Tantara tamin'ny 17 Novambra 2017
Nisy Sivily Ampolony Maty Ve Tamin'ny Fanafihana an'Habakabaka Tetikady Vaovaon'i Trump ao Afghanistan?
Nandrakitra ny Firenena Mikambana fa niakatra 43 isanjato ny sivily maty vokatry ny fanafihana an'habakabaka natao nandritra ny enimbolana voalohany tamin'ny taona 2017.
Mpanakanto Gineana Ekoateriana Carmen Bolena Mitantara Ny Tantarany Sy Ny Maha-izy Azy Amin'ny Alalan'ny Sary
Famerenana amin'ny laoniny ny feon'ny fieritreretako nikorontana ireo zava-baovao rehetra ireo. Tsy mahatezitra intsony ny mankasitraka fa mainty aho. Mainty aho ary lazaiko fa mirehareha amin'izany aho.
Canada: Ireo Nanjavona Teny Amin'ny Lalàmben'ny Yellowhead
Nisarika ny saina tamin'ny lahatsary fanadihadiana Kanadiana izay mitantara ny fanjavonan'olona sy ny famonoana ireo vehivavy mihoatra ny dimy tao amin'ny foko Indiana tany Kanada tao anatin'ny ny telopolo taona farany ny vondrona vehivavy mpanatontosa sarimihetsika Women Make Movies.
Afovoany Atsinanana: Afaka Mampiroborobo Ny Revolisiona Sosialy Ve Ny Bilaogy?
Namerina namoaka ny lahatsoratra iray avy amin'ny tranokalan'ny fantsom-baovao CNN ilay bilaogera Saodiana Esam Mudeer ary nametra-panontanina - tamin'ny zava-niseho tamin'ny herinandro lasa teo tany amin'ny tontolo Arabo - raha toa afaka mandray anjara amin'ny revolisiona sosialy ny bilaogy Arabo.
Egypta: Navotsotra Rehefa Noferana Fa Tsy Hamahana Bilaogy Intsony Ilay Bilaogera

Nilaza tamin'ny gazety mpivoaka isan'andro Add-Dostour i Mohamed fa novotsoran'ny polisy izy rehefa nanaiky ny hanao sonia ny fanolorantena tsy hanavao intsony ny bilaoginy na ny kaontiny ao amin'ny Facebook, ary tsy hifandray intsony amin'ny ONG na ny mpanao gazety.
Iran: Krizy Nokleary, Antenina TV Zanabolana Vaky & Mpianatra Nogadraina
Araka ny filazan'ny fampahalalam-baovao, nanome ny valinteniny ofisialy tamin'ny fangatahan'ny firenena matanjaka manerantany mba hampiato ny fampitomboany ny oranioma ho takalon'ny fonosam-bola i Iran. Mbola miresaka momba ny krizy nokleary Iraniana sy ny vokatr'izany ny fampahalalam-baovao sy ny bilaogera manerantany. Andeha hojerentsika ireo bilaogy Iraniana vitsivitsy:
Afganistana: Nahena Ho 20 Taona Ny Sazin'i Sayed Pervez Kambakhsh
Nanafoana ny fanamelohana ho faty ho an'ilay mpianatra mpanao gazety voampanga ho naniratsira fivavahana tamin'ny fametrahana fanontaniana tao am-pianarana momba ny zon'ny vehivavy araka ny Islamo ny Fitsarana Avo ao Afganistana. Saingy mbola nanameloka azy 20 taona an-tranomaizina ny mpitsara.
Bitsibitsika Afghana: Lesona Hampianarina & Hianarana
Mahaliana fa mahita ireo firenena vahiny tahaka an'i Iran sy Iraka ireo bilaogera Afgana ary miezaka mianatra sy mampianatra lesona momba ny fandriampahalemana sy ny hafaliana.