Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Nakaton'i Etiopia Ny Fifandraisana Nomerika Taorian'ny #OromoProtests

Photo published on EthioTube page titled "Pictures from Oromo Protest - Winter 2015". No attribution or further context appears on the site.

Sary navoaka tao amin'ny pejy EthioTube mitondra ny lohateny hoe “Sary avy amin'ny Fihetsiketsehana Oromo – Ririnina 2015″. Tsy misy fanazavana na votoaty fanampiny ao amin'ny habaka.

Raha nikarakara fihetsiketsehana tamin'ny volana Novambra 2015 ny mpianatra ao Ginchi, tanàna kely 75 km miala andrefan'i Addis-Abeba, nanomboka nandefa vaovao farany “mivantana” isa-minitra momba ny fihetsiketsehana tao amin'ny pejy Facebook-ny malaza indrindra, izay manana mpanjohy mihoatra ny 500.000 ilay mpanohitra mpikatroka media monina ao Etazonia Jawar Mohammed, .

Nanjary lasa andiana fihetsiketsehana midadasika indrindra sy mihoso-drà indrindra manohitra ny governemanta Etiopiana tao anatin'ny taom-polo ary namoizana ain'olona 400, maratra marobe sy gadra an'arivony ilay natomboka toy ny fihetsiketsehana madinika hanoherana ny fikasan'ny governemanta Etiopiana hanitatra an'i Addis Ababa mankany amin'ny toeram-pambolena mifanila amin'i Oromia, fanjakana lehibe indrindra sy mizaka tena araka ny lalàmpanorenana ao Etiopia.

Miaraka amin'i Jawar mandefa vaovao farany mivantana momba ny hetsi-panoherana ao amin'ny Facebook, nahita ny firohotry ny sary nomerika, lahatsary, lahatsoratra bilaogy sy sioka tao amin'ny sehatra haino aman-jery ara-tsosialy avy ao anatin'i Etiopia ny mpiserasera, miaraka amin'ny tenirohy #OromoProtests ny ankamaroan'izy ireo.

Nandritra ny folo taona mahery, nanao famoretana tamin-kerisetra tamin'ireo mpianatra manao fihetsiketsehana ao Oromia ny governemanta Etiopiana saingy tsy mba nahasarika ny tao amin'ny aterineto izany zava-nitranga izany tamin'izany fotoana izany. Vitsy ny fandrakofam-baovao avy any amin'ny vava ady nataon'ny haino aman-jery vahiny, tao ny fahanginana sy ny vaovao diso avy amin'ny fampahalalam-baovao manohana ny governemanta, nipoitra ho toy ny fantsona lehibe indrindra ampiasaina hanapariahana vaovao momba ny fihetsiketsehana ny aterineto. Nanjary tantaran'ny fihetsiketsehana ofisialy sy mbola tsy ofisialy ny pejy Facebook sy Twitter an'i Jawar, nahatonga ireo mpanoratra am-pielezana handray an'i Jawar ho mpitondra fototra ny hevi-bahoaka momba ny zava-nitranga.

Na dia sehatra mahazatra ao amin'ny faritra maro amin'izao tontolo izao aza ireo tambanjotram-pifandraisana mavitrika ireo, vaovao kosa izany ao Etiopia, izay nihevaheva teo ambanin'ny 5% teo fotsiny ny tahan'ny fidirana tamin'ny aterineto tamin'ny 2013, fotoana farany nanangonan'ny Vondrona Iraisam-pirenena ho an'ny Fifandraisan-davitra, sampan'ny Firenena Mikambana, ny lahatahiry momba ny fidirana amin'ny aterineto tao.

Niteraka fikasana isan-karazany teo amin'ny governemanta mba hametra ny fifamoivoizana nomerika sy hanakatona ireo tolotra telecom ao Oromia ny fiparitahan'ny #OromoProtests tsy tapaka.

Tamin'ny ezaka hanakanana ny fitomboan'ny anjara toeran'ny media sosialy amin'ny fanandratana ireo tantaran'ny fihetsiketsehana sy hifehy izany, nakaton'ny ampihimamban'ny tolotra fifandraisandavitry ny fanjakana Etiopia, EthioTelcom nandritra ny roa volana farafahakeliny ny sehatra media sosialy, anisan'izany ny Twitter, WhatsApp sy Facebook Messenger ao Oromia. Nandritra izany fotoana izany, nanambara fikasana hanomboka hampadoa vola an'ireo mpanjifa mampiasa ny fifaneraserana am-peo amin'ny fampiharana arofenitry ny aterineto (VoIP) tahaka ny Viber, Facebook messenger, Skype, sy Google Hangouts ihany koa ny EthioTelecom.

Araka ny tatitry ny media ao an-toerana, mikasa hampihatra rafitra vaovao amin'ny fampiasana ny lahatahiry VoIP ny EthioTelecom amin'ny alalan'ny fampiasana teknolojia izay handamina bebe kokoa ireo rafitra tahiry sy izay karazana fampiharana miasa amin'ny fitaovan'ny mpamandrika (mpanjifa) mavitrika tsirairay ao amin'ny tambajotra EthioTelecom. Tamin'ny hetsika tsy mbola nisy toy izany, nanambara fikasana hanaramaso, hamantatra sy handràra ireo fitaovana finday tsy novidiana tamin'ny tsena Etiopiana ihany koa ny EthioTelecom. Ity hetsika ity no ahafahan'ny EthioTelecom hanaramaso tsara izay tahiry voaray na nalefan'ny mpanjifa mavitrika tsirairay ao amin'ny tambajotra. Tsy mbola mazava ny fomba fiasan'izany teknôlôjia izany, saingy tsy azo isalasalana fa mampiseho ny fikasan'ny EthioTelecom hahazo tombony ara-politika feno amin'ny ampihimambany izany.

Na dia anisan'ireo firenena mahantra indrindra eo amin'ny lafin'ny fidirana aterineto ao Afrika aza i Etiopia, dia voatatitra feno avy amin'ny fantsona fahitalavitra Etiopiana am-pielezana mandeha amin'ny zanabolana ao Etazonia ny #OromoProtests, indrindra ny OMN sy ESAT. Samy nahazo tantara isan-karazany tamin'ny #OromoProtests avy amin'ny haino aman-jery sosialy ny roa tonta ary nandefa azy ireo indray tamin'ireo Etiopiana an-tapitrisany monina amin'ny toerana tsy misy foto-drafitrasa ho an'ny finday.

Ambonin’ izany rehetra izany, tao anatin'ny fihetsiketsehana, nandany lalàna henjana momba ny heloka bevava amin'ny solosaina ny parlemanta izay mitovy tanteraka amin'ny ezaka hanamelohana ny fanehoan-kevitra an-tserasera mikasika ny fihetsiketsehana ary hampiasa am-pahombiazana kokoa ny fifandraisana nomerika ho fitaovana fanarahamaso ny vahoaka.

Tamin'ny lahatsoratra momba ny lalàna vaovao, nanoratra ny Electronic Frontier Foundatio hoe:

Ethiopia's prosecutors have long demonized legitimate uses of technology, claiming in court that the use of encryption, and knowledge of privacy-protecting tools is a sign of support for terrorists….By criminalizing everyday actions it ensures that anyone who speaks online, or supports online free expression, might one day be targeted by the law…. [This regulation] will intimidate ordinary Ethiopian citizens into staying offline, and further alienate Ethiopia's technological progress from its African neighbors and the rest of the world.

Noharatsian'ny mpampanoa lalàna ao Etiopia hatrizay ny fampiasana ny teknolojia, noho ny filazana tao amin'ny fitsarana fa mariky ny fanohanana mpampihorohoro ny fampiasana ny fanafenan-tsoratra sy ny fahaizana momba ny fitaovam-piarovana ny fiainana manokana.…Amin'ny fanamelohana ireo hetsika isan'andro, manome antoka izany fa izay rehetra maneho hevitra antserasera na manohana ny fahalalaham-pitenenana antserasera dia mety ho lasibatry ny lalàna indray andro any …. Handrahona ny olom-pirenena Etiopiana tsotra mba hijanona ivelan'ny aterineto [ity fitsipika] ity ary hanimba bebe kokoa ny fandrosoanan'ny teknolojia ao Ethiopia tsy tahaka ireo mpifanolo-bodirindrina Afrikana sy manerana izao tontolo izao.

Araka ny tatitra, mametra bebe kokoa ny zo nomerika efa nahena ny lalàna vaovao, tahaka ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fiainana manokana, manameloka sy manome sazy henjana ny fanehoan-kevitra manala-baraka ao amin'ny aterineto. Manery ireo mpamatsy tolotra aterineto mba hitahiry ny fandraketana ny fifandraisana rehetra miaraka amin'ny metadata mandritra ny herintaona farafahakeliny ihany koa ny lalàna.

Vakio ny fitantarana manokana ataon'ny Global Voices momba ny

#OromoProtests ao Etiopia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.