Tantara Ratsy Iray Hafa An'ny Fiangonana Ortodoksa ao Rosia, Mpitondra Fivavahana Iray Hita Niravaka Rolex $40K

Image: St. Petersburg Archdiocese

Sary: Arsidiosezin'ny St. Petersburg

Manana tantara ratsy iray hafa atrehiny indray ny Eglizy Ôrtôdôksa Rosiana, na ny marimarina kokoa momba ny hato-tanan'ny iray amin'ireo mpitondra fivavahana ambony ao St. Petersburg, izay vao haingana ny arsidiôsezy no namoaka ny sarin'ny fitsidihan'i Metropolit Varsonofiya tany Gresy. Tamin'ny iray amin'ireo sary falifaly, nahatsikaritra Rolex Daytona 116509 – famantaranandro haingon-tanana amin'ny vidiny eo amin'ny 2,5 tapitrisa robla ($ 40.000) eo ireo mpanao gazety.

Nankany Mt. Athos i Varsonofiya tamin'ny 23 Oktobra, raha nihaona tamin'ny Abe vaovao tao amin'ny mônasitera miasa eo ambany fahefan'ny Fiangonana Ôrtôdôksa Rosiana.

Araka ny tantara manokan'i Varsonofiya, niarahaba ny Abe voafidy tamin'ny toerany vaovao izy, ary nanome fanomezana hazo fijaliana masina ho azy . Mba hanamarihana izany fotoana izany, namoaka sary maromaro nandritra ny fihaonana ny fiangonana, anisan'izany ny sary iray mampiseho ampahany amin'ny zavatra toa hita fa famantaranandro amin'ny hato-tanana tena lafo vidy be an'i Varsonofiya.

Nampiditra ireo andiany Cosmograph Daytona ny Rolex tamin'ny 1963, natao indrindra “hanomezana fahafaham-po amin'ny tinadin'ny mpihazakazaka matihanina.” Toa nanambara tamin'ny masoivohom-baovao Fontanka ilay mpanao famantaranandro tao St. Petersburg fa mety novidiana tamin'ny varo-maizina ao Rosia amin'ny vidiny eo amin'ny 25.000 euros eo ilay Rolex Daytona 116509.

Nilaza ny birao gazetin'ny Arsidiosezin'i St. Petersburg fa mbola any Gresy i Varsonofiya, nilaza tamin'ny mpanao gazety ny birao fa mbola miandry ny fiverenany [Varsonofiya] ao Rosia ny fanazavana momba ilay famantaranandro.

Efa nisy ihany koa adihevitra tahaka izany efa-taona lasa izay, raha nanamarika ireo mpisera aterineto fa novain'ny Fiangonana Ôrtôdôksa Rosiana ny sarin'ny Patriarka Kirill mba hanafenana ny famantaranandrony Breguet mitentina $ 30.000. Saingy indrisy, adinon'ireo mpanova sary ny nanala ny taratr'ilay famantaranandro amin'ny latabatra.

Nolavin'ny fiangonana ny toe-javatra tamin'ny voalohany, saingy avy eo nomeny tsiny ny “mpiasa iray tsy za-draharaha”.

Image: Patriarchia.ru

Sary: Patriarchia.ru

Ankoatra ny mpitondra fivavahana ao Rosia, tafiditra tamin'ny tantara ratsy ara-politika i Dmitry Peskov, mpitondra teny ofisialy efa ela an'i Vladimir Putin tamin'ny Aogositra 2015, raha nahatsikaritra famantaranandro Richard Mille RM 52-01 mitentina $620.000 tamin'ny sarin'ny andro mariaziny ireo mpikatroka miady amin'ny kolikoly. Nilaza i Peskov fa fanomezana avy amin'ilay vehivavy ampakarina ilay famanaranandro, ary nanizingizina fa $ 3500 fotsiny no vidiny, kanefa tsy vao tamin'io izy no azo sary miaraka amin'ilay famantaranandro.

Iray amin'ireo fanambarana voalohany sy lehibe indrindra nataon'ilay mpikatroka Alexey Navalny momba ny fananana goavana manokan'ireo olona manodidina an'i Vladimir Putin ity tantara ity. Nanohy namoaka fanadihadiana mitovitovy amin'izany i Navalny tamin'ny herintaona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.