Iran: Bilaogera Roa sy Mpitarika Mpianatra Mitokona Tsy Mihinan-kanina Any Am-ponja

(Marihana fa efa tamin'ny volana Mey 2010 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Nivoaka tamin'ny blaogy maro ity afisy ity. Milaza hoe be herimpo i Majid Tavakoli amin'ny adiny amin'ny tsirefesimandidy.

Mitokona tsy mihinan-kanina hanoherana ny fepetran'ny fonja sy hiaro ny zony ireo bilaogera roa sy mpianatra mpikatroka malaza iray any am-ponja Iraniana, izay nesorina tamin'izy ireo ny penina sy ny bilaogy.

Majid Tavakoli ilay mpianatra, mpikatroky ny zon'olombelona malaza, ​​ary ireo bilaogera roa kosa dia i Hussein Ronagh Melki, sy Koohyar Godarzi.

Hussein Rongah Melki (fantatra ihany koa hoe “Babak Khoramdin”) no iray amin'ireo mpikatroka aterineto ao ambadiky ny Iran Proxy miady amin'ny fanivànana tranonkala. Nibilaogy momba ny zon'olombelona sy ny fiarahamonim-pirenena izy.

Rehefa voasambotra i Tavakoli tamin'ny volana Desambra, nalain'ny manampahefana sary niaraka tamin'ny fitafiam-behivavy izy hiezahana hanalana baraka azy. Ho fanehoana fanohanana, Iraniana tsy tambo isaina no naka sary ny tenan'izy ireo nitafy hijab sy nanolo ny sary famantaran'azy ireo tao amin'ny Facebook.

Ny lahatsoratra farany tao amin'ny bilaogin'i Kouhyar Godarzi tamin'ny Aprily 2008 dia miantso ny mpamaky mba hanampy amin'ny fampiatoana ny famonoana ho faty.

Taorian'ny fifidianana filoham-pirenena Iraniana notoherina tamin'ny volana Jiona tamin'ny taona lasa teo, nanasazy ny hetsi-panoherana ny governemanta Iraniana ary nisambotra mpitarika ara-politika sy fiarahamonina sivily an-jatony, anisan'izany ireo mpikatroky ny zon'olombelona, ​​bilaogera sy mpanao gazety.

Nanomboka ny fitokonany tsy hihinan-kanina i Majid sy Hussein tamin'ny 23 May. Araka ny filazan'ny Radio Free Europe / Radio Liberty, nahatonga ireo mpikatroka ny zon'olombelona sy manam-pahaizana ao Eoropa, Etazonia, Kanada ary Aostralia mba hanambara firaisankina fitokonana tsy hihinan-kanina ny vaovao momba ny fitokonana tsy hihinan-kanina nataon'i Majid Tavakoli.

Bilaogera Iraniana Sight nanoratra hoe:

Stop your hunger strike Majid. I am not deserving of you to sacrifice your life for me. If you would not be here, I do not want the Spring. Stay with us Majid, stay.

Atsaharo ny fitokonanao tsy misakafo Majid. Tsy mendrika hanaovanao sorona ny ainao aho. Raha tsy eto ianao, tsy mila ny Lohataona aho. Miaraha aminay Majid, miaraha aminay.

Marjan Tehran nanoratra hoe:

Majid should not be forgotten. From the moment he came to the university until he was arrested, he struggled {for freedom] now it's his friends and campaigners’ turn to do their best and not to forget him.

Tsy tokony hadinoina i Majid. Niady ho an'ny fahalalahana izy nanomboka tamin'ny fotoana nahatongavany tany amin'ny anjerimanontolo mandra-paha voasamboatra azy, ankehitriny, anjaran'ny namany sy ny mpiara-dia aminy no miezaka manao izay vitan'izy ireo ary tsy hanadino azy.

Nanagadra bilaogera maromaro tao anatin'ny taona vitsy lasa ny manampahefana Iraniana, ka anisan'izany i Hossien Derakhshan izay mbola any am-ponja.

Omid Reza Mir Sayafi, 29 taona, bilaogera Iraniana sady mpanao gazety kosa namoy ny ainy tany am-ponjan'i Evin ao Tehran tamin'ny 18 Martsa 2009.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.