Mety Hampidi-doza an'i Iran Ny Fifanakaikezan'ireo Mety ho Mpikambana Kabinetran'i Trump Amin'ireo Mpanandratra Olon'ny MEK

Maryam Rajavi, Mpitarika ny MEK, azo sary eto nandritra ny fivoriana tao Paris, mpiara-dalana akaiky amin'ireo voahonohono fa ho ao amin'ny kabinetran'i Donald Trump. SARIPIKA: Valam-bahoaka
Vitsy tamin'ireo vondron'olona fakan-kevitra sy manampahaizana manokana momba ny politika ivelany avy ao New York sy Washington no nanohana an'i Trump na ny nihevitra akory aza fa mety ho voafidy izy. Ankehitriny efa miraraka ny vovokoa ary hifindra monina tsy ho ela ao amin'ny Trano Fotsy ilay mpanankarembe mpandrendri-bahoaka ary dia mandeha daholo ny tombatombana amin'izay ho endriky ny politika ivelany hotanterahiny.
Ny tena mahasarotra ny fitarafana mialoha izay hataon'i Trump dia efa nalaza tamin'ny famadibadihana palitao iry miliaridera 70 taona ity. Tsy tena manana ideolojia elatra ankavanana loatra izy, fa mahay manararaotra amin'ireo andian-javatra lazaina ho lavitry ny “fametrahan-dalàna (politika)” satria fantany fa hainy tsara ny milalao ireo olona ifoton'ny elatra ankavanana. Talohan'ny taona 1987 izy dia nisoratra anarana ho Demaokraty, nialoha ny nifindrany ho ao amin'ny antoko Repoblikana, avy eo nankao amin'ny elatra havanan'i Antokon'ny Refôrma an'i Ross Perot, avy eo niverina indray tao amin'ny Demaokraty, ary—taorian'ny fandresen'i Obama—niverina tao amin'ny Repoblikana indray.
Nandritra ny fanentanana nataony ihany koa dia manjavozavo sy mivadibadi-kevitra izy amin'ny lohahevitra lehibe. Amin'ny fifotorany amin'ny lazan'i Hillary Clinton ho voromahery sy ny tsy fitiavan'ny vahoakan'i Etazonia intsony ny fitsabahana ara-miaramilan'ny fireneny any an-kafa, dia matetika i Trump no maka fijoroana mitoka-monina, izay indrisy nahafitaka na dia ireo avy amin'ny elatra ankavia sasantsasany aza izay milaza azy ho “tsy mampatahotra kokoa” amin'izao tontolo izao noho ny mpifaninana aminy. Saingy amin'ny lohahevitra lehibe dia matetika izy no mitady firotsahan'ny miaramila bebe kokoa fa tsy kely kokoa.
Notenenin'i Trump ny hampakarana ny tetibolan'ny tafika sy ny hanamafisana ny ady amin'ny ISIS. Raha nitaky izy tamin'ny voalohany ny hametrahana miaramila an-tanety an'i Etazonia miisa 20 ka hatramin'ny 30.000, dia nihemotra tamin'ny heviny izy avy eo ary nilaza fa i Arabia Saodita no tokony hanome ireo miaramila ireo. Nisy ny fitoana nilaza izy fa fahadisoana ny ady notohanan'ny Firenena Mikambana tao Afghanistan, nefa nisy ny fotoana nilazany fa nanohana ny fanaovana izany izy. Nisy ny fotoana nilaza izy fa tohanany ny fanesorana ny mpitondra ny firenena Mouammar Kaddhafi tamin'ny ady notohanan'ny Firenena Mikambana tao Libya, saingy niovaova hevitra hatrany izy avy eo momba io raharaha io.
Tsara kokoa ny miteny fa tsy misy afaka ny mahalala ny fomba itondran'i Trump ny politika ivelany. Efa hita ho mivoatra izany ankehitriny rehefa hitahita ankehitriny fa hipetraka eo amin'ny sezan'ny biraon'ny olona manana ny hery lehibe indrindra eto ambonin'ny tany ny filoha voafidy.
Fa filazana mialoha tahaka ny ahoana ary no azo atao amin'ny politikan'ny fitondram-panjakan'i Trump manoloana an'i Iran?
Na dia efa nampanantena ny hendrovitra ny fifanarahana amin'i Iran aza izy nandritra ireo adihevitra telo nifanaovan'ireo nifaninana ho filoha, dia nanoritra ny mpanadihady fa “mety” tsy hanao izany izy, indrindra moa fa efa nahazo ny fanohanan'ireo hafa manana hery eto amin'izao tontolo izao tahaka ny Vondrona Eoropeana sy i Rosia, izay mpiara-dia amin'i Tehran nefa efa nolambolamboin'i Trump fotoana maharitraritra ihany izay ny filoha Putin. Etsy ankilan'izany, nanasongadina ilay mpaneho hevitra Israeliana Zvi Bar’el fa raha “holalaovin'i Trump tokoa ny fifanarahana ara-nokleary”, dia hanome vahana an'i Iran izany, satria mety ho afa-manoritra an'i Etazonia ho manitsakitsaka ny fifanarahana izy ka hiantso ny hafa hanampy azy [Iran]. Ny tsy voalaza ihany koa dia hanome vahana ireo Iraniana mahazo toerana ambony ao amin'ny fahefana sady tsy tia fihavaozana no tsy tia ilay fifanarahana ihany koa, izay nahasahy nirona tamin'i Trump ny sasantsasany amin'izy ireo, izany mety ho fihetsika lian'ady izany avy amin'i Trump izany. Ny Mpitarika Faratampon'i Iran, Ali Khamenei, dia efa nivonona ny hanohana ilay mpanakarembe ara-pihariana raha niteny hoe “lazainy ho mpandrendri-bahoaka izy satria miteny ny marina”.
Ny mety hampazava kokoa ny politikan'i Trump dia ny fananganany ny kabinetrany, indrindra fa ireo ho ekipany eo amin'ny fiarovam-pirenena. Eto ireo mpanandrateny hiaro ny fandriampahalemana sy ny demaokrasia ao Iran sy ao Afovoany Atsinanana ny mety hanahy.
Ny roa amin'ireo tena mifaninana indrindra haka ny toeran'ny Sekreteram-panjakana dia ny mpitondratenin'ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Newt Gingrich, sy ny ambasadaoro teo anivon'ny Firenena mikambana teo aloha, John Bolton. Tsy vitan'ny hoe manohana ny fanafihana ara-miaramila an'i Iran sy ny “fanovana fitondrana” ao izy roa tonta ireto, fa samy Amerikana “namana” akaiky indrindra amin'ny sasantsasany avy ao amin'ilay fikambanana mpitolona ara-politika fantatra ho Mojahedin-e-Khalq (MEK) izay saika halan'ny rehetra ao Iran noho ny niarahan'izy ireo tamin'i Saddam Hussein nandritra ny ady nifanaovan'i Iran sy i Iràka.
Ny MEK dia voatondron'i Etazonia ho fikambanana mpampihorohoro mandra-panaisotra azy tao anaty lisitra tamin'ny taona 2012. Taorian'ny nanonganana ny mpiaron'izy ireo, dia i Saddam Hussein, tamin'ny taona 2003, dia tsy nanana hery intsony ilay vondrona ary tsy manana olona fantadaza mendrika haja ao amin'ny politika iraniana ka nanatona azy ireo intsony rehefa voaporofo fa maro ireo fihoaram-pahefana lehibe nataon'io vondrona io nandritra ny taona vitsivitsy.
Manana tantara lava tamin'ny fanohanana ny MEK ihany koa i John Bolton ary matetika no vahiny nasaina tamin'ireo fivoriana nataony. Tamin'ny volana marsa 2015, raha tonga teo amin'ny dingana saropady ny Fifanarahana Ara-Nokleary ifanaovana amin'i Iran [mg], dia niantso amin'ny hanafihana ara-miaramila an'i Iran sy ny “fanohanana maventy avy amin'i Etazonia” ho an'i MEK “ikendrena hanovana ny fitondrana ao Tehran”. Tamin'ny vaninandro mafana [ila-bolantany avaratra] lasa teo, niteny nandritra ny fihaonan'ny MEK tao Paris i Gingrich, teo anilan'i Turki bin Faisal, lehiben'ny sampam-pitsikilovana Saodiana teo aloha. Nandeha lavitra i Gingrich ka niondrika am-panajana teo anoloan'ny mpitarika ny MEK, Maryam Rajavi, niantso azy tamin'ny voninahitra tiany indrindra hoe, “Filoha-voafidy”. Raha nifaninana ny hotendren'ny antoko repoblikana izy tamin'ny taona 2012, dia nilaza mazava i Gingrich amin'ny “hanoloana ny fitarihan'olona ao Iran”, milaza fa azo tanterahina ao anatin'ny taona iray izany.
Koa raha voatendry hanana ny anjara toerana roa lehibe indrindra eo amin'ny fiarovam-pirenena amin'ny fitondrana Trump i Gingrich sy i Bolton, dia hanana ny herim-panintonana indray ve ny fanandratana feno an'i Rajavi?
Misy ihany koa ireo mety ho mpikambana ao amin'ny fitondran'i Trump izay mpitarika ny voromahery anti-Iran. Nomena vola betsabetsaka ihany aid handsome sums to appear at MEK rallies ny Ben'ny tanànan'i New York teo aloha Rudy Giuliani, izay heverina homena ny toeran'ny lehiben'ny fampanoavana (minisitry ny fitsarana) hisehoany amin'ny fivoriana karakarain'ny MEK. Ny governoran'i New Jersey, Chris Christie, mpitarika ny ekipa tetezamitan'i Trump, dia efa nilaza an'i Iran ho “mampidi-doza kokoa noho ny ISIS”. Mike Flynn, izay mety ho sekreteran'ny fiarovana, dia niteny mazava voarakitra manao hoe, “Efa folo taona izao no niadiako tamin'ny Islam, na ny singa iray mandrafitra ny Islam” ary nitaraina momba ny “laingan'i Iran, ny lainga ataony amin'ny lafiny rehetra, ary ny fankahalana tsy miova aloaky ny vavan'izy ireo, isaky ny miteny ry zareo”.
Ny farany fa tsy ny kely indrindra, iray amin'ny mpanohana ara-bola ny fanentanana nataon'i Trump ny tompon'ny casino Sheldon G. Adelson, izay nanohana azy tamin'ny volana mey ka nanome $25 tapitrisa ho an'ny PAC anti-Clinton iray tamin'ny herinandro. Io Adelson io dia fantatra tamin'ny fanandrata-teny hidaroka baomba nokleary an'i Iran. Izy no mpanankarena indrindra faha-25 eto ambonin'ny tany sady mpiara-dia akaiky ny praiminisitra elatra havanan'i Israel, Benjamin Netanyahu, ary mpiara-miombon'antoka akaiky an'i Gingrich, izay notohanany tamin'ny fanentanana 2012. Akaiky dia akaiky an'i Netanyahu i Adelson ka mahavita manome 50 tapitrisa dolara isan-taona ny gazety iray mivoaka maimaim-poana isan'andro, Israel Hayom, izay mamely izay rehetra fahavalon'i Netanyahu ao amin'ny fireneny na avy amin'ny ankavanana izany na avy amin'ny ankavia. Tena mpinamana akaiky tokoa ka raha vao misy ny volavolan-dalàna manohintohina ny Israel Hayom mivoaka ao amin'ny Knesset, antenimieran'i Israely, vitan'i Netanyahu ny manohitra izany hatramin'ny fandravana ny governemantam-piaraha-mitantana tarihiny. Tafajoro ny governemantam-piaraha-mitantana manaraka rehefa nampanantena ireo mpiara-dia aminy fa tsy hametraka volavolan-dalàna mety hanohintohina an'i Adelson amin'ny resaka media.
Miankina amin-javatra maro ny politikan'i Trump manoloana an'i Iran, ary tafiditra amin'izany ny fifandraisany amin'i Moskoa, Riyadh ary Tel Aviv, ny heviny manoloana ny fidiran'ny miaramilan'i Etazonia any Iràka, Syria ary Yemen, ary ny fitakiana ataon'ny Kongesy tarihin'ny Repoblikana, izay manohitra ny Fifanarahana amin'i Iran ny ankamaroany. Saingy tena mampanahy indrindra ny fifandraisana amin'ny MEK, ary ny antony mahatonga ny Iraniana ho mailo ary hilaza ankarihary fa tsy miteny ho an'ny vahoakan'i Iran io fanompoana olona io, ary tsy tena mpanandra-peo hampanjaka ny demaokrasia ao amin'ny firenena ihany koa.
Atombohy ny resaka

Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Febroary 2021 45 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...