Talen'ny Fahasalamana ao Alep Atsinanana: Noho ny Fanafihana Tsy An-kiato Dia Tsy Azo Ampiasaina Intsony ny Hopitaly

English translation of the statement released by the Aleppo Health Directorate on Friday November 18, 2016. Source: SOAS Syria Society. Original Arabic.

Dika amin'ny teny Anglisy avy amin'ny fanambaràna navoakan'ny Sampandraharaha miahy ny Fahasalamana ao Alep tamin'ny Zoma 18 Novambra 2016. Loharano : SOAS Syria Society. Amin'ny teny Arabo.

Taorian'ireo fanafihana faran'izay namoizana aina be indrindra nataon'ny fitondrana Siriana sy ny governemanta Rosiana tao amin'ny faritra Alep Atsinanana iharan'ny fahirano, dia nanambara ny Sampandraharaha miahy ny Fahasalamàna ao Alep fa tsy azo ampiasaina intsony ireo hopitaly sisa tavela tao Alep.

Fanambaràna iray navoaka tamin'ny Zoma 18 Novambra 2016, avy amin'ny  Sampandraharaha miahy ny Fahasalamàna ao Alep :

لقد خرجت كل المشافي العاملة بمدينة حلب الحرة عن الخدمة نتيجة القصف الممنهج والمستمر لهذه المشافي خلال اليومين الماضيين من قبل قوات النظام والطيران الروسي. وهذا التدمير المتعمد للبنى التحتية الأساسية للحياة جعل الشعب الصامد والمحاصر بكل أطفاله وشيوخه ورجاله ونسائه بدون أي مرفق صحي  يقدم لهم العلاج وفرص إنقاذ أرواحهم ويتركهم للموت الذي يسعى له النظام ولم ينفك يبحث عن وسيلة للقضاء على شعبنا الصامد.

مديرية صحة محافظة حلب

الدكتور عبد الباسط ابراهيم

Tsy misy azo ampiasaina intsony ankehitriny ireo hopitaly rehetra niasa tao Alep [atsinanana] Malalaka noho ny fanafihana tsy an-kiato mitohy ataon'ny fitondràna sy ny tafika an-habakabaka Rosiana nandritra ny andro roa farany teo.

Io fikendrena iniana atao amin'ny fotodrafitrasa sivily sady filàna fototra io dia natao tsy hahazoan'ireo ankizy, vehivavy, lehilahy ary beantitra ny fikarakaràna fahasalamana, amin'ny fanafihana azy ireo amin'ny alàlan'ireo karazana fitaovampiadiana isankarazany ataon'ny fitondràna Siriana sy ny tafika Rosiana.

Miantso ny governemanta rehetra izahay, ireo mpiasan'ny fahasalamàna, ireo fikambanana mikarakara fahasalamana, mba hihetsika avy hatrany hampitsaharana ireo heloka bevava ireo ary hijoro hifanome tànana amin'ireo rahalahiny ao Alep

Dr. Abdul-Baset Ibrahim
Sampandraharaha miahy ny Fahasalamàna ao Alep

Lazain'ireo tatitra hafa fa mbola afaka miasa ireo hopitaly sasany. Tamin'ny resany ho an'ny CNN, nilaza i Dr Mazen Kewara avy amin'ny Syrian American Medical Society (SAMS) hoe :

Sambany hatrizay, tsy ampy hopitaly afaka miasa araka ny tokony ho izy ny faritra Alep Atsinanana. Mbola misy tavela ireo fotodrafitrasa saingy tsy afaka miasa araka ny tokony ho izy.

Ny “Aleppo Media Center” (AMC) – Ivontoeran'ny Gazety –  nilaza tamin'ny CNN fa dimy ihany no hopitaly miasa ao Alep.

Io dia manjo ireo sivily 250.000 voafandrika ao an-tanàna, izay miatrika loza mihatra ankehitriny.

Tao anaty lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Maherin'ny 250.000 ao Alep Atsinanana no mety ho faty afaka 20 andro eo ho eo” ary navoaka ny 17 Novambra 2016, nanoratra toy izao ry Raed Saleh, mpitarika ny fikambanana Aroloha Fotsy, ny Fiarovana Sivily Siriana, Dr. Ahmad Tarakji, filohan'ny SAMS sy Laila Soudi, izay miasa miaraka amin'ny SAMS ary ny departemanta misahana ny fitsaboana saina ao amin'ny fakiolte fianarana ho Mpitsabo ao amin'ny Oniversiten'i Stanford:

Androany, maherin'ny 250.000 ireo Siriana mbola voafandrika ao anatin'i Alep Atsinanana, iharan'ny fahirano, zara raha misy sakafo, rano madio ary fitaovana ilaina ho an'ny fitsaboana. Miaina anaty fanafihana an-habakabaka tsy mitsahatra, tsy manana toerana hafa haleha ireo mponina ao amin'ny ilany atsinanan'ny tanàna. Efa andrasana ny tsy ho fahampian'ny sakafo sy ny fitaovana ilaina ho an'ny fitsaboana ao Alep Atsinanana ato anatin'ny 20 andro manaraka, na latsak'izay,  aorian'izany dia mety ho olona maherin'ny antsasaka tapitrisa no hafointsika noho ny hanoanana faobe sy ny faneriterena ny fahazoana izay fikarakarana vonjy aina faran'izay kely indrindra.

Lina Sergie Attar, mpiara-manorina ny fikambanana Siriana mpanao asa soa ‘Karam Foundation‘ nampahatsiahy ireo mpanaraka azy ny halehiben'ny daroka baomba ataon'ny Rosiana sy ny fitondràna Siriana tao anatin'ny 24 ora farany monja.

Alaivo sary ao an-tsaina hoe miaina ao anaty tanàna iray ianao, tsy misy hopitaly. Na iray aza. Ankehitriny alaivo sary ao an-tsaina io tanàna io  voadaroka baomba in-900 tao anatin'ny 24 ora farany. #Alep io.

Noho ny fahatetehan'ireny fanafihana ireny, tsy azo atao foana akory ny hamantatra avy hatrany hoe ny fitondràna Siriana sa ny governemanta Rosiana no mandaroka baomba an'i Alep Atsinanana.

Fa na tsy hay avahana aza ireo fanafihana an-habakabaka, ny baomban-tsolika kosa dia lasa marika amantarana ny fitondràna Siriana. Isan'ireo fanafihana tamin'ny baomban-tsolika akaiky indrindra izao ny :

VAOVAO FARANY: distrikan'i Sakhour, niaina daroka baomban-tsolika 2 nataon'ny Tafika an-habakabaka Siriana ny faritra iray fonenan'ny sivily ao Alep

VAOVAO FARANY: niaina daroka baomban-tsolika ny faritr'i Saif al Dowleh ao Alep, nahafatesana olona 2 raha kely indrindra ary naratràna ampolony mahery

Misy ihany koa ireo tatitra samihafa milaza ny fampiasan'ny fitondran'i Assad ny entona Chlore:

Tranganà fahasemporana manjo ny sivily ao Masaken #Hanano taorian'ny nandatsahan'ireo angidimby an'i #Assad ny baomban-tsolika miharo entona Chlore

Tatitra momba ny fanafihana baomban-tsolika miharo chlore nataon'i Assad nikendrena indray ny faritra Ard-al-Hamra ao #Alep

Vetivety foana ilay vaovao dia nanetsika ireo mpanao gazety sy mpikatroka mafàna fo izay mampiasa ny fisian'izy ireo ety anaty media sosialy ho fanelezana ny fanambaràn'i Dr Ibrahim.

Ilay Siriana mpandidy ny faritry ny loha sady mpikatroka mipetraka ao Alep , Omar Ibrahim, nizara ny hoe:

“Na iza na iza mahavonjy aina iray dia mamonjy ny olombelona iray manontolo”  Rava daholo ny hopitaly rehetra ao Alep Atsinanana. Mitenena

Hadi Abdallah, Siriana mpanao gazety monina ao Alep, izay vao haingana no nomen'ny RSF voninahitra notolorany ny lokan'ny mpanao gazetin'ny taona, niteny hoe :

Amin'ny fahonizana tsy mitsahatra ny famelezana ireo hopitaly, ravan'ireo fanafihana an-habakabaky ny mpomba ny fitondrana ny hopitalin-jazakely Hakkem & hopitaly Bayan ao amin'ny tànanan'i Alep iharan'ny fahirano

Dr Zaher Sahloul, safiotra Siriana-Amerikàna ary mpiara-manorina ny SAMS izay vao haingana no nitafàn'ny Global Voices, nilaza hoe:

S.O.S Maika be. Nodarohan'ny fanafihana an-habakabaka & tifi-tafondro ataon'i #Assad/Putin ireo hopitaly sisa tavela. Lozabe ny toedraharaha

Nilaza i Borzou Daraghi, solontenan'ny BuzzFeed News any Afovoany Atsinanana fa :

Lazain'ny taratasy avy amin'ny Fikambanana miahy ny fahasalamana ao Alep fa tsy afaka ampiasaina ireo hopitaly rehetra ao an-tanàna noho ny daroka baomba ataon'i Assad/Putin. Tsy misy toerana hafa hikarakarana ny maratra

Emma Beals, mpanao gazety monina ao Londona, namoaka andianà bitsika maromaro milazalaza ny zavamisy. Notsindriany ny tetikady mivandravandra ataon'ny fitondràna mba hanerena ny filavoana lefon'ireo faritra eo ambany fitantanan'ny mpihoko. Nampahatsiahiviny ihany koa fa efa nampiasain'ny fitondràna tany amin'ireo faritra hafa nafahany, toa an'i Daraya sy Douma, ireo fomba ataony ao Alep ireo.

Hatramin'ity hariva ity, tsy misy intsony hopitaly afaka mandray vonjy taitra, tapitra ny sakafo fizàra, mitohy ny zera baomba mavezatra. 1/

Vao mainka miha-henjana ilay fahirano, efa natomboka tamin'ny Jolay, volana efatra lasa izay. Mihatery ireo tetikadin'ny fitondràna ‘Fahirano & Hanoanana’ + ‘milavo lefona na maty’ 2/

Tsy atao mahagaga ny toedraharaha ao Alep, na hoe miavaka. Efa nampiasaina hanangolena ireo faritra nanerana an'i #Siria hatramin'ny 2012 ny politika fanaovana fahirano tahaka izao. 3/

Tonga manampy trotraka ny fahirano manerana an'i #Siria ny zera baomba mavesatra hanerena ny filavoana lefona sy fialàna ny tanàna. Hitantsika izany tany #Darayya ary ao #Douma ankehitriny. 4/

Raha any #Alep izao ny fifantohan'ny  Firenena Mikambana, ny UNSC, Etazonia, Rosia ary ireo gazety maro, nampiasaina tany an-toerana hafa io politika io mba hakàna indray ny fifehezana . 5/

Azo lazaina ho nijanona tsy nitohy tsy nisy nanohitra io politika io. Faran'izay notsinontsinoavin'ireo any ivelany. Saingy ankehitriny hain'ny Rosia sy ny fitondràna tsara fa tena mahomby io. 6/

Ohatra faran'izay goavana amin'io politika tsy mitsinjo ny maha-olombelona ampiasaina io i Alep. Mihamilentika tahaka izany ny fantsika any #Ghouta atsinanana, al-#Waer koa. 7/

Jereo, ao al-#Waer ‘very’ mpifonja 6000 tao an-toerana ny fitondràna, araka izany, nitohana ny drafitra fanesorana, daroka boamba natao hanerena ny tànan'ireo mpanohitra izao no misy. Tsy misy mahatsikaritra na inona na inona. 8/

Mifampiraharaha fampitsaharana fifampitifirana i #Douma, daroka baomba ho ‘fampahatsiahivana’ azy ireo ny fahendrena, ho fandresena goavana eo ampelatanan'ny fitondràna ny fanerena ny hisian'ny fanesorana faobe. 9/

Farany, nilaza i Kareem Shaheen mpanao gazety avy amin'ny The Guardian hoe:

Tsy misy azo ampiasaina intsony ireo hipitaly rehetra ao Alep ankehitriny noho ny fanafihana an-habakabaka ataon'ny fitondràna. Mitazam-potsiny izao tontolo izao mijery ireo vahoaka vonoina

Taorian'ny fampielezankevitra fandringanana tsy mitsahatra, natao tsy ho azo ampiasaina intsony ireo hopitaly rehetra ao Alep, eo ambany mason'izao tontolo izao

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.