Tian'i Hong Kong Hampahafantarina Fotsiny Ve Izay Tena Soatoavina Lalaina Amin'ilay Valisoa Miteraka resabe?

Photo: Pixabay

Sary : Pixabay

Niteraka resabe ilay fandaharana miavaka nifantenana ireo tanora folo miavaka any Hong Kong. Natao mba hamantarana izay tanora nandray anjara tamin'ny fiarahamonina ary mahavita manome modely amin'ny fahombiazany ilay fandaharana tohanan'ny “Jeune Chambre Internationale”. Na dia betsaka noho ny mahazatra aza ny fanendrena tamin'ity taona ity, olona dimy monja no nahazo loka – ny vitsy indrindra tao anatin'ny 15 taona. Ary iray amin'ireo mpandresy i Fonia Wong Leung-fong, 40 taona, miliardera..

Wong, mpitantana fampiasam-bola, nilaza nandritra ny lanonana fankasitrahana fa ny ho tonga mpanankarena no iray amin'ireo nofiny teo amin'ny fiainana. Nilaza tamin'ny vahoaka izy fa nividy ny tranony voalohany tami'ny 2004 teo amin'ny faha-27 taonany, ary nandoa ny trosany tao anatin'ny roa taona. Miliardera izy ankehitriny.

Fony mbola tany amin'ny anjerimanontolo, nilaza izy fa nahazo HK$30,000 isam-bolana tamin'ny alalan'ny “fivarotana mivantana amin'ny sehatra marolafy” (fomba fivarotra iray mampiady hevitra, izay ahazoan'ireo mpivarotra valisoa, tsy amin'ny varotra izay ataony ihany fa amin'ny varotra ataon'ny mpivarotra hafa izay karamain'izy ireo ihany koa), nireharehany fa tsy nandany na inona na inona tamin'ny fialamboly sy fialantsasatra izy tao anatin'ny folo taona afa-tsy fitsidihana tantara an-tsehatra vitsivitsy sy trano filanonana . Tamin'ny lahateniny, nandrisika ny tanora i Wong mba hanaraka ny ohatra nomeny ary hiasa “in'efatra avo heny mafimafy kokoa noho ny ankabeazan'ny olona.”

Navoakan‘ny gazety iray ao an-toerana taty aoriana fa nividy ny fananany voalohany i Wong tamin'ny taona 2003 nandritra ny firongatry ny valanaretina ny SARS tany Hong Kong, tamin'ny fotoana nampirodana ny toekarena tao an-toerana. Rehefa tapitra ny tahotra ny aretina, tafakatra nihoatra ny 350 isan-jato ny tena sandan'ny tranony, nahatonga azy ho mpanapitrisa

Nandritra sy taorian'ny firongatry ny valanaretina SARS, lasa namboly fankahalana goavana an'ireo mpanararotra ny vahoaka ao Hong Kong.

Mihoatra lavitra noho ny SARS, ny fotoana nampahomby an'i Wong teo amin'ny sehatry ny trano sy tany dia niteraka fankahalana noho ny antony hafa koa. Tao anatin'ny folo taona farany, ny tahan'ny vola miditra amin'ny mponina ao Hong Kong dia niakatra folo isan-jato, fa nitsambikina maherin'ny 300 isan-jato ny vidin-trano fonenana.

Ireo mpanao gazety sy ny mpampiasa ny haino aman-jery sosialy ihany koa dia liana tamin'ny fifandraisan'i Wong akaiky amin'i Antony Wu Ting-yuk, lehiben'ny mpitsara mpikambana ao amin'ilay fandaharanasa Tanora Folo Miavaka. Nilaza i Ting-yuk fa nambarany ny fifandraisan'izy ireo ary nihataka tsy nandray anjara tamin'ny dingan'ny fifidianana izy, fa tsy nihena ny ahiahin'ny vahoaka mikasika ny fidirany eo amin'ny loka tamin'ity taona ity.

Nandritra ny herinandro mahery; rakotry ny  kiana momba ny lokan'i Wong sy ny lahatenim-pandreseny ny haino aman-jery sosialy . Tadiavo ao amin'ny Facebook ny anarany, fa izao hatrany no sasany amin'ireo fanehoankevitra henjana ho hitanao:

當朋友都只係自己上位既工具,真係好想知佢個世界除左自己仲有冇其他人其他事係值得佢唔用錢黎衡量。

Mijery ny namana ho toy ny vato fandiavana, misy zavatra hafa ve amin'ity tany ity ka tsy ho faranany amin'ny resaka fahazoam-bola?

講咁多認屎認屁錢錢錢,攞傑青咪又係靠關係,我真係恭喜你呀屌

Betsaka ny resaka mirehareha momba ny fahombiazany eo amin'ny fitadiavam-bola, angamba izany rehetra izany momba ny fifandraisana. Tena miarahaba anao … WTF.

Misy mpanoratra sasany, na izany aza, milaza fa maneho izay tena famaliana soa ataon'ny fiarahamonina ny tantaran'i Wong. Robin Wilde, mpanoratra avy amin'ny haino aman-jerim-bahoaka PolymerHK, dia nanoratra sady naneso hoe:

傑青獎的評選機構很誠實,終於將香港人心中對「傑出」的真正定義公然道出:「有樓就傑青,冇樓就廢青」。什麼「對社會有傑出貢獻」、「作社會之楷模」,都是聽起來悅耳的垃圾,不值一哂。

Tena olo-mendrika manao ny marina ny mpitsara ny TOYP ary farany dia miresaka ny tena famaritana ny “miavaka” eo imason'ny vahoakan'i Hong Kong: “Raha manana fananana ianao, miavaka ianao izay. Raha tsy izany, tsy alehany ianao.” Ny fepetra rehetra hafa toy ny” fandraisana anjara amin'ny fiarahamonina, “na” ho modely ho an'ny fiarahamonina dia “lainga fotsiny ary tsy mendrika ho marihana.

Lam Long Yin, mpianatra iray mpikatroka mafàna fo, namerina mitovitovy amin'izany:

這位黃女士,不過比任何人更誠實、更無所顧忌地說出香港這個地方,最大最唯一的價值:錢。
理想中,從來不應以收入、地位高低來評斷一個人;但現實世界,特別在香港這個「國際商業社會」,一個人多有「才」難以估量,一個人多有「財」才是實質指標。

Ity Ramatoakely Wong ity dia marina kokoa fotsiny noho ny hafa. Miresaka tsy misy fepetra momba ny hany soatoavina ao Hong Kong izy: ny vola.

Nanazava toy izao Yin avy eo :

首席評審胡定旭,當年唐營要人,特首選舉後華麗轉身表態效忠,會計師出身,卻曾被裁定專業失當停牌兩年,典型香港醒目仔也。

評審王英偉,建築商出身,現時任金沙中國ceo,對,賭場那個金沙,任藝術發展局主席(哈哈哈),早年被指用公帑捧自己的「明星」兒子王梓軒。

評審黃玉山,公開大學教長,被指為深紅梁粉、地下黨員(本人否認),人大代表;馮婉眉,銀行公會主席;雷添良,執業會計師;彭耀佳,總商會主席。
由這批人去判斷誰是「傑出」,那選出來一個黃仰芳,不是非常合理嗎?

Anthony Wu no lehiben'ny mpitsara. Izy dia olona manan-danja ao aorian'i Henry Tang [alohan'ny fifidianana ny Lehibe Mpanatanteraka tamin'ny 2012], fa taorian'ny fifidianana, dia nasehony haingana ny tsy fivadihany [amin'ny tale jeneraly mpandresy CY Leung]. Mpitàna bokimbola izy fa naato mandritra ny roa taona ny fahazoandàlany noho ny fitondrantena ratsy, karazana lehilahy marani-tsaina mahazatra any Hong Kong.

Mpitsara Wong Ying Wai, avy amin'ny sehatry ny fandraharahana fanorenana ary Tale Jeneralin'ny Sands Shina amin'izao fotoana izao [mpandraharaha amin'ny Casino any Makaô] sy filohan'ny Biraon'ny Fiadidiana ny Fampandrosoana ny Zavakanto any Hong Kong  (hahaha). Taona vitsy lasa izay, dia voakiana izy vokatry ny fampiasany ny volam-panjakana tamin'ny fanampiany ny zanany lahy Jonathan Wong “mpihira pop”. Anita Fung, fiilohan'ny fikambanan'ny Banky ao Hong Kong.

Mpitsara Wong Yuk-sana, talen'ny Hong Kong Open University. Fanta-bahoaka tamin'ny fanohanany amin-kafanam-po an'i CY Leung, mpikamban'ny Antoko Kaominista Shinoa (nolaviny izany) ary solontenan'ny Kongresy Nasionalim-bahoaka PRC any Hong Kong; Tim Lui, mpitàna bokimbola [Lui ihany koa no filohan'ny Komitin'ny Fanabeazana ary solontenan'ny Kongresy Nasionalim-bahoaka PRC ao Hong Kong]; Pang yiu ny Kai, filohan'ny Antenimiera jeneralin'ny varotra ao Hong Kong.

Azo raisina tanteraka araka izany ny naha-voafidy an'i Wong miaraka amin'izao endrika isehoan'ny mpitsara izao.

Tamin'ny taona lasa, ireo mpitsara amin'ilay fandaharanasa dia nifidy ny talen'ny teatra ao an-toerana Banky Yeung Ping Kei, izay efa nandray anjara mavitrika tamin'ireo hetsi-panoherana mpandàla ny demaokrasia tamin'ny 2014. Yeung aza dia nitsikera ny tale jeneraly amin'izao fotoana izao, CY Leung, tamin'ny kabariny nandritra ny fizarana loka.

Tamin'ity taona ity, nisoroka olo-malaza ara-politika mahabe resaka tahaka izany ny fikambanan'ny mpitsara. Ankoatra an'i Wong, nanolotra loka ho an'ny kandidà efatra miavaka tsy manana hevitra miavaka na fahaizana koa ny mpitsara, anisan'izany ny Edward Choi Man-lik, mpahay siasa miasa amin'ny laboratlara monina any Sierra Leone sy Angletera. Man-lik lohalaharana niasa teny an-kianja nandritra ny fiparitahan'ny valan'aretina Ebola tany Afrika Andrefana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.