Canada: Ireo Nanjavona Teny Amin'ny Lalàmben'ny Yellowhead 

(Marihina fa tamin'ny 18 Oktobra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Old woman mask
Tsimshian Mask par get directly down

Nisarika ny saina tamin'ny lahatsary fanadihadiana Kanadiana izay mitantara ny fanjavonan'olona sy ny famonoana ireo vehivavy mihoatra ny dimy tao amin'ny foko Indiana tany Canada tao anatin'ny ny telopolo taona farany ny vondrona vehivavy mpanatontosa sarimihetsika Women Make Movies.  Nantsoina hoe Dawn Crey ilay sarimihetsika, araka ilay niharam-boina faha 23, izay fantatra tamin'ny alàlan'ny ADN, nandritra ny fanadihadiana heloka bevava goavana indrindra natao tamin'ny andiana famonoan'olona izay nitranga tany Canada, teo anelanelan'ny taona 2002 sy 2004. Mifantoka momba izany zava-nitranga izany ilay horonantsary ahitana ireo niharam-boina hafa ary manasongadina ny tsy firaharahian'ny manampahefana taorian'ireo fanjavonan'olona sy ireo andiana famonoana olona. Ary ny olana atrehin'ny fianakavian'ireo vehivavy mba hahazoana rariny amin'ny anarany ihany koa.

Azo jerena ao amin'ny rakitra natokana ho an'ny raharaha amin'ny alàlan'ny tranonkala Citizen Shift ny ampahany tamin'ity horonantsary ity sy ireo hafa . Mampiseho ny fanjavonan'i Dawn Crey tao Vancouver ny lahatsary voalohany, avy amin'ilay sarimihetsika Finding Dawn:

http://citizen.nfb.ca/sites/citizen.nfb.ca/files/images/en_finding_dawn1_80.jpg

Mitondra antsika ho any amin'ny Làlamben'ny Yellowhead ny lahatsary faharoa , ampahany amin'ny lala-mangina mankany amin'ny tanàndehibe samihafa maro izay nanjavonan'ireo vehivavy, na namonoana azy ireo. Fantatra amin'ny anarana hoe “Ny Làlan'ny ranomaso ” izany ankehitriny .

http://citizen.nfb.ca/sites/citizen.nfb.ca/files/images/en_finding_dawn2_80.jpg

Natokana ho an'i Doleen Kay Bosse ny lahatsary fahatelo sady farany izay ampahany avy tamin'ny lahatsary fanadihadiana. Nangataka fanazavana momba ny fanjavonany nandritra ny taona maro ny fianakaviany ary nijoro ho vavolombelona fa tsy nandray velively ny tatitra momba ny fanjavonan'olona tamim-pahamatorana ny polisy kanadiana raha vao vehivavy Indiana no resahana.

http://citizen.nfb.ca/sites/citizen.nfb.ca/files/images/en_finding_dawn3_80.jpg

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.