Tantara tamin'ny Jolay, 2016
Nakaton'i Etiopia Ny Fifandraisana Nomerika Taorian'ny #OromoProtests
Niteraka fikasana isan-karazany teo amin'ny governemanta mba hametra ny fifamoivoizana nomerika sy hanakatona ireo tolotra telecom ao Oromia ny votoaty tsy tapaka momba ny #OromoProtests..
Tsy Mampilendalenda Ny Meksikana Intsony Ny ‘Resaka Zavokà’
Manery ny firenena hieritreritra momba ny fomba fandaniam-bolan'ny olona amin'ny sakafo ny krizy ara-toekarena ao Meksika, ary nanjary resaka mahasosotra ny fiakaran'ny vidin'ny zavokà.
Niala Ny Komisera Misahana Ireo Zon'ny Ankizy Ao Rosia, Nefa Mahatsiaro Azy Izahay Amin'ireto Zavatra Fito Ireto
Mitanisa ireo fotoana fito tena nisongadina nandritra ny asany ny RuNet Echo, eto am-pisarahantsika amin'ilay kaomiseran'ny zon'ny ankizy tao Rosia nandritry ny fotoana lavabe.
Mampahafantatra Ireo Ankizy Alemàna Ny Tantara Marin'ireo Syriana Mpitsoa-ponenana Ny Boky Iray Ho An'Ankizy
Naharay mpitsoa-ponenana maherin'ny 1 tapitrisa i Alemaina, ankizy avy any Syria ny ankamaroan'izy ireo.
Ao Meksika, Manohitra Ny Herisetra Andalambe Amin'ny Fombany Ireo “Zanakavavin'ny Herisetra”
Vehivavy Meksikana telo no manohitra ny herisetra andalambe izay mianjady amin'ireo vehivavy, miaraka amin'ny fanahy sy ny rock punk.
Mitahiry Ireo Fijoroana Vavolombelona Tamin'ny Fanafihana Ataomika ny ‘Rakitr'i Hiroshima’, Navaozina sy Voadika
"Vitsy sisa ireo tsy maty fo aman'aina mbola velona ankehitriny ary atsy ho atsy dia tsy hisy intsony. Iza ary avy eo no afaka hiresaka avy amin'ny ny trangam-piainany manokana mikasika ny vokatry ny ady nokleary atao amin'ny vahoaka eto an-tany?"
Tsarovana Noho Ny Fitiavany Ny Kisendrasendra i Harold La Borde, Trinidianina Voalohany Nitety Sambo Izao Tontolo Izao.
"Misy ireo mahery fo amin'ny anarana ary misy ireo mahery fo amin'ny angano izay hivelona mandritra ny taona. Ilay namoy ny ainy Harold La Borde no farany."
Mpitsoa-ponenana Afghan : ” Tsy misy ‘ Te ‘ Hiala. Fa Mbola Te Ho Velona.”
"Everybody is leaving Afghanistan. The only people who will be left there are President Ashraf Ghani and [Chief Executive] Abdullah Abdullah!" "Miala ao Afghanistan daholo ny olona rehetra. Ny [ Filoha ] Ashraf Ghani sy [ Filoha Mpanatanteraka ] Abdullah Abdullah sisa no ho tavela ao."
Mahatonga Ny Firenena Hanahy Izay Ho Zava-Mitranga Manaraka Ny Famonoana an'i ‘Robocop’ Tao Trinidad
Raha mangataka " hampitsaharana ny famonoana " ny olona sasany ao Trinidad sy Tobago, ny hafa kosa manontany tena raha toa ka tokony hankahery ny tenany bebe kokoa izy ireo noho ny mety ho fahamaroan'ny herisetra taorian'ny famonoana an'ilay voalaza fa mpanjakan'ny heloka bevava .
Faly Ireo Japoney Mpankafy Ilay Rosiana Malaza Mpikorisa Noho Izy Nanao Fitafiana Mitovy Amin'i Sailor Moon
"Medvedeva-chan, misaotra anao indrindra noho ny fitiavanao be dia be an'i Sailor Moon!"