Afganistana: Nahena Ho 20 Taona Ny Sazin'i Sayed Pervez Kambakhsh

(Marihina fa tamin'ny 22 Oktobra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mba tsy fanamelohana ho faty aloha no azony tamin'izany :

An Afghan appeals court overturned a death sentence Tuesday for a journalism student accused of blasphemy for asking questions in class about women's rights under Islam. But the judges still sentenced him to 20 years in prison.

The case against 24-year-old Parwez Kambakhsh, whose brother has angered Afghan warlords with his own writing, has come to symbolize Afghanistan's slide toward an ultraconservative view on religious and individual freedoms.

Namadika ny fanamelohana ho faty ho an'ilay mpianatra mpanao gazety voampanga ho naniratsira fivavahana tamin'ny fametrahana fanontaniana tao am-pianarana momba ny zon'ny vehivavy araka ny Islamo ny Fitsarana Avo ao Afganistana. Saingy mbola nanameloka azy 20 taona an-tranomaizina ny mpitsara.

Nanamarika ny fivoaran'i Afganistana manoloana ny fomba fijery tena mpandala ny mahazatra momba ny fivavahana sy ny fahalalahan'ny tsirairay ny raharaha hanenjehana an'i Parwez Kambakhsh, 24 taona, izay fantatra ihany koa fa nahatezitra ireo lehiben'ady tamin'ny alàlan'ny asasoratra nataony ny rahalahiny .

Nisy ihany anefa ny vavolombelona iray izay nilaza fa norahonana izy mba hanao fijoroana vavolombelona manohitra an'i Kambakhsh tamin'ny fitsarana azy voalohany tamin'ny volana Janoary. Amin'izao fotoana izao, manefa sazy 20 taona ao amin'ny fonja malaza ratsin'i Pul-i Charkhi noho ny heloka bevava “fanontaniana am-panoherana ny finoana Islamo” i Kambakhsh, 24 taona.

Ny fonjan'i Pul-i Charkhi, any atsinanan'i Kabul. Eto ny Google Map

Notaterin'ny Global Voices sy Global Voices Advocacy teo aloha ny raharaha mikasika an'i Kambakhsh .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.