Ireo Bilaogera Eveka Any Filipina

(Marihina fa tamin'ny 8 Aogositra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

I Filipina no hany firenena manana Katolika betsaka any Azia. Mbola mitana ny fiantraikany lehibe eo amin'ny fiainan'ny Filipiana ny Fiangonana. Ankoatra ny famoahana toriteny avy eny amin'ny pilipitra na ny famoahana ny taratasy pastoraly,  mifandray amin'ny mpino mahatoky azy amin'ny alàlan'ny tontolon'ny aterineto ny klerjy. Mamelà ahy ianareo hanolotra ireo bilaogera Eveka ao Filipina.

Mpikatroka Kristianina manohitra ny filokana sy ny kolikoly eo amin'ny fiarahamonina ny Arseveka Oscar Cruz avy any avaratr'i Filipina, amin'ny alàlan'ny bilaoginy, Viewpoints. Amin'ny maha mpitsikera azy tsy mitsahatra ny fitondrana ankehitriny, dia lasa mpitondra ny feon'ireo mpanohitra izy.  Nanameloka ny fanentanana faikany manohitra ny fahantrana ataon'ny governemanta izy tao amin'ny bilaoginy farany.

“Promise them much but keep them poor. Picture to them their abundant future but keep them hungry. Meantime, assiduously observe the noodle economy—plus some rice and medicine grants. Every now and then. And they sing the praises of their leader. The only disturbing question is how long and how far could such a cruel gimmick work?”

“Manome fanantenana bebe kokoa ho azy ireo kanefa mampahantra azy hatrany. Mampiseho azy ireo ny hoaviny be dia be, saingy mamela azy ireo ho noana. Mandritra izany fotoana izany, mavitrika manara-maso ara-toekarena ny paty—miampy vary sy fanomezam-panafody. Matetitetika. Ary mihira ny deran'ny mpitondra azy izy ireo. Ny hany fanontaniana manahiran-tsaina dia ny hoe mandra-paoviana sy hatraiza ny asa fandrika mamono olona tahaka izany ? “

Reflections no bilaogin'ny Arseveka Angel Lagdameo, ny lehiben'ny Fihaonamben'ny Eveka Katolika tena matanjaka ao Filipina. Tao amin'ny bilaogin-dahatsorany vao haingana, niaro ny fanapahan-kevitry ny pretra sasany izy izay nanampy ny miaramila mpikomy .

Mamahana bilaogy amin'ny alàlan'ny Dialogues ny Arseveka Fernando Capalla ao atsimon'i Filipina . Pastoral Companion no blaogin'ny Eveka Antonio Ledesma. Bilaogera ihany koa ny Arseveka Orlando Quevedo amin'ny alalan'ny Perspectives.

The Meaning indray dia an'ny Eveka Jose Manguiran. Araka ny voalazan'ny bilaogera Eveka, “Rehefa manomboka sy mifarana miaraka amin'i Kristy ihany ny fiainana no misy dikany “.

Tidbits no bilaogin'ny Eveka Leonardo Medroso. Nidera ny laika tao amin'ny bilaogin-dahatsoratra iray izy ary nitantara ny fomba hanamafisan'ny Fiangonana ny heriny eo amin'ny fiarahamonina:

“They are unrecognizable, faceless people in the crowd, inconspicuous in society. But they are carrying within themselves the Christian faith to which they are deeply committed. These are the lay men and women of the Catholic Church in the Philippines. Because of this faith, they are there in the halls of Congress listening attentively to the discussions and deliberations regarding reproductive health, marriage, population control. They can be seen in the corridors of congress, entering the offices of senators and congressmen, talking with them, explaining, elucidating, clarifying, arguing for the pro-life stance of the Church on the issues of marriage and family life.”

“Olona tsy fantatra sy tsy miseho endrika ao anaty vahoaka izy ireo, ary miafina eo amin'ny fiarahamonina. Saingy mitondra ny finoana Kristiana izy ireo izay tena nanoloran'izy ireo tena. Ireo no lehilahy sy vehivavy laika ao amin'ny Fiangonana Katolika ao Filipina. Noho ny finoany, ao amin'ny efitranon'ny Kongresy izy ireo mihaino tsara ireo adihevitra sy ny fanapahan-kevitra momba ny fahasalamana ara-pananahana, ny fanambadiana, ny fanaraha-maso ny mponina. Hitanao eny amin'ny làlantsaran'ny kongresy izy ireo, miditra ny biraon'ny senatera sy ny kongresy, miresaka amin'izy ireo, manazava, mamelabelatra, manazava, manome hevitra avy amin'ny fomba fijerin'ny Fiangonana mikasika ny fanoherana ny fanalan-jaza, momba ny fanambadiana sy ny fiainam-pianakaviana. “

Mandritra izany, nanoratra lahatsoratra ho an'ny andavan'androm-pirenena ny Eveka Teodoro Bacani .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.