Mpitsikera Sarimihetsika Omani Nampidirina Am-ponja Noho Ireo Lahatsoratra Tao Amin'ny Facebook

13579465355_f019a5615a_k

Toeram-pisavan'ny tafika ao Salalah,  renivohitry ny faritra atsimon'i Dhofar any Oman, izay nahitana ireo mpikomy elatra ankavia nanomboka fikomiana manohitra ny lalànan'ny Sultan teo aloha tamin'ny 1962. Toerana fanaovana hetsi-panoherana manohitra ny governemanta ihany koa i Dhofar tamin'ny  taona 2011. Sary: Juozas Šalna.

Tamin'ny 8 Novambra,  nanameloka ilay poeta sady mpitsikera sarimihetsika Abdullah Habib telo taona an-tranomaizina sy lamandy 2000 Omani Rials ( 5200$ Amerikana) ny fitsarana ambaratonga voalohany ao  Muscat, renivohitra Omani, noho ireo lahatsorany tao amin'ny Facebook miresaka fivavahana, politika sy ny zon'olombelona ao amin'ny Sioltanà.

Araka ny Mpanara-mason'ny Zon'olombelona Omani, voaheloka noho ny fitenenan-dratsy, fanamavoana ara-pivavahana, ary “fampiasana ny Aterineto manohintohina ny filaminam-bahoaka,” eo ambany lalànan'ny Teknolojiam-baovao Andininy faha-19 ao amin'ny firenena i Habib .

Abudlah Habib. Photo shared on the Facebook page: Freedom to Omani Intellectual and Writer Abdullah Habib

Abdullah Habib. Sary nozarain'ny pejy Facebook : Fahafahana ho an'ilay manampahaizana Omani sady Mpanoratra Abdullah Habib

Avy amin'ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook no antony nisamborana an'i Habib izay nanao antso ho an'ny governemanta Omani mba hanambara ny toerana nandevenana ireo mpikomy maty nandritra ny ady an-trano tao amin'ny faritr'i Dhofar teo anelanelan'ny taona 1962 ka hatramin'ny taona 1976. Nitady ny hanongana ny fitondran'ny Sultan teo aloha, izany hoe ny rain'ny mpitondra Sultan amin'izao fotoana izao Qaboos bin Said Al Said, avy eo ireo mpikomy avy amin'ny helatra havia sy Arabo nasionalista mba hanangana fanjakana komonista.

Nosamborina voalohany i Habib rehefa natao fanadihadiana teo anatrehan'ny Sampan-draharahan'ny Filaminana Anatiny Omani (ISS), tamin'ny Aprily 2016. Notànana ilay lehilahy 53 taona ary natao tany amin'ny toerana miafina talohan'ny namoahana azy avy any tamin'ny fiandohan'ny volana May

Nosamborina indray izy tamin'ny 11 Jolay noho ny lahatsoratra miresaka fifadian-kanina sy ny fiantsoana  ny Silamo hivavaka. Araka ny fanohanana ny pejy Facebook , nomelohin'i Habib izay heverina ho ” fihatsarambelatsihy ara-pivavahana sy ara-tsosialy araka ny ohatra ao amin'ny fanasana be loatra” mandritra ny Ramadany, volana fifadian-kanina ho an'ny miozolomana, sy ny fampiasana ny fanamafisam-peo mba hanehoana ny Adhan na ny antso ho an'ny vavaka, indrindra fa mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra any amin'ny toerana be mponina ao anatin'ireo lahatsoratra ireo.

Ao anatin'ny fanambarana momba ny raharaha tamin'ny 10 May 2016, nanoratra ny Amnesty International hoe:

Oman imposes arbitrary restrictions on the right to freedom of expression and in recent years many peaceful activists, government critics and others have been arrested and detained, often on public order charges or under vaguely worded penal code provisions that criminalize insulting the Sultan. Those detained are often held for several days before being released. Abdullah Habib’s case is an example of the pattern of intimidation by Omani authorities, including the ISS, of people who are simply exercising their right to freedom of expression.

Napetraky ny Sultan ny fameperana ny zo halalaka maneho hevitra tsy ara-drariny i Oman, ary tao anatin'ny taona vitsivitsy nosamborina sy nogadraina ireo mpikatroka am-pilaminana maro, mpitsikera ny fitondram-panjakana sy ny hafa, matetika noho ny fiampangana fanohintohinana ny filaminam-bahoaka, na eo ambanin'ny fepetra fehezan-dalàna famaizana tsy tena voafaritra mazava izay manameloka ny fitenenan-dratsy. Tazomina mandritra ny andro maromaro ireo voafonja matetika alohan'ny hamotsorana azy.  Ohatra iray amin'ny endrika fandrahonana avy amin'ny manam-pahefana Omani ho an'ny olona izay mampihatra fotsiny ny zony amin'ny fahalalahana maneho hevitra ny raharaha Abdullah Habib, anisan'izany ny ISS,

Anisan'ny raharaha lava kokoa mahazatra ny zava-nitranga tamin'i Habib. Taorian'ny hetsi-panoherana tsy mbola fahita hatramin'izay izay nanameloka ny kolikoly sy mitaky asa fivelomana tamin'ny Febroary 2011, nanomboka nanao famoretana tamin'ny fampitam-baovao tsy miankina [mg], mpikatroka, mpanoratra sy bilaogera ny governemanta Omani. Tamin'io taona io ihany,  namoaka ny lalànan'ny heloka an-tserasera ny Sultan izay ahitana fepetra manjavozavo mametra ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera. Manome sazy iray volana ka hatramin'ny telo taona an-tranomaizina an'ireo voaheloka amin'ny fampiasana teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana mba hizarana fitaovana izay “mety hanohintohina na manitsakitsaka ny etikam-panjakana” ny andininy faha-17 ao amin'ny lalàna. Manome sazy an-tranomaizina mitovy amin'io ihany koa ho an'ireo izay hita fa meloka amin'ny fizarana sy fananana votoaty “mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka, na ny soatoavina ara-pivavahana ” ny andininy faha 19 .

Miha-henjana hatrany ny fanenjehana ny fahalalahana maneho hevitra ao Oman amin'izao fotoana izao. Tamin'ny andro nanamelohana an'i Habib, nanamafy ny didim-pitsarana teo aloha izay milaza ny fanapahan-kevitry ny Minisitry ny Fampahalalam-baovao amin'ny fandrarana  ny gazety tsy miankina mivoaka isan'andro Alzamn [mg] noho ny tatitra fitsabahan'ny governemanta amin'ny andrim-panjakana fitsarana.

Abdullah Habib, film critic

With a graduate degree in Critical Film Studies from the University of California at Los Angeles, Abudllah Habib has directed five short films and published twelve books in poetry and shot story collections. He also won several awards for his work including the Abu Dhabi Cultural Association Award in 1992, for his film This is Not a Pipe, and the General Secretariat of the Gulf Cooperation Council (GCC) award for excellence in cultural production in 2013. A member of the founding committee of cinema in the GCC, Habib translated into Arabic, writings in film criticism and literary theory including Robert Bresson’s Notes on Cinematography, and the Space of Literature by French writer Maurice Blanchot.

Abdullah Habib, mpitsikera sarimihetsika

Manana mari-pahaizana amin'ny Fianarana Fitsikerana Sarimihetsika avy any amin'ny Oniversiten'i California ao Los Angeles i Abudllah Habib ary nanome torolalana tamin'ny sarimihetsika fohy dimy sy namoaka boky roa ambin'ny folo amboaran-tononkalo sy amboaran-tantara .Nahazo mari-pankasitrahana maro noho ny asany ihany koa izy ao anatin'izany ny Lokan'ny Fikambanana Ara-kolontsaina Abu Dhabi tamin'nytaona  1992, tamin'ny sarimihetsiny This is Not a Pipe, ary nomen'ny Sekretaria Jeneralin'ny Filankevitry ny Fifanarahan'ny Helodrano (GCC) mari -pankasitrahana tsara indrindra tamin'ny famokarana ara-kolotsaina tamin'ny taona 2013. Mpikambana mpanorina ao amin'ny komitin'ny sarimihetsika ao amin'ny GCC, nadikan'i Habib ho amin'ny teny arabo ny soratra fitsikerana filma sy teoria literera ahitana ny naotin'i Robert Bresson momba ny Fanatontosana Sarimihetsika, sy ny tahalan'ny literatiora nosoratan'ny mpanoratra frantsay Maurice Blanchot.

Tamin'ny antsafa nomen'ny tranonkalam-baovao an-tserasera Al-Araby Al-Jadeed tamin'ny volana Febroary tamin'ity taona ity, namaritra ny hetsi-panoherana 2011 tao amin'ny fireneny ho toy ny ” lohataona Omani” i Habib, nilaza ihany koa izy fa maneho ny ” fampandrosoana tsy mbola nisy hatrizay tamin'ny tantaran'i Oman maoderina ireo hetsi-panoherana ireo satria namaky ny sakana nampatahotra ny olom-pirenena Omani izany. “Nilaza ny “Lohataona Arabo ” ho ” tohin'ny nofin'ny taranaky ny fahafahana sy ny fiainam-pahamendrehana ” ihany koa izy:

As long as there is a human being exploiting a human being, there are revolutionary dreams, and dreams make the future.

Raha mbola misy ny olombelona manararaotra olombelona dia misy ireo nofy revolisionera, ary hanangana ny hoavy ny nofy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.