Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Netizen Report: Taokanto, Firaisana Ara-nofo Ary Ny Habaka Sosialy

Images from the Mujeres Tigre series by Proyecto Kahlo, censored on Facebook.

Sary avy amin'ny andian-tantara Mujeres Tigre an'ny Proyecto Kahlo, voasivana ao amin'ny Facebook.

Ny “Netizen Report” eto amin'ny Global Voices Advocacy dia manome topimaso erantany momba irao fanamby, fahombiazana ary fironana vao mipongatra mahakasika ny zo amin'ny aterineto eran'izao tontolo zao.

Inona no mahatonga antsika hamaritra ny sary iray ho “mahery setra” ? Ahoana ho hamaritan'ireo  tambajotra sosialy ny fetran'ny hoe ireto no sary mety na tsia ho an'ireo mpampiasa azy? Mitosatosaka ao amin'ny fifanakalozan-dresaka ety anaty aterineto ireo fanontaniana ireo tamin'ity herinandro ity taorian'ny nanakànan'ny Facebook ny kaontin'ny olona iray mpampiasa azy tsy handefa ny sary hosodoko iray nataon'i Gustave Courbet izay mampiseho ny valahana sy ny fivavian'ny vehivavy.

Rehefa injay ilay mpampiasa, izay mpampianatra zavakanto, nitady làlana araka ny lalàna, tamin'ny filazàna fa tsy hain'ilay tranonkala ny manavaka ny hoe taokanto sy ny hoe sary vetaveta, dia namoaka lalàna ny fitsaràna iray tao an-toerana fa ananany ny fahefam-pitsaràna handinika ity fanenjehana ny Facebook ity.  Nolavin'ity goavan'ny tambajotra sosialy ity ilay didy, tamin'ny nanamarihany fa tany am-pisoratana anarana, dia nanaiky ireo mpampiasa fa ny hany fitsarana manana fahefana amin'ny raharaha tahaka izao dia ny fitsaràna amerikana ao amin'ny fanjakàn'i California irery ihany. Hita ao amin'ny andininy faha-15 amin'ny “Fanambaràna ny Zo sy Andraikitra”  ao amin'ny Facebook ahitàna teny miisa 3357 io.

Nitondra ho aminà fifanakalozan-dresaka hafa momba ireo ohatra hafa mahakasika fanivànana taokanto ao amin'ny Facebook ilay vaovao, isan'izany ny an'i Proyecto Kahlo, mpiaro ny maha-vehivavy amin'izao vanim-potoana izao sady fiaraha-mientan'ny media, manana mpikambana ao Venezoela, Arzantina, ary Espaina. Miaraka amin'ireo “Tia” efa maherin'ny 500.000 ao amin'ilay tambajotra, matetika ny Facebook no ampiasain'ilay vondrona mba hampiroboroboana/hampahafantarana ireo tetikasa taokanto sy fanaovan-tsary ety anaty aterineto ataon-dry zareo. Ny 12 Martsa, sarin-damosim-behivavy maromaro no nobahanana tao amin'ilay pejy ary nahantona ny kaontin'ilay vehivavy mpitantana ilay vondrona. Novalian'ilay vondrona izany tamin'ny fanakianana ilay tambajotra sosialy ho mamela ireo sary fanaovana dokambarotra ahitàna vodim-behivavy (raiso ohatra ny an'i  Kim Kardashian) hijanona ao amin'ilay tranonkala, raha manivana kosa ireo sary izay manana tanjona mazava tsara ho resaka taokanto.

Ao aminà fanamarihana iray mifandraika amin'io, nanambara fanovàna ny politikany ny Twitter sy reddit izay mikendry ny hiatrehana ny fitomboan'ireo valifaty amin'ny resaka vetaveta. Ny politikan'ny Reddit izao dia mandràra ny fandefasana sary, na iza na iza, ka “hita miboridana na mampiseho fihetsika vetaveta” tsy nahazoana ny faneken'ilay olona voakasik'izany. Tsy nisy hafa amin'izay, Twitter nanova ny torolalany ho an'ireo vondrom-piarahamonina mba hisorohana ny fandefasana “sary manokana na lahatsary nalaina na notsinjaraina tsy nisy ny faneken'izay voakasik'izany.” Amin'ireo tranga roa ireo, misy rafitra fandefasana tatitra ampiasaina mba hanaisorana ilay zavatra, mitaky ny fanaovan'ny olona voakasik'izany, na izay solontenany araka ny lalàna, mba hanao fangatahana amin'ilay sehatra hijery sy hanaisotra ireo sary. Ho an'ny Twitter, rehefa hitan'ireo mpiasa ao fa nanitsakitsaka ny politikan'ny orinasa ny sary iray, esoriny tsy ho hitan'ny daholobe ilay votoaty ary hidiany ilay kaonty nandefa izany mandra-panaisotry ny tompon'ilay kaonty an'ilay votoaty fototry ny olana. 

Tanora nosamborina  noho ny fizaràny sata tao amin'ny Facebook tao India

Mpianatra iray 19 taona, tany Uttar Pradesh , fanjakana avaratr'i India, no nosamborina ary notànana am-ponja vonjimaika nandritry ny tapa-bolana taorian'ny nizaràny sata iray tao amin'ny Facebook. Diso adiresy ilay sata niresaka momba ilay fanambaràna politika nahabe resaka an'ny mpitarika antoko ao an-toerana – Azam Khan. Nametraka fitoriana tany amin'ny polisy ny mpiara-miasa iray amin'i Khan, nitondra nankany amin'ny fisamborana ilay tovolahy.

Mitohy ny fitokonana tsy hisakafo ataon'ilay Vietnamiana mpaka sary fanao an-gazety

 Nanohy ny fitokonana tsy hihinan-kanina i Minh Man Dang Nguyen, Vietnamiana mpaka sary fanao an-gazety, mba hanoherany ny fomba fitondra tsy misy antra sy tsy manaja ny maha-olona atao azy any am-ponja. Voaheloka hifonja valo taona i Minh Man ary fitazonana tsy mahazo mivoaka aminà toerana tsara aro mandritry ny dimy taona tamin'ny Janoary 2013, noho ny vesatra fiampangàna ho “nanao “hetsika nikendry ny hanongana fanjakana”.  Ny voalaza fa heloka vitany : naka sary ny soratra rangodrangotry ny mafàna fo nandritry ny hetsi-panoherana iray nitranga tao an-tanànan'i Ho Chi Minh sy nandefa azy ireny tety anaty aterineto. Natoka-monina izy nanomboka tamin'ny Novambra 2014. 

Mitombo ny fanafihana amin'ny alàlan'ny “Malware” ao Tibet

ireo Tibetana mpikatroka mafàna fo amin'ny resaka politika dia mahita fa mitombo ny fanafihana amin'ny alàlan'ny malware izay natomboka tamin'ny fandefasana mailaka tsy niriana miaty rohy sy failo manaraka azy. Ahian-dry zareo ho noho ny fitsingerenan'ny fitroaran'ireo Tibetana tamin'ny 1959 izay natao tamin'ny 10 Martsa teono antony nanosika io fitomboana io. 

“Cybersecurity” (fiarovana ny tontolon'ny habaka) sa fanaraha-maso tsotra izao?

Nokianin'ilay loholona amerikana, Ron Wyden, ilay Lalàna vao nolaniana momba ny Fifampizaràna Vaovao ety Anaty Habaka, izay manome alànana ireo orinasa hizara vaovao mikasika ny loza mitatao amin'ny tontolon'ny habaka amin'ireo orinasa hafa sy ny governemanta. Ireo manampahaizana manokana momba ny lalàna ao amin'ny “American Civil Liberties Union” (ACLU) miteny fa ilay tolodalàna dia tsy feno amin'ny lafiny fiarovana ny fiainana manokan'ny olona ary mety hiafara amin'ny fanamoràna ny fanaraha-maso bebe kokoa ireo mpampiasa aterineto, raha ny voalazan'ny ACLU. Nihanihany i Wyden niteny hoe “raha ny lalàna momba ny fifampizaràna vaovao aza tsy misy fiarovana sahaza ny fiainana manokana akory, dia tsy tolodalàna ho fiarovana ny habaka izany — fa tolodalàna ho fanaraha-maso amin'ny anarana hafa.”

Mampangatsiatsiaka ny Fahalalahana miteny ny fanaraha-maso, hoy ny Wikimedia

Notorian'ny Wikimedia Foundation ny NSA noho ny fandaharanasa fanarahamaso faobe nataony tamin'ny herinandro lasa. Ilay fanenjehana, izay ny ACLU no nanao azy teo amin'ny toeran'ny Wikimedia Foundation sy ireo fikambanana marobe hafa, dia ahitàna ny gazetiboky “The Nation” sy ny “Amnesty International”, nilaza fa nanitsakitsaka ny Fanitsiana Voalohany natao ny Lalàm-panorenana Amerikana ireny fanarahamaso ireny amin'ny fampangatsiahana ny fahalalahana miteny sy ny fifanakalozana vaovao malalaka ary ny fiarovana ny fiainana manokana izay iantohan'ny lalàm-panorenana Amerikana. “Ny fanarahamaso sedraintsika dia manome fidirana azo lazaina ho tsy misy fetra ho an'ny governemanta amin'ireo fifandraisana eto Etazonia sy ny votoatin'ireny fifandraisana ireny,” hoy i Patrick Toomey, mpisolovava ny ACLU.

“Olana goavana” no iantsoan'ilay injeniera fahiny tao amin'ny FB ny anaran'ilay politikan'ny fanoratana ny tena anarana

Namoaka torohay vaoao ny Facebook manazava ny fomba fampiharany ny fenitry ny vondrom-piarahamonina ao aminy, manazava tsaratsara kokoa ny fomba famaritany ny fiboridanana, ny resaka fankahalàna, ary ny sotasota. Manome fanazavana misimisy koa ihany koa izy io momba ny dingana ataony hamaritana ny fanekena ny fangatahan'ny governemanta ao an-toerana, amin'ny filazàna fa mankahatra ireo fangatahana izay hitany ho “toa tsy ara-drariny sy tafahoatra loatra” ilay orinasa, saingy manaiky ireo fangatahana hanesorana votoaty izay tsy manaraka ny lalàna ao amin'ilay firenena. Na eo aza ireny ezaka ho fangaraharàna ireny, mijanona miteraka resabe hatrany ny politikan'ny Facebook. Brielle Harrison, injeniera mpamorona rindrankajy, izay vao haingana no niala tao amin'ity orinasa ity, no tsy nihafihafy niantso ilay politikan'ny orinasa momba ny fametrahana ny tena anarana ho “olana goavana” izay miteraka tsy fitovian-kevitra avy ao anatin'ny orinasa ihany. Araka ny ambaran'i Harrison, “tsy mahatakatra tsotra izao fotsiny  ny korontana ateraky ny fampisehoana ny tena maha-ianao anao eo anatrehan'ny lalàna ao anaty sehatra firesahana natao ho an'ny daholobe” i Mark Zuckerberg Tale Jeneralin'ny Facebook. i Harrison, izay milaza tena ho olona nanova taovam-pananahana, dia niasa namoaka ilay bokotra fisafidianana ny maha lahhy na vavy sns.. tao amin'ny Facebook  tamin'ny 2014 ary nisolo vava avy ao anatiny mba hanovàna ilay politika, izay nolazainy fa mety hahatonga ny olona hidiran'andro amin'ny fanararaotana sy fanaovana sotasota. 

Fikatrohan'ny Mpisera anaty Aterineto

Nambaran'ilay Tondro momba ny Sivana, manana ny biraony ao Angletera, ireo nahazo loka avy aminy ho an'ny fifaninanana 2015 hahazo ny Lokan'ny Fahalalahana Maneho hevitra, natolotra ny 18 Martsa. Isan'ireo voatonona hahazo izany i  Tamas Bodoky avy amin'ny Atlatszo, ONG Hongroà momba ny fangaraharàna, mpiara-miasa amin'ny Global Voices, ary ilay Maraokana miangaly gadona “rap” miresaka politika Mouad “El Haqed” Belghouat, namana akaikin'ny vondrom-piarahamonina GV.

Ny ONG Libane MARCH dia nametraka laharana hakàna torohevitra momba ny lalàna amin'ny fotoana rehetra ho an'ireo bilaogera sy olon-tsotra mpisera mba hijerena raha toa izy ireny ka bedy na niharan'ny fakàna am-bavany avy amin'ny Birao misahana ny Heloka Atao ety anaty Habaka sy ny Fizakàmanana Ara-tSaina noho ny zavatra navoakany tety anaty aterineto. Hampifandray ireo mpampiasa aminà tambajotra ahitàna misolovava ny MARCH, tambajotra izay hanome tohana maimaimpoana momba ny lalàna.

Fikarohana Vaovao (rohy amin'ny teny Anglisy)

Ellery Roberts Biddle, Lisa Ferguson, Hae-in Lim, Bojan Perkov, Sarah Myers West, sy Annie Zaman dia samy nandray anjara tamin'ity tatitra ity. 

Mandraisa mailaka avy amin'ny Netizen Report

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.