Ao Meksika, Manohitra Ny Herisetra Andalambe Amin'ny Fombany Ireo “Zanakavavin'ny Herisetra”

Eo amin'ny sorabaventy: “Ry neny tsara tarehy, eh zany faniriako hanamboatra zazakely hafa aminao”. “Ireo zanaka salama anatin'ny rafitra patriarka no miampanga”. Sorabaventy nampiasaina nandritra ny Herinandro iraisam-pirenena enti-manohitra ny herisetra andalambe tamin'ny taona 2014. Sary tao amin'ny Flickr, avy amin'ny OCAC Chile (CC BY-NC 2.0)

[Raha tsy misy filazana mifanohitra dia mandefa anao any aminà vohikala amin'ny teny espaniola ireo rohy rehetra anatin'ity lahatsoratra ity]

Zava-misy iainan'ny vehivavy maro isanandro, anatinà firenena samihafa, ny herisetra ara-nofo andalambe, fery iray izay efa nanokanan'ny Global Voices lahatsoratra maherin'ny iray [en]. Ao Meksika, tapa-kevitra ny hampiasa ny zavakanto ho toy ny fitaovana enti-miady amin'ireo herisetra ambava mihatra amin'ireo vehivavy isanandro ny vondrona mpiaro ny vehivavy Las hijas de Violencia (Ireo zanakavavin'ny Herisetra) :

Las hijas de Violencia […] Buscamos, a través del arte performático, el punk y el video, abordar la violencia machista legitimada socialmente.
[…]
Así nació la idea de realizar un proyecto artístico que además de buscar una propuesta estética, sea un grito público que invite a la reflexión de los temas que abordamos.
[…].
Nosotras somos las hijas de Violencia, cargamos años de transitar en un espacio público hostil que no da cabida al cuerpo femenino como un cuerpo transitante sino un cuerpo para el goce y disfrute externo.

Izahay, Zanakavavin'ny herisetra […] Dia maniry, amin'ny alalan'ny zavakanto, ny mozika punk ary ireo lahatsary, ny hanafika an'io herisetra fanjakazakan'ny lehilahy ataon'ny fiaraha-monina ho mahazatra io.
[…]
Teo no teraka ny hevitra hanatanteraka io tetikasan-javakanto io, tetikasa izay, ankoatra ny fikasàny eo amin'ny lafiny hatsarana, dia mety ho fitaovana iray fanoheran'ny vahoaka izay hahatonga fieritreretana mikasika ireo olana velabelarinay.
[…]
Izahay no Zanakavavin'ny Herisetra, mitondra ireo hirifiry ao anatinay ao izahay nandritra ireo taona maro lasa nivezivezenay tanatinà toeram-bahoaka fahavalo izay tsy iheverena mihitsy ny vatan'ny vehivavy ho tahaka ny vatana mihetsika fa tahaka ny fitaovana fakàna fahafinaretana sy fahafaham-po ho an'ny hafa fotsiny ihany.

Izy ireo no “zanakavavin'ny Herisetra”: vehivavy Meksikana izay miaro tena manoloana ny herisetra andalambe.

Ireto avy ireo mpikambana ao anatin'ny vondrona: Ana Karen, Ana Beatriz, Elisa Gutiérrez, Verónica Bravo, Betzabeth Torres ary Patricia Rodríguez, ary izy ireo miaraka no:

[…] han decidido responder al acoso callejero disparando simbólicamente a sus agresores con pistolas de confeti y cantándoles su tema Sexista Punk, en el que denuncian el acoso callejero como acto de agresión machista.

[…][izy ireo] no nanapa-kevitra ny hamaly ny herisetra andalambe amin'ny alalan'ny fitifirana an'ohatra an'ireo mpanafika azy, amin'ireo basy kely feno bala poti-taratasy sady mihira ny hirany “Sexista Punk” (Punk Mpanavakavaka Ara-pananahana), izay iampangan'izy ireo ny herisetra andalambe ho herisetra fanjakazakan'ny lehilahy.

Inty misy santionany amin'ireo tononkiran'ny Sexista Punk:

Eso que tú hiciste
hacia a mí se llama acoso.
Si tú me haces eso
de esta forma yo respondo.
No tienes derecho y lo que haces es de un cerdo
[…]
Imagino el día en que pueda ir a caminar
Sin cuidarme, sin tener mi cuerpo que ocultar
Sexista, machista ¿Qué es lo que quieres?
¿Mostrar tu hombría? ¡A la mierda de mi vista!
Tu te la joues viril ? Va te faire foutre !

Io nataonao tamiko io no atao hoe herisetra
Raha ataonao amiko io
Dia valiako toy izao
Tsy anananao ny zo ary ny kisoa no manao toa anao
[…]
Manonofy ny andro hahafahako mamindra aho
Tsy ilàko miaro tena, tsy ilàko manafina ny vatako
Mpanavakavaka ara-pananahana, lehilahy mpanjakazaka. Inona no ilainao?
Miseho ho be tanjaka ianao? Andeha mandeha tay any!

Manana paikady ireo zanakavavin'ny Herisetra:

Salen a la calle y esperan a que un tipo les grita ‘mamacita’ o lo que sea. Lo persiguen, le disparan con una pistola de confeti y le gritan una rola que dice, en resumen, ‘eso que tú hiciste hacia mí se llama acoso’. La idea no es mala ]…] sugieren que la víctima se defienda de manera lúdica.

Mandeha eny andalambe izy ireo ary miandry lehilahy iray hiantso azy amin'ny fitenenana hoe: ‘O ry manjakely ah’ na karazam-pitenenana toy izany. Enjehin'izy ireo io, tifiriny amin'ilay basy kely feno poti-taratasy sady hirain'izy ireo ny hira, izay raha aravina dia milaza fa: “Io ataonao ahy io no antsoina hoe herisetra”. Tsy hevitra ratsy […] ny manome sosokevitra ireo iharan'izany mba hiaro tena amin'ny fomba mampiala voly.

Mba hanaparitahana ny fomba malefaka sady tsy maherisetra ampiasain'izy ireo hiadiana amin'ny herisetra andalambe, manasa ireo vehivavy rehetra mba hanatevin-daharana ireo zanakavavin'ny Herisetra:

[…] recomiendan que la respuesta ante estas situaciones tiene que ser divertida ‘para que no te quedes con la sensación de la violencia que acabas de sentir, para que tu te vayas tranquila y sepas que puedes seguir teniendo un día increíble’.

[…] Manolotra hevitra izy ireo ny mba hananana fihetsika mampiala voly manoloana ny trangan-javatra tahaka izao, ‘amin'izay, tsy mitàna ny fahatsapana herisetra izay vao avy niainantsika isika, amin'izay, afaka mandroso ampilaminana hatrany noho ny fahalalana fa afaka miatrika tontolo andro finaritra”.

Ao amin'ny bilaoginy ”Pornucopia’, mampisaina antsika i Estefanía Vela Barba ary mampiseho antsika fa tsy irery akory ireo vehivavy ary tsy hoe tsy afa-manohitra izy ireo:

¿Por qué al discutir la violencia sexual, siempre nos imaginamos a un hombre que es más fuerte que una mujer —a quien siempre nos imaginamos desarmada, inútil, frágil—, en un callejón oscuro, vacío y sin salida? Sí. Este escenario es posible. Pero no es el único. No lo es. El performance de Las hijas de Violencia es extraordinario precisamente porque nos demuestra otra posibilidad: no nos presenta a una mujer, indefensa, aislada, presa del pánico que no puede más que sucumbir a la fuerza desmedida de un hombre.

Fa nahoana, isaky ny mamelabelatra ny lohahevitra mikasika ny herisetra ara-nofo isika, dia mieritreritra foana fa matanjaka kokoa ny lehilahy nóho ny vehivavy, izay heverintsika foana fa tsy afa-manoatra, tsy afa-manohitra ary marefo, eny anaty elakelantrano iray maizina sady tsy misy hirika? Marina aloha fa tranga mety hisy izany. Kanefa tsy io irery no mety hitranga. Mahatalanjona marina ny seho ataon'ireo Zanakavavin'ny Herisetra satria mampiseho zavatra iray hafa mety hitranga ry zareo: tsy manolotra ny fahitàna vehivavy voailika, tsy afa-manoatra sy mihorohoro izay tsy afa-manao n'inon'inona afa-tsy ny fileferana manoloana ny lehilahy iray ry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.