27 Septambra 2018

Tantara tamin'ny 27 Septambra 2018

Rosia: Fiovaovan'ny fanoherana

  27 Septambra 2018

Raha jerena ny fifandraisana eo amin'ireo mpandray anjara [mpitandro filaminana marobe kokoa noho ny mpanao fihetsiketsehana], tahaka ny hoe polisy ny ankamaroan'ireo mpanohitra, ary nanakana azy ireo fotsiny tsy haneho ny fanoherany ny mponina ao an-toerana. [...]

Rosia : Nampiharina amin’ny olana an-drenivohitra ny fanentanana an-tserasera

Akon  27 Septambra 2018

Matetika manome vahaolana amin'ny olana eo an-toerana izay atrehin'ny mponina miaina an-tanàndehibe sy any amin'ny foiben-drenivohitra.isam-paritra ny tetikasa an-tserasera ahafahan'ny olom-pirenena mandray anjara. Manome fahafahana ny olom-pirenena mba hilaza ny olana izay tsikariny ny sehatra Rosiana miisa roa ka mba handraisan'izy ireo anjara amin'ny famahana izany.

HiperBarrio: Campus Party Kolombia sy sary avy amin'ny lavaka paingotra

Rising Voices  27 Septambra 2018

Tonga voalohany tao Kolombia tamin'ny taona 2008 ny Campus Party, iray amin'ireo fihaonambe ara-teknolojika lehibe indrindra miteny Espaniôla manerantany. Naverina indray tamim-pahombiazana lehibe izy ary tena navitrika nandray anjara tamim-pihetseham-po tamin'izany lanonana izany (2008, 2009) ny vondrom-piarahamonina Hiperbarrio ao Kolombia, izay nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.