Mifarana ny krizin-dranomasina UK-Iran, navotsotr'i Iran ihany ireo tantsambo Britanika

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2007)

Nandidy ny famotsorana ireo tantsambo Britanika 15 notànana an-tranomaizina ny filoha Mahmoud Ahmadinejad tamin'ny Alarobia, fihetsika natao “hampisehoana ny fitiavana Silamo eo amin'ny vahoaka Iraniana.” Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety, nanambara izy fa na dia nanan-jo hitory ny Britanika amin'ny fiampangana fitsofohana an-keriny ao amin'ny ranomasimbe Iraniana aza i Iran, dia hamela heloka sy hamotsotra azy ireo izy.

Nandritra izany fotoana izany, tonga tao an-tanidrazana ireo miaramila Britanika tamin'ny Alakamisy ary nilaza fa nampijaliana izy ireo tany Iran , nampiseho ny kapiteny nitarika ireo tantsambo 15 nogadraina tao Iran ny SkyNews, niaiky ity kapiteny ity fa nanangom-baovao (fitsikilovana) momba an'i Iran izy ireo.

Inona ihany no azontsika?

Akbar Montakhabi manontany izay azon'i Iran tamin'ny faran'ny tantara? Nilaza izy fa nangataka tamin'ny governemanta UK i Iran mba hanao fialantsiny amin'i Iran alohan'ny hamotsorana ireo tantsambo saingy nandà ny governemanta Britanika.

Raha nanome fe-potoana 48 ora ho an'i Iran ny Praiministra Britanika Tony Blair, dia navotsotra ireo tantsambo. Manontany ilay bilaogera hoe inona dikan'ny fihemoran'ny governemanta Ahmadinejad tamin'ny fanapahan-keviny? Io governemanta io ihany no nitsikera ny fitondrana Khatami sy Rafsanjani teo aloha noho ny fihemorana manoloana ny governemanta tandrefana.

Nilaza ihany koa ilay bilaogera fa nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nataon'i Ahmadinejad, tsy navela hametraka fanontaniana ireo mpanao gazety tsy miankina sasany izay zatra nanakiana ny governemanta Iraniana. Nitranga izany rehetra izany tamin'ny fiandohan'ny taona izay nitakian'ny governemanta ny firaisam-pirenena.

Iza no nandresy, iza no resy?

Marayma Shabani nilaza hoe, “Very ianao Atoa Filoha. Navotsotrao izy ireo taorian'ny nanomezan'ny praiministra Tony Blair anao 48 ora. Inona no azontsika? Nanafaka ireo tantsambo 15 ianao ary diplaomaty Iraniana iray no tafaverina. Eo am-pelatanan'ireo mpanao politika Britanika ny fandraisana an-tanana ara-politika fa tsy eo am-pelatanantsika. “

Pasokhgoo manoratra fa, araka ny Lalàm-panorenana Iraniana, ny mpitarika ny Repoblika Isamika Ayatholah Khamenei no afaka mamela heloka an'ireo mpanao heloka bevava, saingy tsy nanonona ny anarany ny filoha Ahmadinejad.

Nilaza koa ilay  bilaogera fa nampiseho ny heriny sy ny famindrampony i Iran tamin'ny fisamborana sy ny fanafahana ireo tantsambo ireo. Araka ny filazan'i Pasokhgoo, nisy vondrona mpianatra mahery fihetsika te-hikarakara fihetsiketsehana manodidina ny seranam-piaramanidina izay nialàn'ny fiaramanidin'ireo tantsambo, saingy niova hevitra indray izy ireo.

Nilaza i Hoder fa misy lesona maromaro azo tsoahina amin'ity tranga vao haingana ity. Iran, hoy izy, no mpandresy tamin'ny fiatoana vao haingana, raha nanala ny fandrahonany ny fitondrana mpifanolo-bodirindrina akaiky indrindra Iraka sy Afghanistan i Etazonia. Nilaza koa ity bilaogera ity fa miray saina kokoa noho izay eritreretin'ny rehetra ny firafitr'i Iran. Fahadisoana lehibe ara-tetikady ny fiantsoana ny Mpiambina ny Revolisiona ho Mafia na governemanta ao anaty governemanta.

Rebel Radio, etsy ankilany, nilaza hoe:

the IRGC [Islamic Revolutionary Guards Corps] is not a rogue element in the Islamic Republic, it IS the Islamic Republic. Through its foundations it controls an estimated 40% of Iran's economy. The IRGC is the main mechanism for implementing Iran's foreign policy, and takes direct orders from Iran's supreme leader, Ayatholah. Khamenei. They are the main power center in Iran, no doubt about it.

Tsy jiolahimboto ao amin'ny Repoblika Islamika ny IRGC [Mpiambina ny Revolisionera Islamista], fa ny Repoblika Islamika no izy. Amin'ny alalan'ny fiorenany, mifehy ny 40% -n'ny toekarenan'i Iran izy. Ny IRGC no rafitra fototra amin'ny fampiharana ny politikan'ny raharaham-bahiny Iraniana, ary mandray baiko mivantana avy amin'ny mpitarika ambony ao Iran, Ayatholah. Khamenei. Izy ireo no foibem-pahefana lehibe ao Iran, tsy isalasalana izany.

Lesona ho an'ny krizy nokleary?

Shirzad milaza fa ny olana momba ireo tantsambo any UK sy ny fifampiraharahana nanaraka izany dia mety ho tari-dalana ho amin'ny fifanarahana nokleary. Nilaza ilay bilaogera fa haingana ny fifampiraharahana ary mivaingana ny vokany. Nampiany koa fa, angamba, maro ireo mpanara-maso tsy mahatakatra fa ny manampahefana ao Iran dia mijery vokatra amin'ny fotoana tena fohy toy ny fomba fitantanan'izy ireo ny toekarena Iraniana.

Nilaza koa ity bilaogera ity fa, manoloana ny krizy nokleary, mety ho tonga amin'ny vokatra mitovy amin'izany isika. Mahazo vokatra mivaingana (tena tombontsoa) ny manampahefana ary afaka mamadika izany ho fampielezan-kevitra. Nampiany koa fa, amin'ny maha Iraniana azy, dia faly izy fa nifarana tamin'ny fomba milamina ny krizy ary tsy zava-dehibe ny filazana izay mpandresy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.