Tantara tamin'ny Marsa, 2015
“Nosamborina Noho Ny Fividianana Sigara sy Ronono Izy” Hoy Ny Vadin'ilay Tompon-daka Manerantany Teo Aloha avy ao Bahrain
Voasazy higadra 10 taona an-tranomaizina "noho ny fivoahana hividy sigara sy ronono" i Mohamed Mirza, Bahrainita nahazo medaly volamena teo aloha tamin'ny jujitsu Breziliana, hoy ny vadiny nisioka.
Talantalana Foana sy Kibo Migororoana: Voazava Ny Tsy Fahampiana Ara-toekarena Ao Venezoela
Na teo aza ny teny fampanantenana hisian'ny taona vaovao, tsy tamin-kafaliana no nanombohan'ny Venezoeliana ny taona 2015, fa niaretany ny mangidy indrindra teo amin'ny tsy fahampiana ara-toekarena tato anatin'ny fahatsiarovany akaiky indrindra
Afaka Manaisotra Ny Marika Borat-n'i Kazakhstan Ve i Sabina Altynbekova?
Nampiasa ny lazany ho toy ny marik'i Kazakhstan ilay tanora mpilalao volley-ball Sabina Altynbekova. Hatraiza no hahavitany izany?
Iran: Nosoloina Sarim-bavahadin'ny Anjerimanontolo Ny Mariky Ny Nokleary
Amin'izao fotoana izao, dia ao anatin'ny fifampiraharahàna miaraka amin'ny P5+1 any Lausanne, Soisa, momba ny fandaharanasa nokleariny ny governemanta Iraniana
Tetikasa Iray Miainga Eny Ifotony Hanaovana Sarintanin'i Amazon
Tetikasa ifandrimbonana hananganana sarintany miainga avy eny ifotony ary mifantoka amin'ny faritra ao Amazona, any Amerika Atsimo, ny Mapazonia.
Natsinkafon'ny Media Sosialy Ny Filoha Gambiana Noho Ny Nampiasàny Ny Taratasin'i Obama Ho Toy Ny Fampielezankevitra
Nandefa taratasy fiarahabana ho an'ny vahoaka Gambiana noho ny faha-50 taonan'ny fahaleovantenany ve ny Filoha Obama sa taratasy fankatoavana ny fitondran'ny Filoha Yahya Jammeh? Miankina amin'izay itodihan'ny fanontanianao ny valiny
Nakatona Vonjimaika Nandritra Ny Fihaonamben'ny Hoavin'i Ejypta Ny Habaky Ny Mpanaramaso Ny Zon'Olombelona
Noesorina ny fanakatonana ny habaky ny Mpanaramaso ny Zon'olombelona tamin'ny fihaonambe ara-toekarena tao Ejipta rehefa nandefa fanairana tao amin'ny Twitter ny mpanao gazety iray.
Tafandositra Tamin'ny Fampanambadiana Ankizy ao Malawi i Memory Banda, fa Tsy Afa-Bela kosa ny Rahavaviny Fony 11 Taona
Niezaka ny nandositra ilay rafitra mampiditra ny atsasaky ny zazavavy ao amin'ny firenena atsimon'i Afrika misy azy hanambady aloha, sy lasa reny alohan'ny fotoana, ity zazavavy 18 taona antsoina hoe Memory Banda ity.
Vietnamiana Mpaka Sary Fanao An-gazety Manohy Mitokona Tsy Mihinan-kanina Taorian'ny Efatra Taona Nifonjàny
Ho fanampin'ny sazy famonjàna mandritry ny fotoana lava sy ny fihazonana azy tamina toerana tsara ambina, mbola niharan'ny endrika sazy hafa ihany koa i Minh Man: fomba fitondra faran'izay tsy rariny sy manavakavaka atao any am-ponja.
Tendrom-Po tsy mba Namana tao amin'ny Fampitam-Baovaon'ny Fiaraha-monina Panamenana
Ny kabarin'i mpanao lalàna Rodriguez no nilaza ny vahiny mpifindramonina ho "faikan'olona". Namaly Bontana tamin'ny alalan'ny ngonongonona mampiady hevitra mamely ny Panameana ilay Venezoelana mpifindramonina Rita García mampitaha azy ireo amin'ny "gidro" ary milaza azy ireo ho tsy mahay manaja ny kolontsaina vahiny.