Tantara tamin'ny 30 Oktobra 2016
Tian'i Hong Kong Hampahafantarina Fotsiny Ve Izay Tena Soatoavina Lalaina Amin'ilay Valisoa Miteraka resabe?
Tamin'ny lahateniny, namporisihan'i Fonia Wong Leung-Fong ny tanora mba hanaraka ny ohatra nasehony ary hiasa "efatra heny mafy kokoa noho ny ankamaroan'ny olona."
Hita Amin'ny Vaovao Indray i Michoacan, Fa Amin'ny Fetiben'ny Filma Efa Niomanana
Ilay Frantsay Audrey Tautou sy ilay Amerikana Willem Dafoe Gael no anisan'ny olo-malaza nasaina amin'ity Fetibe Iraisampirenen'ny Filma Morelia andiany 2016 ity. Ilay tantara lava 'Sully', lalaovin'i Tom Hanks no aseho mandritra ny lanonambe fanokafana.
100 Taonan'ny Hatsarana Tao Azia Afovoany sy Kaokazy
Ireo firenena samy nizaka ny ziogan'i Kremlin hita amin'ireo fitafiny isam-pirenena feno fanehoan-tena.
Tantara Ratsy Iray Hafa An'ny Fiangonana Ortodoksa ao Rosia, Mpitondra Fivavahana Iray Hita Niravaka Rolex $40K
Manana tantara ratsy iray hafa atrehiny indray ny Eglizy Ortodoksa Rosiana, na ny marimarina kokoa momba ny hato-tanan'ny iray amin'ireo mpitondra fivavahana ambony ao St. Petersburg
Sarin'ireo Mpisera Instagram Mampiseho Ny Zavon-tsetroka Mandrakotra an'i Khabarovsk
Nihidy tao an-trano na nanao saron-tava ny mponin'i Khabarovsk ao amin'ny Farany Atsinanana ao Rosia rehefa mivoaka ny trano satria nandrakotra ny tanàna ny zavon-tsetroka tamin'ny Talata.
Toherin'Ireo Vehivavy Tambanivohitra Ao India Avaratra Amin'ny Alalan'ny Fanesorana Voaly (Saron-doha) Ny Fanjakazakan-dehilahy
"Raha te-hirakotra voaly ny vehivavy, avelao izy hanao izany. Raha tsy te-hirakotra voaly izy ireo, avelao izy tsy hirakotra. Tsotra fotsiny tahaka izany. "