(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona 2010 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)
Nilaza ireo vavolombelona tao Teheran fa nipoaka tamin'ny Asabotsy ny fifandonana teo amin'ny mpitandro filaminana Iraniana sy ny mpanao fihetsiketsehana mankalaza ny tsingerintaona voalohany ny fifidianana filoham-pirenena tao amin'ny toerana lehibe. Na dia teo aza ny fangatahan'ireo olo-malaza mpitarika mpanohitra mba hanafoana ny fihetsiketsehana, toa mbola nanao fihetsiketsehana teny amin'ny toerana vitsivitsy ihany , anisan'izany ireo oniversite, ireo Iraniana hanoherana ny fitondrana Repoblika Islamika indray.
Nisy mpitandro ny filaminana marobe tao amin'ny kianjan'i Ferdowsi ao afovoan-tanànan'i Teheran:
https://youtube.com/watch?v=me2bReYzPxk
Behdabra nanoratra tao amin'ny Friendfeed fa nifandona tamin'ny mpitandro ny filaminana tao amin'ny araben'i Vali Asr ao Teheran ireo mpanao fihetsiketsehana, ary nandoro fanariam-pako.
Adihevitra momba ny isan'ireo mpanao fihetsiketsehana
Raha nilaza ny Iran Green fa 1000 tamin'ireo mpianatra avy ao amin'ny Oniversiten'i Teherab no nifandona tamin'ny mpitandro ny filaminana, namela fanehoan-kevitra ny mpamaky iray hoe “Nahoana isika no mandainga, lasa tahaka azy ireo [governemanta islamista] isika. Teo aho ary teo amin'ny 50 ny olona tao. “
Mandritra izany, nikarakara fihetsiketsehana tany amin'ny tanàna 70 manerantany ny United4Iran, tambajotra iraisam-pirenena tsy mitanila ahitana Iraniana sy tsy Iraniana sady mpikatroka ny zon'olombelona.
Fanoherana tao amin'ny Oniversiten'i Sharif ao Teheran
Mpanao fihetsiketsehana nihiaka ny Allaho Akbar (Lehibe Andriamanitra).