Toherin'Ireo Vehivavy Tambanivohitra Ao India Avaratra Amin'ny Alalan'ny Fanesorana Voaly (Saron-doha) Ny Fanjakazakan-dehilahy

Veiled women going to work in the Thar desert. Image from Flickr by Nagarjun Kandukuru. CC BY 2.0

Vehivavy manao voaly saron-doha handeha hiasa ao amin'ny tany efitra Thar, India Avaratra. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'i Nagarjun Kandukuru. CC BY 2.0

Tsy mariky ny fivavahana iray manokana ny fomba fanaon'ny vehivavy manao voaly mandrakotra tarehy ao avaratr'i India. Ao amin'ny ankamaroan'ny faritra, indrindra any ambanivohitra, terena hanaja ny fombafomba fitafiana voaly amin'ny vatana ny vehivavy Haindò, Jain, Sikh ary Miozolomana, indrindra fa ireo izay efa manambady. Iray amin'ireo voaly na saron-doha andrakofan'izy ireo ny tarehy ny ghoonghat (antsoina koa hoe ny laaj, chunni na odhni).

Iadian-kevitra be ny fomba nivoaran'ity fomba fanao ity tao anatin'ity faritra manokana ity, saingy ny azo antoka dia fomba amam-panao nandritra ny taonjato maro tao India ny fitafiana voaly. Nanavatsava ny tantara, niha-maro ireo vehivavy nanomboka niala tamin'ny fanaovana voaly. Na izany aza, mbola manjaka any ambanivohitra sy ny faritra sasany ao an-tanàn-dehibe izany.

Nahatonga ahy nanao “voaly” taorian'ny fanambadiana ny havam-badiko “nahazo fianarana ambony”!!!

Nanomboka nanao fanentanana hanampiana ireo vehivavy mba hijanona tsy handrakotra ny tarehin'izy ireo amin'ny voaly i Manju Yadav, mpampianatra avy ao Mirzapur ao Faridabad, Haryana. Nalain-tahaka ny fanentanana nataony ary niparitaka tany amin'ny tanàna miisa 47. Manazava ny lahatsary avy amin'ny vaovao Keep Trending eto ambany :

Manazava ny antony nahatonga ny fanaovana ghoonghat sokajian'ny mponina sasany ho mariky ny fanetre-tena sy ny fanajana ny lahatsary. Milaza izy ireo fa zava-dehibe ny andrakofan'ny vehivavy ny tarehiny ho fanehoam-panajàna ny lehilahy.

Nanohana ny fanentanana ny kaomisera lefitra avy ao amin'ny fiadidian'i Chander Shekhar, nilaza fa misy fiantraikany amin'ny fanajan-tenan'ny vehivavy ny fanaovana ghoonghat.

Ho azy kosa, nilaza i Yadav fa mangataka amin'ny vehivavy ny lehilahy mba hanarona ny tavan'izy ireo amin'izay azo fehezina. “Angataho ny lehilahy mba hanarona ny tavany mandritra ny tontolo andro iray, tsy hahavita hanao izany izy,” hoy izy.

Nanao fianianana ireo vehivavy fito amby efa-polo lehiben'ny tanàna mahaleotena ara-panjakana (sarpanch) avy ao amin'ny distrika Faridabad mba hanafaka ny tanànan'izy ireo amin'ny fanaovana ghoonghat.

Indiana maro no naneho hevitra tamin'ity vaovao ity. Chanchal Mishra nanoratra tao amin'ny Facebook:

[I]n the name of culture and tradition many such hypocrisy has been practiced for ages now. I was wondering why is the list for men missing when we are blessed to have such long list of illogical customs for women.

[A]min'ny anaran'ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao, fihatsarambelatsihy maro tahaka izany no nampiharina hatry ny ela. Nanontany tena aho hoe nahoana no tsy misy ny lisitra ho an'ny lehilahy raha toa ka notahiana isika manana lisitra lavabe misy fomba amam-panao tsy mitombina ho an'ny vehivavy.

Tamin'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny pejin'ny BBC India, Ash Chowdhury nanazava ny fomba fanao tamin'ny antsipirihany:

I'm from this kind of villages where these customs still survive and the veil (ghunghat ) where you don't have to do all the time its only when the lady is married and she is with in her in laws house or in front of husbands relatives

Avy amin'ity karazana tanàna ity aho izay mbola velona ireo fomba amam-panao ireo sy ny voaly (ghunghat) ary tsy voatery hampiharinao foana, raha tsy hoe efa manambady ilay vehivavy ary any amin'ny tranon'ny vadiny na eo anoloan'ny havam-badiny

Kavaseri Vasudevan Venkataraman Iyer naneho hevitra hoe:

If women want to wear veil let them. If they do not want to wear veil let them. It is ad [sic] simple as that. Men should understand and behave properly and not harass them.

Raha te-hirakotra voaly ny vehivavy, avelao izy hanao izany. Raha tsy te-hirakotra voaly izy ireo, avelao izy tsy hirakotra. Tsotra fotsiny tahaka izany. Tokony hahatakatra ny lehilahy ary hitondra tena araka ny tokony izy fa tsy hanorisory [vehivavy].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.