Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

16 Oktobra 2017

Tantara tamin'ny 16 Oktobra 2017

Jamaika: Vetivety Dia Mahazo Dolara Amin'ny Fanatsarana Ghetto

Naka sary ireto zatovovavy ireto i Ria Bacon tamin'ny Desambra 2006 tao amin'ny Lalàna Barbican tany Kingston, Jamaika. Araka ny fanazavany tao amin'ny bilaoginy hoe:.......

Hong Kong: Ny Fihaonambe Wikimedia Shinoa

Natao tao Hong Kong ny Fihaonambe Wikimedia Shinoa ny faran'ny herinandro lasa teo (26-27 aogositra 2006). Nahitana ny lahateny fototra nataon'i Jimmy Wales, mpanorina sady mpitarika ny Filankevi-pitantanan'ny Orina Mpanasoa Wikimedia ny fihaonambe naharitra roa andro, sy ireo lahavolana sy fivoriana hafa nataon'ireo mpanatrika ny fihaonambe avy any amin'ny faritra

Iran: Nifandona Tamin'ny Mpitandro ny Filaminana Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tamin'ny Tsingerintaonan'ny Fifidianana

Nilaza ireo vavolombelona tao Teheran fa nipoaka tamin'ny Asabotsy ny fifandonana teo amin'ny mpitandro filaminana Iraniana sy ny mpanao fihetsiketsehana mankalaza ny tsingerintaona voalohan'ny fifidianana filoham-pirenena tao amin'ny toerana lehibe.

Iran: Manao Fihetsiketsehana Manerantany Ny Iraniana

Raha maro ireo vavolombelona tao Teheran nilaza fa nipoaka ny fifandonana lehibe teo amin'ny mpitandro ny filaminana Iraniana sy ny mpanao fihetsiketsehana mankalaza ny tsingerintaona voalohan'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 jona, nisy ihany koa ny hetsi-panoherana nitranga tany amin'ireo tanàna maro samihafa manerantany, tahaka ny tao Ankara, Torkia, Vancouver, Canada.

Feo Avy Ao Zimbaboe

Taorian'ny tatitra vao haingana nilaza ny fihenan'ny fihanaky ny VIH/SIDA ao Zimbaboe, nifantoka tany amin'ny fiantraikan'ny fanentanana iadiana amin'ny SIDA eo amin'ny fitondran-tena sy ny soatoavina nentim-paharazana Zimbaboeana ny maso ankehitriny.

“Fifandonana sy Rà Latsaka no Hany Mahaliana ny Media”

NewsFrames

Ady, fifandonana ary rà latsaka no hany mahaliana ny media ny mitatitra azy, ary tsy raharahainy izay lohahevitra hafa manandanja aminay ihany koa. Ao Sarayaku, anokananay ezaka betsaka tokoa ny fampahafantarana ny Kawsay Sacha, tolokevitray ho aminà fomba fiaina iray vaovao izay anasàna ny olona ho tsara fihavanana amin'ny tontolo...

Iràna: Dr. Hesam Firouzi, Bilaogera Iray Hafa Naiditra Am-ponja

Ilay bilaogera sady mpitsabo, Dr. Hesam Firouzi, no nahazo tsilian-tsofina tsy ela akory izay, tamin'ny alàlan'ny mpisolovava azy, momba ny fahafatesan'ilay bilaogera, Omid Reza Mir Sayafi tany am-ponjan'i Evin tao Teheràna. Nilaza izy fa nanaitra ireo manampahefana miandraikitra ny fonja mba hoalefa hamonjy hopitaly ilay gadra miady amin'ny fahafatesana, saingy...

Hamonjy MozFest na Misinfocon ve? Miaraha Aminay!

Rising VoicesBlaogim-Piarahamonina GVNewsFrames

Ao anatin'ilay MozFest 2017 hatao ato ho atao ao Londona, hasehon'ireo topimason'ny GV ny ezaka ataonay ary tianay ny mba hahita anareo any raha any an-toerana ianareo

Ireo Bilaogera Eveka Any Filipina

I Filipina no hany firenena manana Katolika betsaka any Azia. Ankoatra ny famoahana toriteny avy eny amin'ny polpitra na ny famoahana ny taratasy pastoraly,  mifandray amin'ny mpino mahatoky azy amin'ny alàlan'ny tontolon'ny aterineto ny klerjy.

Iran: Bilaogera Roa sy Mpitarika Mpianatra Mitokona Tsy Mihinan-kanina Any Am-ponja

Mitokona tsy mihinan-kanina hanoherana ny fepetra ao am-ponja sy hiarovana ny zony ireo bilaogera roa sy mpikatroka mpianatra malaza iray any am-ponja Iraniana, izay nesorina tamin'izy ireo ny penina sy ny bilaogy.