Tantara tamin'ny Jolay, 2016
Ny Taom-Bolamenan'ny Amanin'Ombivavy Any India
Hanao ankivy ny orinasan'ny famonoana ombivavy mandritra ny herintaona isika. Ny dolara azo tamin'ny tokony ividianana ombivavy. Havahantsika amin'ny amanin'ombivavy ny volamena. Toekarena miroborobo.
Atleta Rosiana Voamarika ho “Mpamadika” Noho Ny Fandraisany Anjara Amin'ny Lalao Olaimpika Any Rio
Ifarimbonan'ny mpisera aterineto any Rosia gidragidraina ilay mpanao vikindava Darya Klishina noho ny fanekeny handray anjara eo ambany faneva tsy miandany amin'ny lalao olaimpika fahavaratra any Rio.
Te Hanatsahatra ny Fanakatonana ny Twitter Ireo Iraniana Mahery Fihetsika — Hihantsiana Ny Propagandy Saodiana
Miantso ny governemanta mba hanatsahatra ny fanakatonana ny Twitter mba hanoherana ny propagandy mamely an'i Iran ataon'i Arabia Saodita ireo mahery fihetsika Iraniana, tompon-dakan'ny sivana amin'ny aterineto
Nanapa-kevitra Manokana Ny Hanohitra Ny Fanavakavahana Ara-poko Ny Tompon'ny Fandraharahana Iray Ao Singapaoro
"Miala tsiny fa Indiana ny vadinao, tsy mampanofa ho anareo ny tompon-trano. Milazà mialoha amin'ny manaraka azafady, mba tsy ho samy lany fotoana isika."
Ny Fiainan'ny Mpiasa Mpifindra Monina Ao ‘Little Burma’ Ao Thailandy
"Kanefa tsy misy trano any sady tsy manam-bola izahay ; ahoana no fomba hiverenana sy hiavotan-tena any? "
Fantaro Ireo Vehivavy Amerikana Latina Roa Mifaninana Ho Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana.
"Tena faly fa anisan'ny hofidiana amin'ny ho (sekretera jenaralin'ny Firenena Mikambana manaraka) i @CFigueres. Zava-bitany tsy mampino ny fifanarahan'i Paris.."
Nampiditra ny Wikileaks Tao Anatin'ny Lisitry ny Tranonkala Nosakanana i Torkia
Zavatra mahazatra faharoa fanaon'ny governemanta Tiorka ny fanakatonam-baovao. Saingy mbola manontany tena mikasika ny lanjan'ny ampamoaka ny olom-pirenena Tiorka.
Raràn'i Shina Ny Vaovao Alaina Any Amin'ny Haino Aman-Jery Sosialy
"Ara-tantara, dia ireo haino aman-jery mpampahalala vaovao akaiky ny fitondrana no mirona kokoa amin'ny fanolorana vaovao noforonina. Ratsy kokoa aza ny firaketana ny zavabitan'ireo haino aman-jery mpampahalala vaovao fehezin'ny fanjakana. "
Hira Iray Ho An'Ankizikely Nadika Amin'Ireo Fiteny Maro Ao Aostralia
Asaina ireo mpianatr'i Aostralia handika hira iray amin'ny tenin'ny Teratany Aostraliana sy i Détroit de Torrès ho anà fifaninanana lahatsary anaty aterineto entina mampiroborobo ny fahasamihafan'ny teny.
Fantaro Ilay Vondrona Feminista Nikaragoaiana Miady Amin'ny Herisetra Atao Amin'ny Vehivavy Ao Amerika Afovoany
Manoka-tena ho amin'ny fanabeazana, famoahana (boky aman-gazety) ary fanomanana fihaonana amin'ny fandehan'ny resaka miralenta ao amin'ireo fiaraha-monina ao Amerika Afovoany sy ny fomba ahafahan'ny vehivavy miara-miasa amin'izany ny mpikambana ao aminy