
Evgenia Medvedeva. Pikantsary tamin'ny video niparitaka be tao amin'ny media sosialy.
Nambabo ny fon'ireo Japoney mpankafy fikorisana sy “otaku” (mpankafy sarimiaina sy ny sarimiaina manga) ilay Rosiana kintan'ny fikorisana miaraka amin'ny fampisehoany nahitana azy manao akanjo mitovy amin'ilay mpilalao amin'ny sarimiaina malaza Sailor Moon.
Araka ny notaterin'ny tranonkalam-baovao Meduza, nalaza haingana tao amin'ny Twitter sy ny tambajotra sosialy hafa ny fampisehoan'i Evgenia Medvedeva nandeha tamin'ny fahitalavitra nandritra ny seho “Nofy Ambony Ranomandry” 2016 tao Japana tamin'ny 10 Jolay.
旧アニメの変身バンクと重ねてみたけどもうメドべちゃんがセーラームーンだった。こんなにセラムンを愛してくれてありがとう pic.twitter.com/B0kJYW5ugF
— フク@出張で多忙 (@Fuku_shiorin) July 12, 2016
Io i Medvedeva-Chan, manao ny fitafiana ntaolon'i Sailor Moon, izay efa tsy hita isa intsony ny nahitako azy. Medvedeva-Chan, misaotra indrindra noho ny fitiavanao be an'i Sailor Moon!
“Chan” no tovana fanao amin'ny teny Japoney, ampiasaina rehefa misy olona na zavatra tian'izy ireo.
Vao 16 taona i Medvedeva dia efa nahangona lisitra medaly lava be – ity Rosiana mpikorisa ity no tompon-daka tamin'ny Kintan'ny Fikorisana Manerantany 2016, tompondaka Eoropeana 2016, tompondakan'ny Fikambanana Iraisampirenena ho amin'ny Fikorisana tamin'ny Loka Lehibe Famaranana 2015, ary tompondakam-pirenena Rosiana taona 2016 .
— Evgenia Medvedeva (@JannyMedvedeva) April 8, 2016
Fampiratiana fikorisana an-dranomandry ara-java-kanto fanao isan-taona ao Japana ny Nofy ambony Ranomandry, malaza ity fanatanjahan-tena ity na dia ao anatin'ny andro mafana aza. Manintona olo-malaza ambony mana-talenta amin'ny fikorisana an-dranomandry avy ao Japana sy manerana izao tontolo izao ny fampirantiana, ary nasaina handray anjara i Medvedeva tamin'ity taona ity.
Ho an'ireo Japoney mpankafy sasany, tahaka ny nofy tanteraka izany:
メドベージェワちゃんが本物過ぎる件。 pic.twitter.com/diIJczSGTA
— ネガソニック・モンマゴウ・ウォーヘッド (@monmago) July 2, 2016
Tahaka ny zavatra tena izy fotsiny i Medvedeva-chan (tahaka an'i Sailor Moon)!
(Hoy ny vakin'ny lahatsoratra an-gazety, amin'ny ampahany, “Izy no mpanjakavavin'ny “vikina mahagaga.'”)
Na dia talohan'ny nanaovana ny fampisehoany hitovy amin'i Sailor Moon tao Japana aza, nandefa votoaty matetika momba ny sarimiaina tao amin'ny Twitter i Medvedeva. Ity ny siokany momba ilay mpilalao Sebastian Michealis, tamin'ny andian-tantara sarimiaina Black Butler.
done. Which next? pic.twitter.com/0FdgFYhb60
— Evgenia Medvedeva (@JannyMedvedeva) May 25, 2016
vita. Inona no manaraka?
Eto amin'ny fihaonan'ny anime iray izy niaraka naka sary tamin'ny cosplayer (fanafohezana ny “costume roleplay”, milaza olona iray manao fitafiana entina amantarana mpilalao sarimiaina noforonina iray) nitafy tahaka ilay Howl, avy amin'ny horonantsarimiaina 2004 Howl's Moving Castle (tranomanda mifindrafindran'i Howl) i Medvedeva.
Мечта ребёнка исполнилась pic.twitter.com/ts80ZfRf93
— Evgenia Medvedeva (@JannyMedvedeva) March 7, 2016
Tontosa ny tanjon'ny fahazazana.
Miantso ireo Japoney mpankafy azy ihany koa i Medvedeva mba hanampy hanentsina ny hantsana ara-kolontsaina. Tamin'ity sioka ity, mangataka fanampiana izy handikana teny ny zavakanton'ny mpankafy iray.
Please translate anybody pic.twitter.com/dssugOEE0N
— Evgenia Medvedeva (@JannyMedvedeva) April 5, 2016
Azafady mba adikao na iza na iza
Raha ny fandehany dia mampiseho an'i Medvedeva, eo ankavanana, manatsonga teny avy amin'i Sailor Moon ilay zavakanton'ny mpankafy hampidorororo ilay Japoney kintan'ny fikorisana Asada Mao (nanjary malaza tao Japana i Medvedeva tany alohaloha tany tamin'ity taona ity rehefa naka teny avy amin'ny sarimiaina tamin'ny haino aman-jery Japoney). Manontany tena ireo mpankafy raha mba mahafantatra ny antsipirahany somary saro-takarina momba an'i Sailor Moon i Asada, izay tsy zatra ny andian-tantara sarimiaina malaza Japoney Lupin the Third (Lupin ilay Fahatelo).
Ny lohahevitry ny lahatsoratr'ilay zavakanton'ny mpankafy dia hoe mankafy sarimiaina i Medvedeva, ary noho izany no itiavan'ireo Japoney mpankafy azy vaovao tia azy tahaka ny itiavan'izy ireo ny fikorisany (skating).