Hong Kong: Ny Fihaonambe Wikimedia Shinoa

(Marihina fa tamin'ny 28 Aogositra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)
(Left to right) Edmon Chung, Christine Loh, Sin Chung-Kai, Jimmy Wales, and Charles Mok

Natao tao Hong Kong ny Fihaonambe Wikimedia Shinoa ny faran'ny herinandro lasa teo (26-27 aogositra 2006). Nahitana ny lahateny fototra nataon'i Jimmy Wales, mpanorina sady mpitarika ny Filankevi-pitantanan'ny Orina Mpanasoa Wikimedia ny fihaonambe naharitra roa andro, sy ireo lahavolana sy fivoriana hafa nataon'ireo mpanatrika ny fihaonambe avy any amin'ny faritra. Lohahevitra noresahina ny votoaty, ny teknolojia, ny olana ara-pananganan-dalàna sy ara-tsiansa sosialy manodidina ny tetikasa Wikimedia.  Nahitana ny Mpanolotsainan'ny Mpanao lalàna, Atoa Sin Chung-Kai, Rtoa. Christine Loh, sns ireo mpandahateny hafa nasaina.

Nitanisa ny gazety tao an-toerana izay nisafidy ny hanao tatitra fa tsy hitatitra momba ny fihaonambe i Chihiro avy ao amin'ny inmediahk.net, ary niezaka namaky ny tao anatin'ny natiorany : manana tokotany fanohanana ny governemanta Shinoa (zh) ny ankamaroan'izy ireo.

Namahana bilaogy momba ny fahitany ireo mpandray anjara i Yeahayeah sy ny fahadisoam-panantenany tamin'ny fihaonambe:

總括而言,見到的有幾類人:一是認為wiki之類的事物已把世界的屁股調上頭頂(反之亦然),甚至對免費的東西都閃出了business model光芒而激動不已;二是沉醉在wiki和相關技術有無限熱情的科技孩子;三是對百科全書的世界和維持百科全書秩序有高度要求甚至苛求的管理者。

“Amin'ny ankapobeny, nahita ny karazan'olona toy izao manaraka izao aho: ny karazany voalohany dia ireo izay nihevitra fa nanakorontana izao tontolo izao ny wiki , liana amin'ny  mety ho fivoaran'ny karazana tolotra maimaim-poana toy izany ho maodely ara-barotra izy ireo ; ny faharoa dia ireo ankizin'ny teknolojia izay liana amin'ny wiki sy ny karazana teknolojia hafa; Ny karazany fahatelo dia ireo izay tena mpitantana hentitra mikasa ny hihazona ny filaminan'ny wikipedia. “

Diso fanantenana izy indrindra tamin'ny adihevitra momba ny olan'ny sivana raha nilaza fotsiny ny mpandahateny fa fahefan'ny governemanta Shinoa feno izany, tamin'ny farany:

有個天真無邪只求wiki横掃中原的小朋友,提議不如把政治敏感的內容都刪掉…

” Nanolo-kevitra ny famafana ny teny saropady ara-politika rehetra ny zaza tsy manan-tsiny, izay mitady fotsiny ny wiki hanangana ny fibahanan-toerany ao Shina.”

Namahana bilaogin-tsary vitsivitsy ary nanome rohy tsy nisy fanehoan-kevitra maro i Charles Mok, iray amin'ireo mpandahateny avy any Hong Kong.

Namahana bilaogy momba ny zava-misy izay voarainy avy amin'i Jimmy Wales i Chiao, avy any Taïwan, sy ny fahitany momba ireo Wikipédiana ao Hong Kong :

HK Wikipedian is very, very young. High school kids, many of them.

Tena tanora mihitsy ny Wikipediana HK. Maro amin'izy ireo no ankizy avy amin'ny lisea.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.