Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Fisintonana Vola Taratasy Ambony Sanda Niteraka Saritaka Tany India

Indian Rupee 500 with the image of Mahatma Gandhi. Photo from Flickr by Marissa Garza. CC BY-NC 2.0

500 ropia indiana miaraka amin'ny sarin'i Mahatma Gandhi. sary avy amin'ny Flickr an'i Marissa Garza. CC BY-NC 2.0

Tamin'ny harivan'ny Novambra 8, nanao fanambarana tsy nampoizina tao amin'ny fahitalavitra ny Praiminisitra Indiana Narendra Modi fa amin'ny misasakalina dia hosintonina tsy hivezivezy ny vola taratasy Ropia Indiana. 500 (7.50 Dolara Amerikana) sy ny 1000 (15.00 Dolara Amerikana)  Nolazainy fa ity fepetra ity dia entina hampitsahatra ny fivezivezen'ny vola ‘mainty’ ary hanadiovana ny vola sandoka ao amin'ny rafitra.

Ooo izany no mibariary amin'ny lohateny vaventy rehetra, RS 500/1000 mitsahatra tsy mivezivezy manomboka izao. Na iza na iza ahatratrarana vola ‘mainty’ dia hogadraina.

Vola taratasy Rs. 500 sy Rs. 1000 tsy azo ampiasaina ara-dalàna intsony.

Midika izany fa ireo vola voatonona dia tsy azo ampiasaina amin'ny fanaovana raharaham-barotra na hampiasaina any aoriana, fa afaka kosa tehirizina any amin'ny kaonty manokan'ny tena na atakalo zava-tsarobidy (hatramin'ny 4000 ropia) any amin'ireo sampan'ny banky na biraon'ny paositra hatramin'ny 30 desambra 2016. Ireo mpiasa mpanao vonjy taitra toy ny hopitaly sy ny mpandraharahan'ny fitaterana dia hanohy hanaiky ireo vola taratasy tranainy 500 sy 1000 Ropia mandritra ny 72 ora aorian'ny fanambarana..

Tsy misy tokony hampikoropaka. Apetraho any amin'ny bankinao fotsiny ny volanao Rs 500/1000. Ny olana fotsiny dia ireo manana vola tsy mazava sy #VolaMainty

.Nilahatra teny amin'ireo ATMs (Milina fisintonana vola) nandritra ny alina ny olona mba hisintona vola amin'ny sanda kely mba hiantohana ireo fandaniany isanandro. Ny vaovao ratsy dia voafetra ho 2 000 Ropia isanandro ny ankamaroan'ny ATM mandritra ny andro vitsivitsy.

Filaharam-be tao amin'ny ATM tany #mumbai taorian'ny fanambaran'ny governemanta Indiana fa tsy hanan-kery intsony ny Rs 500 sy ny Rs 1000 manomboka amin'ny misasakalina

Tsy misy mpizara solika manaiky vola taratasy Rs 500 sy Rs 1000 any Delhi sy Noida

Mbola afaka mampiasa vola ao amin'ny kaontiny any amin'ny banky ny olona mba handoavana ny fandaniany amin'ny alalan'ny taratasim-bola (cheque) na amin'ny fomba hafa toy ny banky ao amin'ny aterineto, fitehirizam-bola amin'ny finday sy ny karatra fisintonam-bola. Na izany aza, ho tojo olana goavana ireo izay tsy manana kaonty any amin'ny banky.

Eritrereto koa ny mpiasa an-trano, mpamily. Izy ireo koa dia mandray ny karamany amin'ny vola Rs 500. Antenaina fa manana fandaharanasa sosialy goavana ny Governemanta.

Vola taratasy roa vaovao 500 sy 2.000-Ropia izay hisy fepetra fiarovana faran'izay ambony no ho avoakan'ny banky foiben'ny firenena, ny Reserve Bank of India (RBI) afaka andro vitsivitsy 

Ny fandrahonan'ny vola sandoka

Araka ny fanadihadiana nataon'ny Ivontoeran'ny Antontan'isa Indiana, eo ho eo amin'ny vola taratasy 250 amin'ny iray tapitrisa mivezivezy ao India dia sandoka avokoa. Ny vola taratasy sandoka farany misy ny sarin'i Mahatma Gandhi dia tena raitra ka sarotra ny nanavaka azy amin'ny vola taratasy tena izy.

Io fanadihadiana io ihany no nanambara fa vola taratasy sandoka misy sary mitentina 700 tapitrisa ropia no nafangaro isan-taona ao anatin'ny rafitra ary ny ampahatelon'izy ireny ihany no azon'ny sampan-draharanan'ny fampiharana ny lalàna nopaingorina. Misy koa fitarainana hoe ireo milisy manohitra ao India dia vola sandoka taratasy dika mitovin'ny 500 Ropia no mamatsy azy ireo.

Ny antony mahatonga ny hetsik'i Modi hanafoana ny Rs500 sy Rs 1000 ho lasa tantara be, hazavaina ao anaty tabilao iray

Ny sandàn'ny vola taratasy 500 sy 1000 mivezivezy dia ambony kokoa noho ny vola taratasy hafa rehetra, mihoatra ny 80% amin'ny vola mivezivezy. Noho ireo vola ireo tsy mahazo mivezivezy aorin'ny alina, namorona fahafahana manadio ny rafitra ara-bola ny Governemanta Modi mba tsy ho  tsy afaka ampiasaina intsony ao anaty rafitra ara-bola ireo vola taratasy sandoka taloha aorian'izay fotoana izay.

Ny toekaren'ny vola mainty Indiana

Anatin'ny toe-draharaha Indiana, ny vola mainty dia midika hoe fidirambola na harena azo amin'ny alalan'ny fomba ara-dalàna na tsy ara-dalàna izay tsy nandoavana ny vola miditra sy ny hetra hafa. Maro amin'ireo mpandraharaha no mampihena ny fanambaràna ny sandan'ny fanondranany entana ary mampitombo ny vidin'ny fanafarany avy any amin'ireo firenena tsy mandoa hetra mba hialan'izy ireo amin'ny fandoavana hetra. Tsy hita ao anatin'ny rafitra ara-bola Indiana ny kolikoly nalain'ny mpanao politika, antoko politika sy manampahefana ambony ao amin'ny governemanta. Mila vonjy amin'ny fampiasana vola be amin'ny alalan'ny fividianana trano na firavaka volamena ireo olona ireo mba hampiasana io vola tsy ambara io, na aondrany any ivelany amin'ny firenena tsy mandoa hetra amin'ny alalan'ny fantsona tsy manara-dalàna.

Vao haingana ny governemanta Indiana no nanambara fa hanome famotsoran-keloka efa-bolana nifarana ny 31 oktobra ho an'ireo mpandositra hetra, izay any ho any amin'ny 10 lavitrisa dolara Amerikana no niafaran'ny vola miditra tsy ambara ary koa tombontsoa izay tsy maintsy hahitsy amin'ny alàlan'ny sazy ara-bola.

Ny fisintonana ireo vola taratasy avo sanda  dia tena ratsy ho an'ireo orinasa mpandray vola mivantana toy ny mpivarotra firavaka volamena sy trano ary mbola ho hita eo izay ho fiantraikan'izany eo amin'ny toekarena. Na izany aza, ankasitrahan'ny olona sasany ity hetsika ity::

Tena hetsika lehibe ity fandraràna ny fivoahan'ny Rs.500 sy Rs.1000 aorian'ny misasakalina ity
Ny fotoana sy ny tsiambaratelo, mendrika ho deraina

Hetsika lehibe hanoherana #BlackMoney sy hanakendàna ny #TerrorFinance: fandrarana vola taratasy Rs.500 sy Rs.1000. Efa 3 taona izao isika no nangataka izany.

Nefa nisy tsy nanaiky:

Tsy mandoa ny karaman'ny mpanampy an-tranoko amin'ny vola taratasy Rs. 100 aho. Rs. 500 na 1000 foana. Noho izany tsy afaka hisidina ireo “olona mahantra tsy manana ireny vola taratasy ireny”.

Ary ny sasany koa manazava ny hetsika:

Navelan'i Narendra Modi Ho Ampiasaina Vola Taratasy Rs 500 ary Rs 1000 Any Amin'ny Hopitaly Satria Fantany Fa ho Maro ny olona Ho Tratry Ny aretim-po Taorian'ila Vaovao 😉

Tena taona ratsy ho an'ny ‘vola taratasy’. Voalohany, ny loza nihatra tamin'ny Samsung Galaxy Note 7, ankehitriny voaràra ny vola taratasy Rs 500 sy 1000! #VolaMainty

Ny bilaogera sady mpanoratra , Amit Verma, naneho hevitra hoe:

Ny ampahany iray manan-danja amin'ny toekarena any India ny toekarena miresaka vola. Ity hetsika ity dia hanimba ny tena mahantra indrindra. Efa nandre mpandraharaha iray fantatro aho nitaraina mikasika ny fomba handoavany ny karaman'ny mpiasany rahampitso. Ny olona aty amin'ny farany ambany no hizaka mafy ny vokany ao anatin'ny fotoana fohy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.