amin'ny Global Voices, lohahevitra nainga tamin'ny ‘fitoavana fampangatsiahana’ mandeha tsy misy herinaratra hatramin’ilay dikateny tokan'ireo fitenim-pirenena kely. Nosoratana izy ireny, nohadihadiana ary nadikan'ny maro tamin'ireo mpikambana 1.200 ato amin'ny vondrona misy anay, izay mipetraka sy miasa any amin'ny firenena maherin'ny 170 manerana izao tontolo izao.
Hita manerana izao tontolo izao ihany koa ireo mpanaraka anay. Manahirana ny mamantatra hoe iza no tantara “sangany” na “tsara indrindra” tato amin'ny Global Voices, indrindra fa samihafa ny fidonan'ireo lahatsoratra isankarazany arakarak'ireo mpamaky azy. Samy manana ny dikany avy ny tantara tsirairay. Kanefa avy amin'ireo fanapotserana, tiana (j'aime), fizaràna (partage) ary ireo fanehoankevitra ao amin'ny Facebook, afaka mahazo tondro fanazavàna isika.
Raha izany no atao ao an-tsaina, indreto ny sasany amin'ny ankafizin'ireo mpamaky tamin'ny 2017.
1. Makedoniàna i Ognen Čemerski, 42 taona, nandika ny ‘Moby-Dick’, ary Manampahaizana momba Ny Teny Tena Mitandrina Fatratra, Mpanabe Feno Fandavantena
Raha resaka momba ny fanapotserana, fanehoankevitra sy fizaràna, ity lahatsoratra avy amin'i Filip Stojanovski ity, toniandahatsoratry ny Global Voices ao Eoropa Atsinanana sy Afovoany, no iray amin'ireo tantara nalaza indrindra ny taona 2017 tao amin'ny pejy Facebook Global Voices. Nandany 12 taona tamin'ny fandikàna ny “Moby-Dick” ho amin'ny fiteny Makedoniàna i Ognen Čemerski, izay maty tamin'ny volana Aogositra.
Ny tsy fahampian'ny voambolana Makedoniana momba ny fiondranana an-tsambolay sy ny fihazàna trozona no tena olana goavana amin'ny fandikàna boky hatramin'ny taona 1851. Monina any afovoantany ny ankamaroan'ny razamben'ireo mponina Makedoniàna efa anjato taonany maro, ka tsy dia tena afaka nifanerasera tamin'ny ranomasina amin'ny ankapobeny ary ny indrindra ny fiondranana an-tsambo. Mba handresena izany anefa, voatery namerina nandrafitra voambolana i Čemerski rehefa sambany nahita ny fototra niaingàn'ny voambolana Anglisy, avy eo nitady ny dikanteny mitovy aminy amin'ny fiteny Makedoniàna na fiteny Slavy hafa.
Vakio eto ny lahatsoratra.
2. Ho An'ny Governemanta Venezoeliàna, “Fampihorohoroana” Ny Fanaovana Hetsipanoherana
Anisan'ireo lahatsoratra be mpizara indrindra tao amin'ny pejy Facebook Global Voices ny taona 2017 ity tantara ity :
Mpanao fihetsiketsehana miisa enina no namoy ny ainy, voampanga ho mampihatra fampijaliana amin'ny mpanao fihetsiketsehana mba hahazoana fibabohana hosoka momba ny “fampihorohoroana” ny governemanta entin'ny Filoha Maduro, ary mandeha eny amin'ny tambajotra sosialy ny porofon'ny fanararaotana ataon'ny polisy. Tsy nitsahatra ny fihetsiketsehana tao Venezoela hatramin'ny faran'ny volana Martsa na teo aza ny famoretana misy.
“Tsy ampy velively ny vola, ny fanafody tsy misy, ary feno jiolahy ny arabe, kanefa tsy avelanareo manao fihetsiketsehana aho ambonin'izany rehetra izany?,” hoy ny mpanao fihetsiketsehana iray nampijalian'ny polisy […]
Vakio eto ny lahatsoratra.
3. Amerikana Iray Mpanao Zavakanto, Nanao Tombokavatsa Misy Soratra “MIFAHARA” ho an'ny Antony Tsara
Anisan'ireo lahatsoratra be mpizara indrindra tao amin'ny pejy Facebook Global Voices ity lahatsoratra iray manasongadina mpanakanto mpanao tombokaatra ao Etazonia ity, izay manolotra maimaimpoana sarinà tobokavatsa amin'ny lohahevitra “RESIST” (MIFAHARA) ho an'ireo izay manolotra $100 no mihoatra ho an'ireo asa fanasoavana.
i Nate Kaschak, dia miasa ao amin'ny A Psychic Unicorn, trano fiasàna fanaovana tombokavatsa sy zavakanto itambaran'i Rhi sy Chris Wallace ao amin'ny tanànan'i Kingston, Pennsylvania, misy mponina manodidina ny 14.000. […]
Manambara i Kaschak fa leo an'ireo fijery miiba marobe ety anaty aterineto ka te-hampahery ireo olona mba ho feno fahavitrihana fa tsy ho be taraina.
Vakio eto ny lahatsoratra.
4. Tsy Misy Intsony Ny Fampanambadiana Ankizy Ao Trinidad & Tobago
Ity lahatsoratra ity no nahazoana “tiana” betsaka indrindra tao amin'ny Facebook:
Tamin'ny 9 Jona 2017, nolanian'ny parlemanta tao Trinidad & Tobago tsy nisy nitspaka ny lalàna izay mandràra ny fomba fanao amin'ny fampanambadiana ankizy, ka hanova ny fetran-taona ara-dalàna ho 18 taona.
[Na izay aza] ny fanoheran'ny mpitondra fivavahana no somary nanasarotra ny raharaha izay tokony ho zavatra tsotra kely, ary taminà teboka iray aza, nisy fisalasalàna raha hanohana ilay tolodalàna ihany na tsia ireo mpanohitra.
Vakio eto ny lahatsoratra.
5. Raha Te-Hahafantatra An'i Brezila Ianao, Mandehana Mizaha Ireo Sary Memes ao Aminy
Firenena fahaefatra manerantany isan'ireo manana mpampiasa aterineto be indrindra i Brezila. Ny Paortiogey no tenim-pirenena ofisialy ampiasain'ny Breziliàna ary tsy miteny Anglisy ny maro an'isa amin'ny vahoaka ao. Koa satria teny anglisy no mibahan-toerana amin'ny ankamaroan'ny aterineto, namorona tontolo niomerika iray midadasika ho azy ireo mampiasa ny teny paortigey ry zareo Breziliàna. Rehefa hiresaka amin'ny fomba fiteniny izy ireo no tena mampiasa azy ity — izany hoe, memes maromaro.
Ary toy izany no niantombohan'ity tantaran'ny kolontsain'ny aterineto Breziliàna ity, izay nahazo ny sasany tamin'ireo fizaràna, fizahàna ary fanehoankevitra betsaka indrindra tao amin'ny Facebook ihany koa ny taona 2017.
Vakio eto ny lahatsoratra.
6. Sakafo Dimy Avy Ao Vietnam Izay Mety Ho Sarotra Atelina Ho An'ireo Tsy Vietnamiàna
Tsy misy mahatoraka an’ity tantara tamin'ny 2017 ity raha resaka “tiana” (likes), fizaràna (share) ary fanehoankevitra, izay mandrakotra ireo sakafo sasantsasany avy any Vietnam, ka ahitàna sakafo iray antsoina hoe “balut”:
Ny Balut dia lamokan'atodin-gana, nampangotrahina ary hanina anaty akorany. Eo amin'ny faha-19 na faha-21 andro eo, efa hary ilay gana kely ao anatiny ka tsapanao mikarepoka ny taolany. Ny fomba tsara indrindra ihinanana ity tsiro iray ity dia ny fanampiana sira kely, fitrohana ny ranony ary mitsako rau răm, raviny roa na telo eo ho eo, na kotimila vietnamiàna
Vakio eto ny lahatsoratra.
7. Global Voices Manome Voninahitra ny Fiainan'ilay Mpikatroka ho an'ny Tranonkala Malalaka ,Bassel Khartabil, Novonoin'ny Fitondràna Siriàna
Tamin'ny 2017, nalahelo mafy tokoa ny vondrom-piarahamonina Global Voices raha nandre ny fahafatesan'i Bassel Khartabil, izay novonoin'ireo manampahefana siriàna.
Mpitarika ny Creative Commons tao Siria izay tena navitrika tamin'ireo tetikasa mar, anisany ny Mozilla Firefox sy Wikipedia, Bassel Khartabil (aka Bassel Safadi) dia nitàna anjara toerana fototra tamin'ny fanitàrana ny fahafahana miditra ny aterineto sy tamin'ireo loharanom-pahalalàna misokatra ho an'ny daholobe tao Siria. Namama akaiky izy ho an'ny maro tato anatin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices ary nandray anjara tamin'ilay Fihaonan'ireo Arabo Bilaogera tamin'ny 2009.
Iray tamin'ireo tantara be mpamaky indrindra teto amin'ny Global Voices tamin'ny 2017 ny lahatsoratra iray niresahana ny fahafatesany.