Tantara tamin'ny Novambra, 2016
Mijery Am-pitoniana sy Am-pitandremana Ny Fanombohan'ny Uber Ao Amin'ny Firenen'izy ireo Ny Bangladeshita
Fantatra amin'ny tsy fahampian'ny fitateram-bahoaka sy ny lazan'ny fitohanan'ny fiara i Dhaka, renivohitr'i Bangladesh.
GV Face: Filoha Obama, Fotoana Izao Hamindranao Fo An'i Oscar López Rivera Izao [Mivantana Amin'ny 6 Hariva GMT Amin'ny 23 Nov]
Iray amin'ireo gadra politika migadra ela indrindra eto amin'izao tontolo izao izy. Efa nandany ny antsasaky ny fiainany tany am-ponja izy.
Manontany Tena Ireo Mpifanandrina Amin'i Putin ao Rosia Hoe Hanao Ahoana Ny Fiharatsian'ny Toe-javatra Noho i Trump
“Ho antsika, mazava ho azy, Amerika no mariky ny fahalalahan'izao tontolo izao. Nanao zavatra marobe ho amin'ny fampandrosoana ny demaokrasia manerantany izy, saingy miova ao anaty fijery manamaro ny zavatra rehetra miaraka amin'ny mpitarika tahaka ity izany" Hoy i Milov momba an'i Trump
Nirona Tamin'i Google ny Didin'ny Fitsarana Ambony ao Brezila, Manoloana ny ‘Zo Hohadinoina’
nametraka ny didy fa ny fanerena ny mili-pikarohana handray fanapahan-kevitra amin'ny fandraisana fangatahana ka hanaisotra rohy sasantsasany avy amin'ny fanaovana karoka dia hanome andraikitra be loatra amin'ny mili-pikarohana, ka hahatonga azy ireo ho mpanao sivana nomerika
Ho Tanterahan'i Pakistàna Ve Ny Fandrahonany Handroaka Afghana Mpitsoa-ponenana 2,5 tapitrisa ?
Taorian'ny folo taona niaraha-niaina, milaza i Islamabad fa tsy afaka intsony hampiantrano ireo mpitsoa-ponenana avy amin'ny mpifanila vodirindrina aminy triarin'ny ady izy.
Kianjan'ny Baolina, Toerana Fakambolontany ho An'ireo Karazana Mpifindra-monina
Milalao baolina fandaka i Lova Rakotomala na dia tsy mahay mihitsy aza. Inona ny antony.
Fitiavana Mandresy Fankahalàna: Ny Podcast-n'ny Herinandro Lasa Teto Amin'ny Global Voices
Amin'ity herinandro ity, atombotsika amin'i Etazonia izay itantaran'i Omar Mohammed ny sombin-tantara nosoratany, "Amerika Nitia Anao Aho" ary avy eo ho entinay ianao ho ao Kiobà, Siria ary Taiwan.
Izao Tontolo Izao Araka Ny Fomba Fijery Rosiana Mahazatra
Tamin'ny fiandohan'ny volana Novambra, nanamarika tampoka ny fanohanany ilay lalàna federaly vaovao natao mba hanazavana ny faneken'ny governemanta ofisialy "ny firenena Rosiana" i Vladimir Putin.
Ireo Mpandresy Tamin'ny Marathon Klasika Andiany Faha-34 Tao Athena
Natao tao Gresy tamin'ny herinandro lasa teo ny Marathon Athena Klasika, ary vitsivitsy ireo mpandresy lehibe.
‘Tsy Hitolo-batana Izahay': Feon'ny Mpanohitra Manohana Ny Media Nataon'i Tiorka Fahirano
Ao anatin'ny safotofoto ihany koa ny haino aman-jery tsy miankina iray hafa taorian'ny fikasana hanongam-panjakana tao Tiorka.