Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

100 Taonan'ny Hatsarana Tao Azia Afovoany sy Kaokazy

12Manaraka ny dian'ny andian-tantara 100 Taonan'ny Hatsarana an'ny Cut.com, nanatontosa ny lahatsarin'izy ireo manokana mandrakitra ny tantaran'ny lamaodin'ny vehivavy ao Eorazia tsirairay ireo mpamokatra sarimihetsika ao amin'ny firenena maro ao amin'ny Firaisana Sovietika Taloha, manampy hampaharitra ny sary-sy-soratra manerantany tsara laza izany.

Amin'ireo firenena izay anisan'ny nanorina ny ambany foitran'ny Ampira Rosiana, Kyrgyzstan no aingam-panahy tonga voalohany, firenena ahitana mponina enina tapitrisa ao atsinanana be tendrombohitra sy azo lazaina  manankarena rano ao Azia Afovoany .

Mitondra ny mpijery amin'ny alalan'ny fitafy nentim-paharazan'ny mpifindrafindra monina ao Kyrgyz ny lahatsary, izay dingana lavabe tsy nahatratra fara-tampony mandra-pahatonga ny antenatenan'ny taonjato faha-19 ny fiovana ho Silamo raha finoana shamanistika izany teo aloha.

Na dia amin'izao fotoana izao aza, misy ny adihevitra mikasika ny hoe inona no fitafy azo ekena ara-pivavahana ao amin'ny firenena, noho ny filoha Almazbek Atambayev mivantambatam-piteny sy tia ady indraindray manohana ny fitomboan'ny sora-baventy manerana ny firenena izay mampitandrina ny fitarihan'ny vahiny amin'ny voaly niqab.

Ny songadina mahazatra amin'ny lahatsary 100 Taonan'ny Hatsarana ao amin'ny Firaisana Sovietika taloha dia sary ho an'ny alahelo nandritra ny taompolo 1940, raha niady tamin'ireo mpiara-dia manohitra ny fasisma ny vondrona amin'ilay antsoina mahazatra kokoa manerana ny faritra hoe Ady Lehiben'ny Fitiava-tanindrazana.

Amin'ny endrika Kazakhstan, nanaisotra endrika lehibe nandritra ny taona 1930 ihany koa ny mpilatro, raha niaina fiafaran'ny mosary nampiharin'ny politikan'ny fambolena Stalinista i Kazakhstan, miaraka amin'ny Okraina.

Eo ambanin'ny lahatsary Kazakh, niadi-hevitra momba ny foko toa mifangaro amin'ireo mpilatro ny mpisera YouTube:

Bakittas Sanitas: 60% Asian 30% Turk 5% Iran 5% Slavic

Bakittas Sanitas: 60% Aziatika 30% Tiorka 5% Iran 5% Slavy

Zhyldyz Urazalieva: 50% Kazakh+50% Kazakh!!!

Zhyldyz Urazalieva: 50% Kazakh+50% Kazakh!!!

Eto ambany kosa lahatsary Kazakhstan safidy hafa tohanan'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana Tengri News:

Ao amin'ny firenena Tiorkika ao Azerbaijan manankarena solitany, misy ihany koa ny lahatsary 100 taona roa samy hafa mifaninana maka ny fifantohan'ny mpiserasera:

Ireo lahatsary roa ireo dia samy mampiseho ny fomba fampiharan'i Azerbaijan, tahaka an'i Torkia, ireo singan'ny lamaody Tandrefana sy Tatsinanana raha tazoniny kosa ny endrika mampiavaka azy manokana.

Na dia mahatonga fahasarotana aza ny fidirana mivantana ao Armenia avy ao Azerbajan amin'ny fiainana tena izy, noho ny ady miaramila misoko mangina ao amin'ny faritra iadivana Nagorno-Karabakh, dia izy indray no dingana manaraka izorantsika.

Mampiseho ny akanjo tsy manam-paharoa mifandraika amin'ny izay mety ho fiarahamonina Kristianina maro an'isa ela indrindra manerantany ny mpilatro Armeniana, maka sary ho an'ny alahelo manodidina ny fotoanan'y fandripahana Armeniana izay nitranga nandritra ny takarivan'ny fanjakana Ottoman.

Hafahafa, hita miaraka amin'ny paosy mahatafiditra finday mialoha ny fotoana, tamin'ny taompolo 1980 ihany koa ireo mpilatro.

Avy ao Tajikistan ny vao haingana indrindra tamin'ny lahatsary 100 Taonan'ny Hatsaran-tarehy, ary navoaka tao amin'ny Youtube tamin'ny 22 Oktobra.

Ny akanjon'ny mpilatro dia maneho izay hita nandritra ny taona maro teo amin'ny mpandala ny mahazatra avaratry ny firenena sy ao amin'ny tanàna nandalovan'ny Lalan'ny Lasoà taloha ao Samarcande sy Boukhara izay ahitana ampahany amin'i Ozbekistan maoderina saingy mitàna ny maha zava-dehibe ny kolontsaina manokana ho an'ireo mpiteny ny teny Tajik fianakaviana Iraniana .

Mampiseho ny tsy fisiana miharihary amin'ny fitaoman'ny Tandrefana ny lahatsary ary koa endrika fitafiana miavaka avy amin'izay hita ao amin'ny kolontsaina Islamika ao Afovoany Atsinanana.

Raha mbola mila mamita ny angona ny lahatsary avy ao Georgia, Turkmenistan sy Uzbekistan, efa nanao zavatra betsaka ireo lahatsary misy mba hampandrosoana ny anton'ny fahasamihafana ao amin'ny tontolo iray mitady hirona hatrany any amin'ny fitoviana.

Ity no resaka nataon'ny mpisera YouTube Das Staubkorn:

I am usually in favour of globalization, but it definitely ruined the unique and beautiful clothing of every country. Folk costumes are so beautiful, we should wear them again.

Matetika aho manohana ny fanatontoloana, saingy tena nanimba ny akanjo tsara tarehy sy tsy manam-paharoa an'ny firenena rehetra izany. Tsara tarehy ihany koa ny fitafy mampiavaka ny vahoaka, tokony hotafiantsika indray ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.