Tantara tamin'ny Marsa, 2015
25 Marsa 2015
Tarika Goatemalteka Mampiasa ny Tantara An-tsehatra Ho Fiatrehana Ny Herisetra Mihatra Amin'ny Vehivavy
Hoan'ireo vehivavy ireo, ny teatra dia midika fanasitranana ny ratra am-po amam-panahy sy hanentanana momba ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy ao amin'ny firenena izay vehivavy roa eo ho eo no mamoy ny ainy isan'andro.
Olona Sivy Ambinifolo No Namoy Ny Ainy Tamin'ny Fanafihana Mozea Tao Tonizia
Olona 19 farafahakeliny, ary vahiny ny 17 no namoy ny ainy raha nanafika ny Mozea Bardo Nationaly, ao afovoan-tanànan'i Tunis ireo lehilahy mitam-piadiana. Nidina an-dalambe hanohitra ny fampihorohoroana ny Toniziana.
24 Marsa 2015
Voafandrik'ireo Mpanao Fihetsiketsehana Libaney-Armeniana Tao Amin'ny Sinema Iray Ny Ambasadaoro Tiorka Ao Libanona
Nofandrihan'ireo mpikambana teo amin'ny 60 teo avy ao amin'ny antoko Tashnag Armeniana tao anaty trano fandefasana sarimihetsika ny ambasadaoro Tiorka ao Libanona, ho fanoherana ny fanapahan-kevitry ny governemanta Tiorka mandà ny Fandripaham-bahoaka Armeniana nataon'ny Fanjakana Ottoman tamin'ny taona 1915.
Ireo Fanambin'ny Fiainana Any Ambanivohitra Atao Tahirinkevitra

Mizara ireo tantaran'ny mpiasan'ny fanenoman-damba, mpianatra any amin'ny sekoly ambanivohitra sy ny fanadiovana renirano ao Phnom Penh ny tetikasa Cloghers (Bilaogera vehivavy) avy ao Kambodza, tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.
Nahoana no Tiako ny Norooz?

Nahoana ny tsy hankafy ny fety Norooz? Manamarika ny fiandohan'ny taombaovao hoan'ny olona ao Iran sy ny sisa hafa ao amin'ny faritra izany.
20 Marsa 2015
Ankizivavy Okrainiana, 8 Taona, No Niharam-Doza Farany Tamin'ny Ady

Ny Alatsinainy teo, fiara mifono vy iray no nihanika nandeha tamin'ny sisin-dàlana ka ankizivavy 8 taona no maty tao anatin'ilay zava_doza, izay niteraka korontana tao Konstantinovka, tanàna iray atsinanan'i Okraina.
Netizen Report: Taokanto, Firaisana Ara-nofo Ary Ny Habaka Sosialy

Miatrika sivana ao amin'ny Facebook ny mpanao zavakanto ary arangarangan'ny Loholona Amerikana, Ron Wyden, fa indraindray dia tena midika fanaraha-maso mihitsy ny "cybersecurity" (fiarovana ny tontolon'ny habaka).
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Miarahaba an'i jentilisa. Ity no hasiako fanamarihana manokana "Tsy maintsy mahay manoratra amin'ny teny Frantsay ianao...