(Marihina fa tamin'ny 11 Novambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
Namerina namoaka ny lahatsoratra iray avy amin'ny tranokalan'ny fantsom-baovao CNN ilay bilaogera Saodiana Esam Mudeer ary nanontany – tamin'ny zava-niseho tamin'ny herinandro lasa teo tany amin'ny tontolo Arabo – raha toa afaka mandray anjara amin'ny revolisiona sosialy ny bilaogy Arabo.
تميّز الأسبوع الماضي في نشاط المدونين العرب بحركات احتجاج واسعة على أوضاع الحريات في دول عربية، ولاسيما في المملكة العربية السعودية وتونس، زيادة على تنامي تنديد المدونين بما يقولون إنّه “رقابة” باتت تمارس عليهم، زيادة على حكوماتهم، الهيئات المشرفة على منتديات عالمية، مثل “فليكر” و”فيس بوك.”
وتميّز نشاط الكثير من المدونات السعودية خلال الأسبوع بالدعوة إلى إضراب جوع تضامنا مع نشطين معتقلين.
وفي الوقت الذي لم تتوفر معلومات بعد عن حجم الإضراب الذي وقع في السادس والسابع من نوفمبر/ تشرين الأول، تميّز نشاط المدونين السعوديين بجرأة، “وذلك احتجاجاً على انتهاك حقوق المعتقلين، وعموم السجناء في المملكة العربية السعودية، الذين حرموا من ما أوجبه نظام الإجراءات الجزائية.”
والسجناء الذين تضامن معهم المدونون هم من “تيار العدل�والشورى وحقوق الإنسان، ومن ضمنهم متروك الفالح.
Nahitana hetsika antserasera goavana nataon'ireo bilaogera Arabo ny herinandro lasa teo. Izany dia momba ny fahafahana any amin'ireo firenena Arabo, indrindra any Arabia Saodita sy Tonizia. Ankoatra izany, nitombo ny isan'ireo bilaogera manameloka ny sivana izay ataon'ny governemanta na ny tranonkala iraisampirenena tahaka ny Flickr sy ny Facebook.
Niavaka ny bilaogy Saodiana tamin'ity herinandro ity amin'ny antso ataon'izy ireo momba ny fitokonana tsy mihinan-kanina mba ho firaisankina amin'ireo mpikatroka notànana. Nisongadina ity hetsika mafana ity na dia tsy mbola misy aza ny fanazavana momba ny maha-zava-dehibe ity fanentanana ity, izay natao tamin'ny andro fahenina sy fahafito ny volana Novambra. Manohitra ny fanitsakitsahana ny zon'ireo mpikatroka notànana izy ireo – tsy misy ny mpisolovava , kanefa izany no voalaza ao amin'ny fitantanana ny fonja.
Nanao hetsika ho firaisan-kina niaraka tamin'ireo gadra tao amin'ny hetsika “Rariny, choura ary Zon'olombelona” ireo bilaogera, izay nahitana ilay mpikatroka Matrouk Al Faleh [nosamborina tamin'ny 19 Mey 2008] .