Mpitsoa-ponenana Afghan : ” Tsy misy ‘ Te ‘ Hiala. Fa Mbola Te Ho Velona.”

Afghan refugees in Athens, Greece

Mpitsoa-ponenana Afghan ao Atena, Gresy. Nozarain'ny pejy Facebook-n'ny fiarahamonina  Afghan ao Eoropa .

An'arivony ireo Afghana no mandositra ny firoboroboan'ny herisetra, korontana sy fahantrana ao Afghanistan ary manantena fiainana sy hoavy tsara kokoa. Araka ny sampan-draharaha misahana ny antontanisa ao Eoropa , Eurostat , mahaforona ny vondrona mpitady fialokalofana faharoa lehibe indrindra any Eoropa ireo Afghana aorian'ireo Syriana. Tamin'ny 2015 fotsiny izao dia efa manodidina ny 64.000 ireo fangatahana fialokalofana nofenoin'ireo Afghana .

Natsangana tamin'ny 2014 ny governemanta ho an'ny firaisam-pirenena ao Afghanistan  taorian'ny valim-pifidianana nisy disadisa mba ho anisan'ny ezaka hampifandray ireo Afghana ka ho Afghanistana mari-toerana sy milamina no tanjona.

Na izany aza , mitombo ny fikorontanana ara-toekarena sy ara-politika, ary ny tsy fisian'ny asa ao amin'ny firenena koa.

Tamin'ny 2001 , maherin'ny 3,8 tapitrisa ireo Afghan mpitsoa-ponenana , araka ny Delegasiona Ambony mikarakara ireo  Mpitsoa-ponenana ao amin'ny Firenena Mikambana( UNHCR ) .

Tsikaritra nihena betsaka ny isan'ny mpitsoa-ponenana nandritra ireo taona nanaraka noho ny fisian'ny tafika tarihin'ny Amerikana ISAF sy ny fiezahana isian'ny famaharinan-toerana tao Afghanistan.

Na izany aza ,niverina niakatra ho 2,6 tapitrisa ny isan'ny Afghana mitady fialofana ivelan'ny firenena taorian'ny fisintahan'ny tafika amerikana izay nandrisika ny fikomiana manohitra ny governemanta notarihan'ny Taliban tamin'ny faran'ny 2015 .

Araka ny UNAMA, taona ratsy indrindra ho an'ny olon-tsotra ny 2015, indrindra fa ho an'ny vehivavy sy ny ankizy ao Afghanistan, satria nirongatra be ny fikomiana. Mandritra izany, niverina ny teo aloha ihany no nentin'ny taona vaovao.

Tsy mahagaga , poizina ho an'ny toe-karena ny faharatsian'ny tontolon'ny tsy fandriampahalemana.

Nitatitra ny Foibe Fikambanana misahana ny Antontanisa ao Afghanistan fa niakatra 15 isanjato ny tahan'ny tsy fananana asa tao Afghanistan teo anelanelan'ny Febroary 2015 sy Febroary 2016, nahatonga ny totalin'ny antontanisa ho manakaiky ny 40 isanjato manerana ny firenena izany.

Ahoana hoy ireo Afghana

Heverin'ireo ireo mpanao politika Tandrefana sy ny karazana fampitam-baovao matanjaka ao Eoropa ho tanora, lehilahy ary mpanararaotra hatrany ireo andiana mpitsoa-ponenana amin'izao fotoana izao izay mitady fialofana azo antoka any ivelany .

Naneho tantara samihafa anefa ireo Afghana vitsy izay efa nanana fahafahana niresaka tamin'ny fampitam-baovao, na nampiasa ny media sosialy mba hanehoany izay nanjo azy.

Rehefa niresaka tamin'i Aljazeera i Ajmal Sherzad , 32 taona, izay nandao tanteraka an'i Afghanistan niaraka tamin'ny fianakaviany ny volana Febroary tamin'ny taon-dasa , nitanisa ny ady sy ny fikorontanana ara-toekarena izy ho toy ny antony lehibe izay nahatonga azy sy ny fianakaviany voatery nandao ny firenena mba hitady fiainana tsara kokoa :

Everybody is leaving Afghanistan. The only people who will be left there are [President] Ashraf Ghani and [Chief Executive] Abdullah Abdullah.

Miala ao Afghanistan daholo ny olona rehetra. Ny [ Filoha ] Ashraf Ghani sy [ Filoha Mpanatanteraka ] Abdullah Abdullah sisa no ho tavela ao.

Nifidy ny handao an'i Afganistana niaraka tamin'ny zanany ihany i Wahid Qaderi  mpitsabo nify iray sy Rana Qaderi, mpampiteraka  na dia nahafantatra tsara ny loza ateraky ny dia mankany Eoropa aza.

Nilaza i Qaderi  tamin'ny antsafa niarahany tamin'ny New York Times hoe :

If we die, we die one day. If we live here, we die everyday.

Raha maty izahay, dia ho faty indray andro any. Raha miaina eto izahay, dia ho faty isan'andro .

Ao Iran no lalana tokana ho an'ny olom-pirenena rehefa handao ny firenena izy ary avy eo mandalo ny tendrombohitra sisintany Iraniana sy Tiorka  ary tonga ao Gresy, izay ahitana olona an'arivony  voatazona sy tsy avela handeha ho any amin'ny firenena eoropeanina hafa mazava ho azy.

Mitondra ny zazakely ny #Mpitsoa-ponenanaAfghan rehefa tonga tao amin'ny nosy grika # Lesbos , # Gresy , # mpitsoa-ponenanaGr 16 Jona

Mbola vitsy ireo olona Afghana mandositra no mahazo fialokalofana ao amin'ny firenena Eoropeana  .

Iray amin'ireo tsara vintana i Abdul Bassir , izay efa niara-niasa tamin'ireo miaramila litoanianina nanomboka tamin'ny 2005 tamin'ny fitantanana ny fampitaovana tao Ghor, Afghanistan  . Nahazo niditra tao Litoania izy taorian'ny fiangaviany tao amin'ny YouTube rehefa lasa nalaza ny tobin'ny mpitsoa-ponenana tao Gresy .

Tsy dia manam-bintana ny ankamaroan'ny mpitsoa-ponenana.

Fiafarana mahafinaritra : nandeha fiaramanidina ho any Litoania ny mpitsoa-ponenana Afghan avy any #Gresy taorian'ny fiangaviana tamin'ny media sosialy

Ahoana ny fiainan'ireo mpitsoa-ponenana mipetraka ao amin'ny toby Grika ?

Tsy fantatra ny isan'ireo Afghana monina ao Gresy amin'izao fotoana izao,  fa vinavinaina eo amin'ny manodidina ny ampahatelon'ny olona 50.000 eo izy ireo izay tazomina ao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana ao amin'ny firenena ankehitriny

Ankizy #Afghan ao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana ao Atena Gresy nandritra ny hetsi-panoherana omaly . #Afghanistan pic.twitter.com/SpQu8kZk3e

Ary mipetraka amin'ny trano ntaolo tsy misy mpipetraka:

mpitsoam-ponenana Afghan ao amin'ny seranam-piaramanidina taloha ao #Athens #Greece #Afghanistan pic.twitter.com/wwmTtUUfwE

Na amin'ny fiantsonana manerana ireo nosy grika :

Mpitsoa-ponenana #Afghan mitoby ao amin'ny seranana tranainy ao # Atena. Tombanana ho 15000 ireo Afghan raikitra ao #Gresy #WorldRefugeeDay

Nandritra ny fitsidihana vao haingana an'i Afghanistan , nampitandrina Filippo Grande, Vaomieran'ny Firenena Mikambana ho an'ny Mpitsoa-ponenana fa ” manadino an'i Afghanistan  sy ny manjò ireo mponina  an-tapitrisany maro eo aminy izao tontolo izao [ … ] Indrisy fa toa lasa malaina mieritreritra izany ny fiaraha-monina iraisampirenena  .

Toba Shahabi ,nizara tao amin'ny Facebook ny sombiny nampivarahontsana tamin'ny resaka nataony nandritra ny fitsidihany tao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana “Jungle ” ao Calais any amin'ny faritra avaratr'i Frantsa ny mpanakanto Afghan iray izay efa nokaramaina hanao fitsidihana sy hanangom-bola ho an'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana maro.

Toba Shahabi

Toba Shahabi miaraka amin'ny vondrona mpitsoa-ponenana Afghan ao amin'i “Jungle” tobin'ny mpitsoam-ponenana Calais ao Frantsa. Nozaraina tao amin'ny pejy Facebook  Toba Shahabi.

Nilaza taminy ny mpitady fialokalofana iray hoe:

How long have I been here? 4 months, yes my wife and children are still in Afghanistan and I am anxious to get out of here to a safer place of course! But the media really twists things, I never wanted to leave my beloved watan (home country) and I am not what they call an ‘economic migrant’. It's from helplessness, from futility and fear that I have left everything I know and find myself in this state. What do I want for my future? I want to return to my home, I want peace and harmony where I can raise my family. Nobody ‘wants’ to leave. That is beyond one's control; it's about survival.

Firy andro aho no teto? efa-bolana, eny ny vadiko sy ny zanako mbola any Afghanistan ary tsy andriko izay hialana eto ho any amin'ny toerana azo antoka kokoa mazava ho azy! Fa manodina ny zava-misy ny fampitam-baovao, tsy te hiala any amin'ny Watan (tanindrazana) malalako aho ary tsy mba ilay antsoina hoe ” mpifindra monina ara-toekarena” aho. Noho ny tsy fahafaha-manoatra, ny zava-poana sy ny tahotra no namoizako ny zava-drehetra izay fantatro ary nahatonga ahy amin'izao toerana izao. Inona no tiako ho an'ny hoaviko? Te-hiverina any an-tanindrazako aho, mila filamninana sy firindrana aho izay afahako mamelona ny fianakaviako. Tsy misy ‘te’ hivoaka ao. Tsy miankina amin'ny fanirinao izany; satria mbola te ho velona.

Nandao an'i Afghanistan ho any amin'ny firenena eoropeanina ireo Afghana ho amin'ny fahaveloman'izy ireo, izay mbola kely ny fanantenana amin'ny fangatahana handraisana azy ireo any amin'ny ankapobeny ary manitatra ny fiainany fadiranovana mbola ao anatin'ny maizina ny korontana ara-politika isan'andro.

Miaina izany fiainana izany izy ireo satria tsy afaka manome fiainana tsara kokoa i Afghanistan izay firenena ravan'ny ady sy ny fitsabahan'ny firenena vahiny ao an-toerana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.