Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Hamonjy MozFest na Misinfocon ve? Miaraha Aminay!

Loharano: Mozilla Blog (CC BY-SA 3.0)

Ao anatin'ilay MozFest 2017 hatao ato ho atao ao Londona, hasehon'ireo topimason'ny GV ny ezaka ataonay ary tianay ny mba hahita anareo any raha any an-toerana ianareo na akaikikaiky. Mbola eo an-dalam-panadiovana ny tranonkala ofisialy – manaraha tsy tapaka! – fa ireto aloha ny sasantsasany amin'ireo hetsika efa fantatra :

    • Zoma, 27 Oktobra, Foara Takarivan'ny Siansa: jereo ao ny fiasan'ny angondrakitra vaovaon'ireo Feo Voarahona (Threatened Voices)!

 

 

Ny sasany aminay dia hanatrika ihany koa ny Misinfocon London izay hanomboka mialoha kelin'io, ny Alarobia 25 Oktobra.

Raha misimisy amintsika no any amin'ny manodidina, tianay indrindra ny hahafantatra raha misy fotoana afaka hiarahana ao anatin'ilay endrika GV miravoravo.

Araka izany, ampahafantaro anay ary aza misalasala mizara raha misy fotoam-pivoriana fanampiny ho asehonareo rehetra ihany koa! Hojerenay izay fomba hifandraisantsika tsy tapaka momba an'io. 🙂

Miandrandra fatratra ny hahita ny sasany aminareo any!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.