Egypta: Veloma ry hafatry ny Twitter

(Marihina fa tamin'ny 17 Aogositra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nifoha tamin'ny vaovao mampalahelo i Egypta fa tsy mandefa hafatra miainga amin'ny SMS any amin'ny firenena vitsivitsy intsony ny Twitter, anisan'izany i Egypta.

Araka ny Twitter Blog :

“Let's start with the bad news. Beginning today, Twitter is no longer delivering outbound SMS over our UK number. If you have been receiving SMS updates from Twitter via +44 762 480 1423, you'll notice that they've stopped and you may want to explore some of the alternatives we're suggesting.”

“Andao hatomboka amin'ny vaovao ratsy. Nanomboka androany, tsy mandefa hafatra SMS avy any amin'ny laharana Fanjakana Britanika intsony ny Twitter. Raha toa nahazo fanavaozam-baovao momba ny fandefasan-kafatra avy amin'ny Twitter ianao tamin'ny alàlan'ny laharana +44 762 480 1423 dia ho tsikaritrao fa nitsahatra izy ireo ary mety ho liana amin'ny fomba hafa izay atolotray ianao. “

Tamin'ny voalohany dia noheverina fa noho ny antony ara-politika no nahatonga izany satria nandray anjara lehibe tamin'ny fahafahan'ny mpikatroka Egyptiana nanaparitaka vaovao momba ny tolona nataony ny Twitter, toy ny nandritra ny Fitokonana ny 6 Aprily 2008.

Raha nanoratra tao amin'ny bilaoginy Arabist, nilaza ilay bilaogera sady mpikatroka Hossam El-hamalawy hoe:

This is very bad news…

By deactivating SMSs in Egypt, Twitter just did the Egyptian government a huge favor the latter could not have dreamed of. The company has just deprived the activist blogosphere of one of its main tools for organizing and swift dissemination of information..

Tena vaovao ratsy izany …

Amin'ny fampitsaharana ny hafatra ao Egypta, nanome tombontsoa goavana ho an'ny governemanta Egyptiana izay tsy nofinofisinao ny Twitter. Nanaisotra ny iray tamin'ireo fitaovany fototra ho amin'ny fikarakarana sy ny fampielezana vaovao haingana avy amin'ny tontolon'ny bilaogera mpikatroka ny orinasa.

Fotoana fohy taorian'izay dia nanomboka nitady fomba hafa ny bilaogera Egyptiana.

Nitari-dalana ny mpamaky mikasika ny fomba handefasana  “sioka amin'ny alalan'ny finday ” ihany i Zeinobia, bilaogera Egyptiana:

Most of my Egyptian bloggers friends were so sad and shocked because of the news and they to move to the next best available in live and Mobile blogging , Google’s Jaiku , I like Jaiku and I am a member there , I like it because I can send it SMS as I want but the problem it is not as popular as Twitter.
Still there can be hope , I have found that Service “Tweet SMS” , it has not started yet but according to what they are saying users outside the U.S and Canada can use it as a bridge to SMS Twitter , so if you do not to move Jaiku, you can use it instead. Give it a try you will not lose but I must say that it can cost more than Twitter.

Nalahelo sy tezitra ny ankamaroan'ny bilaogera Egyptiana namako noho ny vaovao ary tsy maintsy nifindra nankany amin'ny tsara indrindra manaraka amin'ny famahanana bilaogy mivantana sy amin'ny finday, toy ny Jaiku an'i Google, tiako ny Jaiku ary mpikambana ao aho, tiako izany satria afaka mandefa hafatra ao aho  araka izay tiako saingy tsy dia malaza toy ny Twitter izy no olana.
Mbola misy ihany anefa ny fanantenana, hitako fa ny Tolotra “Sioka SMS”, tsy mbola nanomboka izy io kanefa araka ny nolazain'izy ireo dia afaka mampiasa izany hifandraisana ho an'ny SMS Twitter ny mpisera avy any ivelan'i Etazonia sy Canada, ka raha toa ka tsy nifindra nankany amin'ny Jaiku ianao dia azonao ampiasaina izany. Andramo fa tsy ho matiantoka ianao kanefa lazaiko anefa fa mety ho lafo noho ny Twitter izy.

Niresaka momba ireo safidy hafa ankoatra ny Twitter ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ” Hiala amin'ny Twitter ve? Ampiasao ny Jaiku na ny Identi.ca? “ ny bilaogera iray hafa, Jean-Pierre.

So which one will it be? Will Twitterers Stick with Twitter, or jump onboard the Jaiku Wagon? Or are we going for open source solutions like idetni.ca? Personally, I prefer Jaiku on all three, but the simplicity of identi.ca is pulling my leg. I will however continue microblogging with twitter until I make my final decision, specially that I never used an SMS to tweet.

Ho an'iza àry? Moa ve ireo mpisera Twitter hijanona ao amin'ny Twitter ihany sa hifindra hanatevin-daharana ny Jaiku ? Sa hampiasa vahaolana amin'ny loharanom-baovao malalaka toy ny idetni.ca ve isika? Raha ny tenako manokana, aleoko mampiasa ny Jaiku raha amin'izy telo, kanefa manitinitika ahy ny maha-mora ampiasaina ny identi.ca . Na izany aza, mbola hanohy ny famahanana bilaogy amin'ny twitter aho mandra-panapahako hevitra farany, indrindra satria tsy mampiasa ny SMS mankany amin'ny sioka mihitsy aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.