Tantara tamin'ny Novambra, 2016
“Manisaka ny Fanahin'i Madagasikara, ny Mponiny, ny Vovonan'ny Frankôfônia”
Mandany volabe i Madagasikara amin'ny fanomanana ny fihaonana an-tampony, fa miaina ao anatin'ny fahatrana hatrany ny vahoaka.
Talen'ny Fahasalamana ao Alep Atsinanana: Noho ny Fanafihana Tsy An-kiato Dia Tsy Azo Ampiasaina Intsony ny Hopitaly
Raha ny fitondràna Siriana sy ny governemanta Rosiana manohy ny fanafihany an'i Alep Atsinanana iharan'ny fahirano, nanao fanambaràna ny Sampandraharaha misahana ny Fahasalamana ao Alep Atsinanana hoe tsy misy azo ampiasaina intsony ireo hopitaly sisa tavela tao Alep.
Manenjika Ireo Piraty An'Aterineto I Okraina
Nanambara tamin'ny Alarobia ny EX.UA, tolotra fifampizarana rakikira malaza indrindra ao Okraina, fa hitsahatra amin'ny asany noho ny fankatoavana ny lalànam-pirenena vaovao miady amin'ny piraty.
Novonoin'ny Manampahefana Shinoa Ara-Pitsarana Noho ny Raharaha Vono Olona Ilay Maherifom-Bahoaka Nanohitra ny Fakàna An-keriny Ny Taniny
"Tsy mpamono olona izy ... Nandray ny anjara toerany hiaro ny fianakaviany fotsiny izy. Saingy nandrava ny tranon'ny vahoaka shinoa ny fiaramilina mpandroaka tany… "
Mety Hampidi-doza an'i Iran Ny Fifanakaikezan'ireo Mety ho Mpikambana Kabinetran'i Trump Amin'ireo Mpanandratra Olon'ny MEK
Mety hiteraka fiovan-kevitra mampatahotra an'i Etazonia tarihin'ny filoha voafidy Donald Trump manoloana an'i Iran ny fahitana ny fifanakaikezan'ireo olobe sasantsasany ao aminy amin'ireo vondrona mpitolon'ny MEK.
Fisintonana Vola Taratasy Ambony Sanda Niteraka Saritaka Tany India
"Eritrereto koa ny mpiasa an-trano, mpamily. Izy ireo koa dia mandray ny karamany amin'ny vola Rs 500. Antenaina fa manana fandaharanasa sosialy goavana ny Governemanta."
Mpitsikera Sarimihetsika Omani Nampidirina Am-ponja Noho Ireo Lahatsoratra Tao Amin'ny Facebook
"Raha mbola misy ny olombelona manararaotra olombelona dia misy ireo nofy revolisionera , ary hanangana ny hoavy ny nofy."
Manomboka Mandrava Ny Tora-pasika An-tanandehibe Sisa Tavela i Beirota
Taitra ireo mponina ao Beirota tamin'ny asabotsy rehefa nanomboka nivezivezy tao amin'ny media sosialy ny sary mampiseho ny morondranomasina ho an'ny daholobe ao -tanàndehibe sisa farany , Ramlet El Bayda potehin'ny fitaovam-panorenana goavana.
Manempotra An'i Tehran Indray ny Setroka
Ao anatin'ny setroka ny renivohitr'i Iran, nahazo tsiny avy amin'ireo mpitrifana ny fitondrana.
Mamoaka Ny Miafina Amin'ny Sivana Amin'ny Media Sosialy — Amin'ny Teny Arabo, Espaniola Ary Anglisy
Amin'ny fisian'ny teny hafa ankoatra ny Anglisy ao amin'ny tranonkala onlinecensorship.org, manantena ireo mpanorina ny tranonkala fa hampitombo ny "fahasamihafàna" ao amin'ny lahatahiry avy amin'ny vahoaka (crowdsourced data).