
Voromby karetsaka mpiady A-10 Thunderbolt II mizotra ho eo amin'ny fiantsonana teo ampahatongavana tao Bagram, Afghanistan, 31 Marsa 2013. Anisan'ny firotsahana an-tsehatra vaovao avy amin'ny Tobin'ny Tafika an'Habakabaka ao Moody, Ga ny voromby mpiady. (Sary U.S. Air Force/Staff Sgt. David Dobrydney)
Namaly bontana tamim-paharomotana sy tsy finoana ny olom-pirenen'i Afghanistan raha nisy ny fanafihana an'habakabaka in-droa nataon'ny tafika Afghan sy Etazonia nikendrena mpitolona mitam-piadiana izay nahafatesana sivily am-polony tamin'ny faran'ny volana vitsy lasa izay.
Nahafatesana sivily miisa 15 ny daroka baomba iray tamin'ny 28 Aogositra nafantoka tamin'ny mpitolona mitam-piadiana tao amin'ny faritra Zir-e Koh andrefan'ny faritanin'i Herat, araka ny tatitra nataon'ny Iraka Fanampian'ny Firenena Mikambana ao Afghanistan (UNAMA). Tatitra tsy ofisialy no milaza fa 20 na mihoatra ny isan'ny sivily maty tamin'ny fanafihana. Roa andro taorian'izany, nisy fanafihana niarahan'ny tafika Afghan sy Amerikana natao tamin'ny Taliban nahafaty sivily 11 sy nandratra 16 hafa tao amin'ny distrikan'i Pol-e Alam tao amin'ny faritay antsimo ao Logar.
Tamin'ny fanononana loharanom-baovao eny ifotony, mbola avoavo kokoa ny isan'ny maty notaterin'ny mpanangom-baovao sasany. Nisioka i Emran Feroz, mpanao gazety iray:
Scenes from today's US airstrike in Logar, Afghanistan, that killed at least 28-31 civilians. pic.twitter.com/xFfJKsLJpv
— Emran Feroz (@Emran_Feroz) August 30, 2017
Ny hita tamin'ny fanafihana an'habakabaka nataon'i Etazonia tao Logar, Afghanistan, izay nahafaty sivily 28-31 farafahakeliny.
Nilaza ny fahafatesan'olona 28 ihany koa tao amin'ny sioka iray i Ali Mohammad Latifi:
Locals say 28 civilians, frm Khost, killed by US airstrike in Logar, day after 13 civilians were killed in Herat | https://t.co/LT8YrjUG7a
— Ali M Latifi (@alibomaye) August 30, 2017
Milaza ny mponina ao an-toerana hoe 28, avy ao Khost, no matin'ny daroka baomban'i Etazonia tao Logar, ny ampitson'ny fahafatesan'ny sivily 13 tao Herat
Niteraka fahatezerana tao Afghanistan ny fanafihana ary niteraka ahiahy amin'ny tetikady vaovaon'ny filohan'i Etazonia Donald Trump momba an'i Afghanistan izay toa tahaka ny hampitombo ny isan'ny fanafihana ny toerana misy ireo mpitolona mitam-piadiana raha mampihena araka izay tratra ny risika mety hahazo ireo miaramilan'i Etazonia.
Nomelohin'ny filohan'i Afghanistan teo aloha Hamid Karzai tamin'ny sioka iray ny fanafihana faharoa:
Hamid Karzai condemns in strongest terms U.S. airstrikes in #Logar province that killed civilians including women and children. Calling…
— Hamid Karzai (@KarzaiH) August 31, 2017
Melohin'i Hamid Karzai amin'ny teny henjana indrindra ny fidarohana baomba an'habakabaka nataon'i Etazonia tao amin'ny faritanin'i Logar izay nahafatesana sivily ka nisy ny zaza amam-behivavy. Miantso…
Nampitandrina i Mujib Mashal, mpanangom-baovao Afghan miasa amin'ny New York Times, fa mety misy fiantraikany amin'ny fifandraisan'i Afghanistan sy i Etazonia ny fanafihana toy izany, tamin'ny fampahatsiahivana ny fihasimban'ny fifandraisana nandritra ny fehim-potoana faharoa niasan'i Karzai:
For context, we need to remember that civilian casualties (& local anger) was one of the things that made Karzai-Obama relationship so toxic https://t.co/kUtsTwmyS9
— Mujib Mashal (@MujMash) August 31, 2017
Tokotanin-dresaka mila tsarovana fa iray amin'ny nahasarotra ny fifandraisan'i Karzai sy Obama ny fahafatesana sivily (sy ny fahatezeran'ny olona ao an-toerana)
Nanapoaka ny fandarohana baomba an'habakabaka tamin'ny tsanganana iray i Sardar Hussain Bakhtari, Afghan mpisera Facebook iray:
در حمله هوایی نیرو های خونخوار آمریکایی در لوگر تعداد از هموطنانم شهید زخمی شده است
آمریکا هرگز به خیر ملت ما نیست بهتر است مثل که
قشون سرخ از کشور بیرون رانده شود تروریست در کجا است آمریکا کجا را بمباران میکند ملت باید علیه آمریکا
بخیزد و هشدار جدی بدهد
لعنت بر آمریکا شیطان
مرگ بر آمریکا
Nandritra ny fanafihana an'habakabaka lian-dra nataon'ny hery mitam-piadiana amerikana tao Logar, maro tamin'ireo mpiray tanindrazana amiko no lasa maritiora sy naratra. Tsy mahasoa ny tanindrazantsika ny fahatongavan'i Etazonia eo ary ny lalam-pahendrena dia ny manaisotra azy ireo eto tahaka izay efa nataontsika tamin'ny Tafika Mena. Aiza ny mpampihorohoro ary aiza no andatsahan'ny Amerikana baomba? Tokony hanohitra ny fijoroan'i Etazonia eto ny firenena. Ho voaozona anie ny demony Amerika! Matesa ry Amerika!
Hatramin'izao ny ady amin'ny tolona mitam-piadiana ao Afghanistan dia mbola manahiran-kevitra ny Vaomiera Mahaleotena Afghan Misahana ny Zon'Olombelona (AIHRC) sy ny Firenena Mikambana izay samy nanameloka ny fahamaroan'ny sivily maty. Nandrakitra ny UNAMA fa niakatra 43 isanjato ny sivily voa nateraky ny hetsika an'habakabaka tao Afghanistan nandritra ny enimbolana voalohany amin'ny taona 2017.
Ny paikadin'i Etazonia vaovao hiadiana amin'ny fampihorohoroana ao Afghanistan dia mifantoka amin'ny fanohanana an'habakabaka ataon'ny vondro-tafika Amerikana amin'ny Herim-Piarovam-Pirenena sy Filaminana Afghan (ANDSF). Araka ny tatitra nataon'ny Reuters, nanomboka tamin'ny fotoana nandraisan'i Trump ny asa tamin'ny Janoary 2017 ka hatramin'ny 20 Aogositra, dia efa nisy 2244 ny isan'ny fanafihana an'habakabaka, ambonin'ny daroka miisa 1074 nandritra ny taona 2016 iray manontolo.
Araka ny paikadin'i Etazonia vaovao, vondrona efatra samihafa no lasibatr'izany fanafihana izany: ny Taliban, ny Tambajotra Haqqani, Ny Faritany Islamika Khorasan (IS-KP), ary ny al-Qaeda.
Efa fahita mahazatra moa ny fahafatesana sivily rehefa mampiasa ireo tanànakely ireo ho fialofana ny vondrona mpioko toy ny Taliban.
Tamin'ny volana novambra tamin'ny herintaona, nahafaty sivily 30 sy naharatra olona 25 ny fanafihana an'habakabaka ataon'i Etazonia tany amin'ny faritany avaratra ao Kunduz, izay niteraka fahatezerana tao Afghanistan. Herintaona talohan'izany, nalaza ratsy ho nahavoa hopitaly iray itsaboan'ny Medecins Sans Frontieres (MSF) tao amin'io faritany io ihany, ka nahafaty sivily 42, ahitana marary sy mpitsabo tao amin'ny Foiben'ny Fitsaboana Takaitra ao amin'ny Hopitaly, ny daroka an'habakabaka nataon'ny tafik'i Etazonia.
Tao anatin'ny 12 taona voalohany nananihan'i Washington ny firenena, farafahakeliny mariazy valo no nodarohan'ny miaramilan'i Etazonia baomba. Aorian'ny fandarohana baomba tahaka izany no ilazan'ny mponina malahelo sy tezitra fa fanahy iniana mihitsy ilay fanafihana.
Tsy mety ho resy ny fitomboan'ny fiokoana ao Afghanistan raha tsy misy fanohanana avy amn'i Etazonia sy avy amin'ny OTAN, izay nampanantena hampiasa vola 7 miliara dôlara amin'ny Tafika an'Habakabaka Afghan Air ao anatin'ny efa-taona.
Saingy araka ny fandehan'ny fotoana, very tao amin'ny “fo sy sain'ny” Afghan ny fanjerana baomba amin'ny alalan'ny fiaramanidina mahafaty sivily izay lazain’i Washington ho itolomany.