Bitsibitsika Afghana: Lesona Hampianarina & Hianarana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Mey 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mahaliana fa mahita ireo firenena vahiny tahaka an'i Iran sy Iraka ireo bilaogera Afgana ary miezaka mianatra sy mampianatra lesona momba ny fandriampahalemana sy ny hafaliana.

AfghanWarrior manome soso-kevitra ho an'ny olona ao Iraka mba hanaraka ny ohatr'i Afghanistan ka handrisika ireo mpikomy mba hametraka fitaovam-piadiana. Nanoratra izy:

“The Afghan government started a peace and reconciliation program last year and offered amnesty for those Taliban and warlords who wanted to lay down their weapons and join the government. This program was very successful and for the last one year more than one thousand anti-government forces joined this program. So if the new Iraqi government starts the same program, I am sure many insurgents will lay down their weapons and join this program, and it will be for the benefit of the Iraqi people. The people of Iraq elected their government and parliament and I hope now that they work hard for their unity and forget Sunni or Shiite – they are all Muslims from one country and they are one nation and there should not be any difference between them, and if they keep their unity soon they will defeat the rebels and make a great country.”

“Nanomboka fandaharan'asa fandriampahalemana sy fampihavanam-pirenena ny governemanta Afgana tamin'ny herintaona ary nanome famotsoran-keloka ho an'ireo Taliban sy lehiben'ady te hametraka ny fitaovam-piadiany ary hanatevin-daharana ny governemanta. Nahomby tokoa ity fandaharan'asa ity ary nandritra ny herintaona mahery, mihoatra ny arivo ireo tafika manohitra ny governemanta nanatevin-daharana ity fandaharan'asa ity. Ka raha manomboka manao tahaka izany koa ny governemanta Irakiana vaovao, mino aho fa maro ireo mpikomy hametraka ny fitaovam-piadiany ary handray anjara amin'io fandaharana io, ary ho tombontsoan'ny vahoaka Irakiana izany. Nifidy ny governemantany sy parlemanta ny vahoaka ao Iraka ary manantena aho ankehitriny fa hiasa mafy ho amin'ny firaisankinany izy ireo ary hanadino ny maha-Sonita na Shiita – Silamo avy amin'ny firenena iray avokoa izy ireo ary firenena iray izy ireo ka tsy tokony hisy ny fahasamihafana eo amin'izy ireo, ary raha mitazona ny firaisany izy ireo, tsy ho ela dia ho resiny ireo mpikomy ary hatanjaka ny firenena. “

Nikobad (Persiana) milaza fa ohatra tsara tokony harahana ny fanapahan-kevitr'i Ahmadinejad hamela ny vehivavy handeha eny amin'ny kianja mba hijery baolina kitra. Milaza izy fa mila fahalalahana ny vahoaka saingy tsy momba ny gazety na fampahalalam-baovao ny fahalalahana tena lehibe indrindra fa momba ny hoe miaina fiainana malalaka. Nilaza Hoy koa izy fa mbola tsy mandeha any amin'ny sinema na kianja  ny vehivavy any Afganistana.

Afghanistan Lord nanoratra momba ny tsy fahaiza-mitantana ao amin'ny firenena izay loharanon'ny olana. Hoy ilay bilaogera hoe:

“People are all aware what is going on in this country. People aware of ANA (afghan national army) and police authorities who directly involved in poppy smuggling and mafia. The interior ministry bases and police bases are diverted to base of smuggling. The mechanism of new management and changes has made no sense in decreasing the number of victims against insurgents in the country. However they are trying to deny their inaccuracies but among the people this is not something like not hide from view. The victim increasing due to lack of an organized management and mechanism.”

Mahafantatra ny zava-mitranga eto amin'ity firenena ity ny vahoaka. fantatry ny vahoaka ny ANA (tafika nasionalista Afgan) sy ny manampahefan'ny polisy izay nandray anjara mivantana tamin'ny fampidirana “kôkelikô” an-tsokosoko sy ny mafia. Navadika ho toby fampidirana entana antsokosoko ny tobin'ny minisiteran'ny atitany sy ny tobin'ny polisy. Tsy misy dikany ny rafitry ny fitantanana vaovao sy ny fanovana vaovao raha hampihena ny isan'ireo lasibatry ny mpikomy ao amin'ny firenena. Na izany aza, miezaka mandà ny tsy fahamendrehany izy ireo saingy ho an'ny vahoaka, tsy toy ny zavatra afenina akory izany. Mitombo ny lasibatra noho ny tsy fisian'ny rafitra sy fitantanana mirindra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.